AKAIKIKAIKY PASKA ‘TY ANDRO

Nampidirin'i dadarabe | 21 Mar, 2008

Akaikikaiky paska ‘lay andro,
Voairaka  teo Petera Sy Rajaona,
‘Ndana malaky anie 'nareo mahandro !
Mofo mba hohanintsika f’efa noana !

Nipetraka mba hihinana zareo,
Io fa nandray kapoaka koa ny Tompo,
Ary niteny farimparim-peo,
Rako io ka ndao malaky mba hisotro !

‘Zaho tsy hisotro intsony, faran’io !
Mandra-pahatongako am’fanjakako,
'Nareo no 'ndeha manaova toy ny anio !
Hafatro izany mantsy ka lazaiko !

Noraisiny koa 'lay mofo, novakiany,
Tenako ity hoy Izy raha nisaotra,
Ary natolony iny ho an’ny tiany,
Tsy nisy vary ny azy ts’isy laoka.

Misy mpamadik’ato hoy ny Tompo,
D’ilay manatsobotsoboka ny mofo,
Anatin’ity kapoaka tsara loko,
Izy 'lay bandy tena jiolahimboto !

Jodasy tam’zany tsy mba taitra,
Natsobony ny azy tsy ankivaky loha,
Nohaniny ny azy f’izy tena maika,
Petera tam’zany tezitra tokoa !

Ny rako no fanekena vaovao,
Tsarotsarovy izany k’aza hadino !
Alatsako an-tany izany mba ho anao !
Ary koa famonjena ho an’ny mpino.

Izay ary 'lay tantara rey vahoaka,
Zavatra tena nisy fa tsy angano,
Tantara milaza mofo sy kapoaka,
Aza misalasal’ianao fa hano !

DadaRabe
Baille (Marseille)
19/04/00