TONONKALO HO AN'I RADO (Georges Andriamanantena)

Nampidirin'i dadarabe | 16 Okt, 2008

Ho fahatsiarovana an'i Rado izay lasa nandao antsika.

Na lasana aza izy dia tsy maty satria mipetraka ao am-pontsika ny fahatsiarovana azy.

Ity misy tononkalo iray natolotro azy fony faha-80 ny taonany.

 

RADO (Georges Andriamanantena)
(Tamin'ny Faha-80 taonany)

Am-polo taona maro
No namakiana anao,
Sary mifangaro
No tao an-tsaina tao.

Nentinao nanofy
Teny ambony teny,
Ka afa-drofirofy
Ny fo mirenireny.

Nandroso ireny taona,
Ny ora nifandimby,
Kanefa teny foana,
Mipetraka ho tadidy…

…Ny asa-soratrao
Izay hotehirizinay,
Tsy avelanay handao
F’hitoetra eto aminay.

DadaRabe
Aix-en-Provence
06/03/04