TONGA SOA I MALALA

Nampidirin'i dadarabe | 4 Apr, 2008

Miarahaba,

Tsy afaka nitsidika blaogy tato ho ato é! tsy izany fa tonga soa ao an-tranonay tamin'ny herinandro lasa teo i Malala RABE. Zazavavy kely izy.

Jehovah Andriamanitra anie hitahy azy aminy fiainany rehetra !

Izay aloha fa hiverina eo ihany !

DadaRabe


30 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "TONGA SOA I MALALA"

  1. Antsay e !

    Tonga soa i Malala :)

    Dia arahabaina ny Rainimalala sy Reninimalala hi hi.

    Nampidirin'i pissoa 04 Apr 2008, 11:49
  2. Faly miarahaba anareo nahazo fara sy dimby. Dia ho feno fahasoavan'Andriamanitra hatrany ny fiainanareo mianakavy, ka ho tafita amin'ny ambony indrindra i Malala Rabe ho anisan'ireo reharehan'ny malagasy.

    Bisoux BDB !

    Kdômbitah.

    Nampidirin'i kdaombaramita 04 Apr 2008, 11:52
  3. Oh! Arahabaina nahazo fara izany e! Hitako no tsy hitako ko!

    Nampidirin'i Lalasoa 04 Apr 2008, 11:57
  4. Nomen'Andriamanitra ny Fara razoky a! Maroroha taiza :-)

    Nampidirin'i tsiky 04 Apr 2008, 12:35
  5. Tonga soa i Malala !
    Arahabaina nahazo fara !
    Pleins de papillons!

    Nampidirin'i jogany 04 Apr 2008, 12:42
  6. Arahabaina e!
    Ary izaho raha vao mahita hoe tonga soa iha @ ity RSS ity dia tsy mamaky, fa tamin'ity aho mba sendra namaky an.

    Nampidirin'i DotMG 04 Apr 2008, 13:07
  7. Fa dia tonga malala indray ve vao tsy mampiady rima?

    Nampidirin'i DotMG 04 Apr 2008, 13:07
  8. arabaina nahazo mpantsaka eee :)

    mirary soa,

    Nampidirin'i simp 04 Apr 2008, 13:33
  9. sa mpamoha robinet @ zao taonjato faha 21 zao :P

    Nampidirin'i simp 04 Apr 2008, 13:34
  10. nomen'Andriamanitra fara izany dadarabe mianakavy e!

    ie dia mirary soa tokoa e!
    izahay zao vao miandriandry koa

    Nampidirin'i news2dago 04 Apr 2008, 14:32
  11. Arahabaina izany fa lasa Dada²Rabe :-) Nahazo dimby sy fara!
    Mirary soa hatrany ho an'ny vahiny e.
    Dia mirary fahazotoana ho an'ny Raiaman-dReny amin'izao faly sahirana izao.

    Nampidirin'i lap 04 Apr 2008, 15:17
  12. Arahabaina e,

    Tonga soa akia malala a, dia efa asio blaogy e!

    Nampidirin'i ikalakely 04 Apr 2008, 15:44
  13. Waaaooooo! Arabaina r'ise a! Telo izany izao? Tsara be!!! Sady nahay nifidy ny anarany koa ianareo : Malala! Milay be! Tongavà taiza ry zareo a!

    Nampidirin'i Pone 04 Apr 2008, 16:38
  14. Miarahaba ireo ray aman-dreny e ! Maroroa ny taiza o ! Indro CARTOON atao ao amin'ny blog atolotra ho an'i Malala Rabe Nampidirin'i Helisoa 04 Apr 2008, 17:54
  15. Arahabaina izany i Malala kely fa tonga soa ao an-tranon'i DadaRabe.
    Enga anie hitombo fahasoavana hatrany hatrany e.

    Nampidirin'i lehilahytsyresy 04 Apr 2008, 19:37
  16. arahabaina i dadarabe sy i nenirabe (?) nahazo fara sy dimby.
    Ho tahian'ilay Nahary :D
    Maroroa taiza :)

    Nampidirin'i maintikely 04 Apr 2008, 20:48
  17. Arahabaina nahazo fara sy dimby dadarabe a! Dia mirary fahasalamana tanteraka ho azy, sy ny ray aman-dreniny.

    Araka ny teninao ... Andriamanitra anie hitahy azy amin'ny fiainany rehetra ! Amen

    Nampidirin'i Tokinao 04 Apr 2008, 20:55
  18. Dia misaotra betsaka antsika rehetra é!

    Izaho moa dia tsy mbola nahita azy mivantatna fa sary sy skype ihany. raha afaka 10 andro aho vao mahita azy.

    Mahafinaritra daholo é!

    Tsara be ilay cartoon ry Helisoa

    Mbola hanoratra ho anareo eo ambany hono i malala

    Andriamanitry ny fiadanana homba anareo mandrakariva

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 04 Apr 2008, 22:31
  19. ouin ouin ouin ouin ouin ouin
    (teny gasy => misaotra)

    Nampidirin'i Malala Rabe 04 Apr 2008, 22:33
  20. tara be ikalamako fa sahirana kely nandritra ny roa andro dia tsy naharaka vaovao blaogy.
    Fa tsy tara kosa ny fiarahabana ny ray sy renin'i Malala nahazo saribakoly be ! Miarahaba an'i Hasina koa nahazo zandrivavikely hiadiana matetika ao an-trano indray e !(hanaovana la loi des plus grands et des plus forts).
    Maroroa taiza dia mamy betsaka ho an'ilay poupette.

    Nampidirin'i ikalamako 05 Apr 2008, 10:53