IZAHO (DdRb) sy IANAREO (namana)
Nampidirin'i dadarabe | 29 Feb, 20081- ANDRIAMANITRA no teny voalohany.
2- Lehibe amiko ny tanindrazana sy ny fianakaviana (manam-bady aman-janaka). Mahafinaritra ahy izay rehetra momba ny malagasy. Tiako ny mampianatra, mizara, mikaroka.
3- Be nofinofy aho. Ao anaty nofinofiko aho feno zava-marobe. Ny sasany dia inoako fa ho avy. Ny sasany efa tonga. Ny sasany aleo tsy ho tonga !
4- Ny fialam-boliko ankehitriny : Tononkalo, gitara, mihira sy mamoron-kira.
5- Maro ny mpihira tiako. Ho singaniko manokana I Mahaleo, Lolo SNT.
6- Mivezivezy toa firaka atakalo aho izao (10.000km)
7- AMEN no teny farany.
Mahafinaritra daholo ny namana rehetra : (ialana tsiny izay tsy voatonona)
Ikalamako (mpanome :-), Pissoa (the malagasy), maintikely (mampahatsiaro ny méditerranée), Lehilahytsyresy (mpiara-mitendry gitara), Sazykely (mpisangisangy), Tsikisariaka (mpiray fikambanana), News2Dago (mpilaza vaovao), Ryana (mpizara tononkalo), Tsiky (mpanafana resaka), Pone (mahalasa saina), Lap (mpandalo), NyEja (Mpiray zava-kanto), Simp (mpiresaka), Hery (mitsiky dia ampy), Soanja (Zaza niara-nitombo), Harilova (mpandinika ny fo), Tokinao (Mpitety tany), Rajiosy (avy any Israely), Helisoa (Mpahay site), Malala13 (namana Marseille), Karako (atsy akaiky atsy), Lalaina (Tsy mbola fantatro hoe iza izy), mpitory (mpizara teny masina), Jogany (Mpitagy), sns.
Izay indray é!
DadaRabe
.jpg)
soa fa tsy tao @ laharana faha-6 no farany fa raha tsy izany lasa hoe "amin'ny enina" !
Ddrb = revy fa tsy ditra
Nampidirin'i Rajiosy 29 Feb 2008, 22:57Pissoa> Dia hivoaka daholo ve izay tsiambaratelo ? dia ahoana no hiafarany ?
Simp> Itovizana an ! RAhampitso izay afaka dia mijery LOLO, izahay eto mtsiriritra vasoka fotsiny. MIsy progany hono hoy Ikalamako fa ndeha hijery an'izany.
Nampidirin'i DadaRabe 29 Feb 2008, 22:59Rajiosy> ;-p
Nampidirin'i DadaRabe 29 Feb 2008, 23:01Aiza ho aiza ao Israely aloha no misy anareo é! izahay avy ao Bethlehema :-)
dadarabe: eka ouz @ilay LSNT ;)
ikalamako: hitako retsy ilay ao @ myspace fa fisaorana mitafotafo.
Fa hono oa, f'anga tsy FBC ilay @3ora?
tongava daholo rapitso @oran'ny lsnt an
Nampidirin'i maintikely 29 Feb 2008, 23:06Jogany> Tena tafiditra spam ilay hafatrao fa izay vao hitako. Dia ho eo amin'ilay RDV karaoké indrisy fa voatery mifoha maraina nefa...namana é!
Nampidirin'i dadarabe 29 Feb 2008, 23:09Maintikely> Dia rahampitso izany é! raikitra !
Nampidirin'i dadarabe 29 Feb 2008, 23:09Tena efa alina be mbola tsy tafatory aho io. Asa raha hahatratra izany fotoana rahampitso izany. HIezaka é!
Nampidirin'i DadaRabe 01 Mar 2008, 04:17Rajiosy sy DadaRabe ve avy ao Bethlehema ? :-) Tokony sequencena koa ny mitochondrial DNA -nareo roalahy sao sendrasendra havan-dry Josefa.
:-)
Nampidirin'i lehilahytsyresy 01 Mar 2008, 07:53lehilahytsyresy => f'anga moa tsy taranak'i adama sy eva dhl raha ara baiboly no jerena e!lol
Nampidirin'i news2dago 01 Mar 2008, 08:43Raha ny tena marina dia i Maria no akaikikaiky kokoa angamba é! :-)
Nampidirin'i DadaRabe 01 Mar 2008, 13:04"dimbaka avy any Nazareta" fa tsy Betlahema-kely akoriny kah
Nampidirin'i Rajiosy 01 Mar 2008, 18:38Na izaho na ianao dia samy miandry ilay dimbaka avy any Nazareta !
