NY VARAVARANKELINAO (Tononkalon'i DOX)

Nampidirin'i dadarabe | 26 Aog, 2009

 

Mandalo eo matetika aho, dia manjary fahazarako
Ny mahita anao mitazana eo am-baravarankely
Fotoana fohy fifaliako, fotoana fohy fahasambarako
Eo ny endrikao mitsiky, mitsikitsiky toa anjely.

Mandalo eo matetika aho dia mitraka hatrany hatrany,
Mino fa hahita anao, dia mahita anao tokoa !
Tsy hita intsony ny hafaliako sy hasambarako amin’izany
Fa manenika fanahy, mahatototra ny fo…

Andray izay fahatairako, nandalo teo aho izao…
Nikatona àry fa nahoana, ny varavarankelinao ?
Nitanondrika ny fo, ny fanahy nangenahena…

Nanohy nandalo ihany aho, tsy nivoha hatramin’izao,
Angamba tsy hivoha intsony, ny varavarankelinao.
Mitanondrika ny fo, manomboka tsy hanantena.

Dox