I KOTO SY I KETAKA (Adiadin’ny mpifankatia)

Nampidirin'i dadarabe | 10 Feb, 2013

I KOTO SY I KETAKA (Adiadin’ny mpifankatia)

Avia indry ry Ketaka f’izaho ange be vola !
- Avy taiza indray ? Nalaina tamin’i Mbola ?
Tsy vola nangalarina fa latsaka tsy nahy,
Izy no adala nanary, tsy mahay !

Avia indry ry Ketaka f’izaho nahazo fiara !
- Io indray i Koto fa mandika ‘zay voarara !
- Zavatr’olona io ! Nahoana no nalaina ?
- Vidin’asan’olona ka tonga dia gejaina ?

Avia indry ry Ketaka f’ izaho no tena rôla !
Izaho tsy nilalao dia tompon-daka tam’baolina,
Voadaka ny arbitra, naratra ireo zoera,
Ireo izay nihazakazaka natosiko nianjera !

- Aoka re ry Koto ! Ianao ve lasa adala e ?
- Manao barofo foana, minia tsy mahalala !
- Mba misy anie ny rariny, mba saino kely monja !
Mangina indry ry Ketaka sao hiditra any am-ponja !

Tsarovy izao ry Ketaka ary aleteho an-tsaina !
Ny ahy mirevy foana, mitraina sy midaina !
Mandihy dia milalao …Tafita foana aho !
Na iza anie tsy ho faly, izay tiako no atao !

Izaho tsy miraharaha ! Izaho no sefo be !
Raha te handeha i tena, dia betsaka no te…
- Tandremo ihany ry Koto, ny ratsy mitampody !
- Fa misy Zanahary, misy tsiny, misy tody !

DadaRabe
10/02/13  17 :35