NY FIALONANA, FANKAHALANA, FITSIRIRITANA

Nampidirin'i dadarabe | 6 Mar, 2009

Na inona na inona ataontsika, na aiza na aiza misy antsika, na inona na inona firehantsika : Ny fialonana, ny fankahalana, ny fitsiriritana dia loza mitatao !

DadaRabe



NY FIALONANA, FANKAHALANA, FITSIRIRITANA

Ny fo feno fialonana
Ary tsy mahay mionona,
Eny !  Manantena foana
Ny an’ny hafa eo anoloana…
Dia toy ireny harafesina mandavaka ny vy,
Mahatonga fahalovana, mandrotika ny tsihy


Ny fo tia mankahala,
Te handavo tsy an-kisala
Izay mba tafavoaka kely
Fa niasa tamin-kery…
Dia toy ireny rivo-doza izay mitsoka ny tanàna
Kanjo nony lasa iny dia namela fandravana !

Ny fo tia mitsiriritra,
Faniriana tsy mba ritra
Ka ‘zay hitan’ireo maso
Dia hanaovana ankaso…
Dia toa loto, honahona, mivangongo alahelo,
Lozoka tsy hita fara, tanin-kaizina sy helo !

DadaRabe
04/02/09