ILAY VARAVARANKELY (Valin-kira ho an’i DOX)

Nampidirin'i dadarabe | 29 Aog, 2009



ILAY VARAVARANKELY (Valin-kira ho an’i DOX)

Fahazaranao ny mandalo eo sy mitazana azy
Dia mamazivazy…
Sy mankafy ny hakantony…fahasambaranao,
Anjely milalao,
Mitsiky ka mitsiky,
Tsy aritrao mihitsy !

Dia tena safononoka, salanitra hatrany
Ianao tamin’izany !
Dia faly sy efa nino fa haharitra ombieny
Ilay varavarankely
Fitsinjonao mazàna…
Oh afo mpanafana !

Kinanjo tampotampoka nikantona sy nihidy,
Nanjary nampangidy
Ilay varavarankely ka tankina ianao…
Tsy hita izay natao !
Tanondrika nivena
Sy nangenahena.

Moa niova lasy izy dia any tsy hita intsony
Nanidina ny fony ?
Sa lasana nisinda satria mpandalo ihany
Namonjy ny akany,
Ka varavarankely 
No sisa manirery ?

Dia gina ianao nijery
…Ilay varavarankely !

DadaRabe
27/08/09