Isika samy isika é! :-)
Nampidirin'i DadaRabe 01 Mar 2008, 19:46Nahafinaritra ilay LSNT. Naharitra ora telo. Angamba nahatsiarovana ny hatanorà na, koa dia tena nankafizina... Ts'isy feo intsony ny tena izao maraina izao.
Nampidirin'i Ryana 02 Mar 2008, 16:46Izany hoe raha azoko dia nanofokofoka nihira mihitsy ianao ? Mba tantarao ary é!
Izahay moa dia tsy afa-manoatra fa dia maniry manitra fotsiny é!
MAnantena fa hihira any Dago ry zareo amin'ny Volana avril ma mai izaO;
Makà aina ary aloha é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 02 Mar 2008, 17:33Salama daholo,
Ryana, hay ianao koa tany? Raha hitako mialoha ny hafatrao dia nolazaiko hoe ery ho ery zahay ny hipetraka dia niaraka nivazo isika….
Tsara retsy ny fety iny ka, nahafapo tanteraka, zany hoe ny fotoana no tsy azo nivalaparana. Zahay t@ farany voananak’ilay sécurité an’I La Cigale hoe avancez svp fa mbola n’laozanay nihenoheno teo hiresaka @ iry lerony...tsssssss
Dadarabe> Tena nakipiko mafy mintsy ny masoko dia nalefako t@ connexion “inter-galaktika� ny feo kadradrako nihira an’I tady vita fatomaty..ozy za hoe any zay le zokiko iny manirery any antany manitsy any!! Tsy adino tokoa moa ise t@ ity ririn’ty hahaha; Nahalatsaka ny nijery andra-bebey nandihihy sy nitsiky vinaninany t@ io mdr…
Pissoa> Za nahatsiaro andry manokana fa ny hira nataon’dry zalahy faharoa inona azany?? “Iny vorona mandalo� le natolotro ho andry tary ambadika tary, ndry nihirahira ny hanina iny…..
Ikalamakoa> Ao fa tsy hitantara valamaty aho retsy e, indriko no tsaroako t@ Benoro asa hoe maninona…
Dia natolotro an’eritreritra ho antsika mpinamana rehetra eto “Raha mankany�….Namana mbola tsisy hita maso fa mahafinaritra daholo…
Mandrapitafa indray ary ô!!
Nampidirin'i Tsiky 03 Mar 2008, 10:38Manao ahoana Tsiky,
Dia misaotra anao nahatsiro anay tany amin'ny vazo Lolo tany. Izahay dia nononofy fotsiny ihany.
Izay é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 03 Mar 2008, 16:15Hay ve i Tsiky koa tany ê? samy tao izany saingy tsy nifankahita. AN nifankahita aza moa tsy nifankahalala.
Nampidirin'i Ryana 03 Mar 2008, 17:06fa ny nahafinaritra ahy koa nony nirava di nihaona tamin'ny namana niara-nianatra efa 25 taona lasa ny tena. Raharaha ity fiainana marina! Dia nahita iray hafa koa niara-nianatra teny Ankatso (20 taona lasa)... Teo vao tonga saina hoe efa tena Razokiny be araka ny fitenenana.
DadaRabe, raha azoko tsara dia toa hoe mbaola hanao tournée any Allemagne ry LSNT, avy eo manao kapila manjelatra ary mety ami'nny jona any ho any angamba no mankany Gasikara. Efa any moa izany ianao DadaRabe amin'izany?
Nisy hira iray izay (iray ihany) no tsy fantatro. Fa ny ankoatra an'izay dia tena nihira mafy tokoa ny tenanay. Androany moa dia efa naka "congé" mihitsy fa efa fantatra fa tsy hahavita n'inon'inona ny alahady fa ho lanaka. Dia androany no manao ny raharaha tokony natao ny alahady...
TSarà herinandro daholo ary ê!
Ryana
NIfanakaiky seza mihitsy ianareo kah ! I Tsiky ilay nandoko volo mena be te akainao iny. I Ryana kosa ilay nandoko volo mangamanga.Tadidinareo ve ?
Asa tokoa rahoviana ary zareo no hihira any Dago. Rha aany izy dia mijery aho.
Nampidirin'i DadaRabe 03 Mar 2008, 20:19Ahoana indray e,
Nampidirin'i karako 24 Mar 2008, 05:25Mivoaka miditra toy ny l...-njaza fa azafady e :-)
Na izany aza mamaky (mahalana) eo ihany. Hatrany @ moov.mg mamaky ny hevitra aroson'i Ddrb.
Mankasitraka e! Tsy manadino anareo akory fa ato ambadika ato ihany :)
Misaotra Karako ô !
Nampidirin'i DadaRabe 24 Mar 2008, 14:18Tratry ny Pasaka é!