TONGA SOA I MALALA
Nampidirin'i dadarabe | 4 Apr, 2008Miarahaba,
Tsy afaka nitsidika blaogy tato ho ato é! tsy izany fa tonga soa ao an-tranonay tamin'ny herinandro lasa teo i Malala RABE. Zazavavy kely izy.
Jehovah Andriamanitra anie hitahy azy aminy fiainany rehetra !
Izay aloha fa hiverina eo ihany !
DadaRabe
MIsaotra ry Ikalamako Ã
Misy hiadiana tokoa !
Pissoa> MIsaotra i Rainimalala sy i Reninimalala ! :-)
Kdaombaramita> Misaotra mahita ny ho avin'i Malala
Lalasaoa> ie, somebiseby é! misaotra
Tsiky> Misaotra razandriko izany !
JOgany> ie, asiana papillons ny ankanjony
DotMG> angaha tsy rehefa ilaina ilay rima vao tsy hita é!
Simp> rehefa tsy mandeha ve ny jirama tsy hirahina hantsaka ihany izy ! :-p
News2dago> Dia mirary ny vahiny ho avy soamantsara é! mirary ny reniny ho salama !
LAp> ie, faly sahirana ohatry ny akohokely tsipazam-potsim-bary
Ikalakely> dia efa ho avy hono ny blaogy raha vao mahay mikitika internety izy
Pone> misaotra amin'ilay hoe anarana é! Angaha tsy efa be dia be no voatsipika sy naverina indray
Helisoa> Asehoko azy io raha vao manomboka mahay mijery izy Helisoa Ã
Lehilahytsiresy> Ie, dia hanaovantsika hira izy rehefa malalaka isika é
MAintikely> misaotra anao i DadaRabe sy i NeniRabe :-)))))
Tokinao> misaotra anao amin'ny firariana dia amin'ilay AMEN
Nampidirin'i DadaRabe 05 Apr 2008, 15:12arahabaina ny vahiny kely, arahabaina koa ny ray aman dreny amin izany fahasoavana be izany !!
Nampidirin'i ravakamalala 05 Apr 2008, 15:31mazotoa mifoha amin ny alina an!!!
Ravakamalala> ny reniny aloha no tsy matory izao. Efa manisa andro aho io hahitana an'i Malala
Nampidirin'i DadaRabe 05 Apr 2008, 16:30Dia miaraha be nahazo faramandimby e! Maroroa ny taiza. Mba ela kosa izany 10 andro izany ka! Tena azoko anptsaina fa tsindrian-daona be ianao.
Nampidirin'i Su 06 Apr 2008, 08:27Arahabina izany ianareo mivady fa nitombo ny fara dy dimby. Ho feno fitahian'Andriamanitra anie ny fiainan'i Malala. Toy ny an'(ireo zokiny.
Nampidirin'i Ryana 06 Apr 2008, 09:47Mankalaza!
Ryana
Aleo tara toy izay tsy misy na tsy tonga mihitsy...
ARAHABAINA TONGA SOA I MALALA
Nampidirin'i Tsikisariaka 07 Apr 2008, 14:29ATSAFAINA NAHAZO KILONGA I DDRB
HO SALAMA TSARA ANIE IZY MIANAKA
DIA HO FINARITRA MANDRAKARIVA HO TAHIAN'ANDRIAMANITRA IANAREO MIANAKAVY KELY.
Su> misaotra anao é! dia tsin-daona tokoa tamin'iny ! dia mbola eo foana satria mbola tsy hitako akory izy.
Ryana> misaotra Ryana ô! ho tahian'Andriamanitra anie isika rehetra !
Tsikisariaka> Misaottra dia mirary antsika rehetra fahasoavana ihany koa !
Nampidirin'i DadaRabe 08 Apr 2008, 00:46miala tsiny fa tsy dia afaka mitsidika matetika fa dia faly tokoa nahare fa nahazo fara sy dimby ianao razoky, arabaina tonga soa Malala kely izany, arabaina koa ireo Ray aman-drenin'i malala, maharoro taiza, dia samy ho tahin'Andriamanitra daholo ianareo mianakavy kely.
Nampidirin'i Malala 09 Apr 2008, 06:16Malala> misaotra é!
Tiana sy Aina> Dia misaotra betsaka dia samia ho tahian'Andriamanitra isika rehetra.
Nampidirin'i DadaRabe 11 Apr 2008, 00:34