RAHA MBA IZAHO HONO !

Nampidirin'i dadarabe | 8 Feb, 2011

 

Raha mba izaho hono no ho lasa voronkely,
Hisioka fifaliana,
Hihira sy sondriana,
Hikalo ho anao…am-baravarankely,
Rehefa marain’andro !
Miposaka masoandro !

Raha mba izaho hono no ho lasa voninkazo,
Otazanao an-kanto,
Orohanao milanto,
Voakarakaranao, koloinao tsy halazo,
Ho lasa kilalao…
An-doha fandriananao ! 

Raha mba izaho hono no ho lasa nofinofy
Anatin’ny fonao,
Toa aina vaovao,
Ho entinao mandresy ireny rofirofy,
Hanjary tsy handao…
Sy ho lasa fiainanao !

Raha mba izaho hono…

DadaRabe




6 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "RAHA MBA IZAHO HONO !"

  1. raha andrian-dray aho, raha andrian-dreny ;)

    Nampidirin'i ikalamako 08 Feb 2011, 23:35
  2. raha mba izaho koa...fa tsy ianao ihany...

    Nampidirin'i finoanaranoray 09 Feb 2011, 08:42
  3. raha tokoa hono...

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Feb 2011, 11:09
  4. mba asivo an'le tena st valentin material ireny indray alou ra-dada mbo ho ampiasaina sopapa @ izao andro manakaiky izao aa

    ;-)

    Nampidirin'i simp 09 Feb 2011, 20:17
  5. Hay tokoa moa mbola misy izany St Valentin izany ! :-)))))

    Andraso ary ho tadiavina e !

    Nampidirin'i DadaRabe 10 Feb 2011, 02:52
  6. Fa tsy Zenevievy nge le ho pezena am saint valentin e

    Nampidirin'i DotMG 12 Feb 2011, 05:38
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

 This is the ReCaptcha Plugin for Lifetype