MILALAO BALOM’

Nampidirin'i dadarabe | 14 Okt, 2008

MILALAO BALOM’



Vizana i dada,
Reraka i neny,
Fa izy dradradradra,
Tsy misy mba ekeny.

Fa inona no tiany ?
Tsy fantatra mihitsy !
Ny an-tanany ariany,
Na maro ireo na vitsy.

Maninona ‘ty zaza ?
Angamba misy zavatra !
Fa mba jereo ry dada !
Ny masony manakatra,

Mibanjina any ho any..
Fa inon-doatra re ?
No dia mampitomany,
Sy tena ilainy anie !

Oay ! iretsy lavitra !
Manidina, savoana,
Akaikin’ny firatra,
Jereo ireo balôm !

Nony nalain’i dada
Nangina izy, nahoana ?
Faly anie ‘ty zaza…
Fa milalao balôm’ !

DadaRabe
Aix-en-Provence
13/04/03