TSY AMIDY NY FANAHY !

Nampidirin'i dadarabe | 30 Jio, 2009



Na harena, volamena no alendalenda anao,
Na izao tontolo izao…
Eny, dera, voninahitra sy laza be dia be
Mivangongo rehareha…

Tsy amidy ny fanahy !

Na vola, hery, tanjaka no arentirenty anao
Sy fiainam-baovao…
Hiakaranao ny lapa avo be fitsiriritra,
Fiadanana tsy ho ritra…

Tsy amidy ny fanahy !

Fa ianao dia olon’afaka ary olon’ny safidy…
Sanatria ny ho voavidy !
Ny feon’eritreritrao sy ny rariny azo atao
No hany tarigetranao…

Tsy amidy ny fanahy !

DadaRabe
27/06/09