Ny momba ny jenetikan’ny mponina ao Madagasikara :

Nampidirin'i dadarabe | 27 Feb, 2008

Ny antsasaky ny “lignées génétiques” n’ny mponina ao Madagasikara dia avy amin’ny olona tany Bornéo, izay mielanelana 7000km amin’i Madagasikara. Ny antsasany kosa dia avy any amin’ny mponina avy any Afrika atsinanana.

Ny nosy Madagasikara dia 400km mielanelana amin’i Afrika. Misy valim-pikarohana vaovao nivoaka tamin’ny “American Journal of Human Genetics”, nampiseho fa misy mampiavaka manokana ny mponin’I Madagasikara.

Vao voalohany izao no nahafahana namaritra mazava tsara ny fototry ny “lignées génétiques” n’ny mponina Malagasy, sy ny toerana tokony ho niaviany, ary azo heverina ho manakaiky ny marina hoy ny Dr Matthews Hurles ao amin’ny Wellcome Trust Sanger Institute.

Ireo mponina ireo dia fifangaroana 50/50 ny vondrom-pirazanana anankiroa. Tsara ny manambara fa ireo taranaka ireo dia nifangaro nandritra ny taonjato maro hatramin’ny fiatombohan’ny fisian’ny olona teo amin’io nosy io hoy izy. Ireo marika arkeolojika dia maneho fa vao haingana ny fisian’ny mponina tao amin’ny nosy : eo amin’ny 1500 taona.


Mba ahatomombana ny fikarohana nataony, ireo mpikaroka ao amin’ny Oniversite n’i Cambridge, Oxford ary Leicester, dia nampiasa mpanamarika ny DNA karazany roa : Ny Chromosomes Y, entin’ny lehilahy ihany, ary ny DNA mitochondrial, izay lovain’ny vehivavy ihany. Noho izany ary dia  nampitaha ny fitoviana ara-jenetika tamin’ny Malagasy sy ireo mponina isan-karazany amin’ny ranomasim-be Indiana ry zareo. Ireo karazana Chromosome Y tsy avy any afrika hita tamin’ireo Malagasy dia mifanakaiky indrindra amin’ny an’ireo karazana ananan’ny olona any Bornéo (raha oharina amin’ny mponina hafa rehetra). Hita koa tamin’ny alalan’ny DNA mitochondrial fa ny ivon-toerana niaviany dia avy amin’ireo nosy any Asia atsimo atsinanana ary koa avy any afrika atsimon’i Sahara hoy ny Dr Peter Foster ao amin’ny Institut McDonald (ivom-pikarohana momba ny arkeolojika ao amin’ny Oniversite n’i Cambridge).

Efa fantatra rahateo fa ny teny malagasy dia misy ifandraisany amin’ny teny indoneziana. Ny teny tena mifanakaiky aminy indrindra dia ny teny “Maanyan” ampiasaina ao atsimon’i Bornéo hoy i Hurles. Mifandraika izany ilay fikarohana jenetika sy ilay tolokevitra lingistika. Ankoatr’izay, ny firafitry ny mponin’i Madagasikara dia mampiseho endrika mahaliana eo amin’ny tantaran’ny olombelona, raha eo amin’ny fifindra-monina sy ny fifangaroan’ny mponina no jerena. Ary koa vavolombelon’ny fahaizana mahatalanjona nananan’ireo mponina taloha amin’ny fifindra-monina lavitra dia lavitra mamakivaky ranomasim-be.

Ny fifindrana goavana izay niainga avy tany Asia atsimo atsinanana tany amin’ny 2000 taona ka hatramin’ny 1500 taona tany aloha miohatra amin’ny ankehitriny, araka ny vokatr’ireo fikarohana, dia maneho an-tsary koa ny fisian’ny fifindra-monina niainga tamin’io toerana io mankany Pasifika, Mikronezia ary I Polinezia 1000 taona lasa izay. 

May 2005

(Mpandika Dr P.Rabe)



Jereo : http://www.sanger.ac.uk/Info/Press/2005/050504.shtml 


32 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Ny momba ny jenetikan’ny mponina ao Madagasikara :"

  1. misaotra be dia be an'i DdRb o !

    Nampidirin'i ikalamako 27 Feb 2008, 00:58
  2. tsisy fisaorana ry Ikalamako fa lany fotoana aho tato ho ato nijery izay "données" rehetra momba ny fiavian'ny malagasy.

    Nitady momba ilay fiteny "Maanyan" koa aho. Vitsy loatra ry zareo ary voasaron'ny indoneziana sy maleziana ka tsy ahitana momba azy ireo loatra.
    MIla mankany angamba mijery hoe iza marina izy ireo. Rahoviana anefa ?

    Nampidirin'i DadaRabe 27 Feb 2008, 01:14
  3. hitako no tsy hitako i DdRb tato ho ato ! :-P
    Dia lakan-jejo tokoa va re sa inona marina no tena nivoizan'izy ireo e ?
    Raha nanam-potoana aho dia nanaraka an'i DdRb mba nikaro-javatsoa koa...Ilazao ihany aho raha ho any tampoka ianao hanomanako valizy e.

    Nampidirin'i ikalamako 27 Feb 2008, 02:10
  4. Ikalamako ! FA amin'ny firy izao any aminareo. Ny aty aza e'ny 22:13

    ie, nandeha lakana fa ny mbola tsy mazava dia ny hoe nanara-tsisiny ve sa avy hatrany dia namaky riaka.

    Tsy indray mandeha izy ireo no niainga fa dia (voyage) marobe. NIsy ve ny efa tonga taty dia niverina tany nanoro lalana ?

    FA naninona ry zareo no niala tany ? voatery ve ? Sa nitady ny tsaratsara kokoa ?

    Mitombo ny document-ko ao saingy tsy mahavaly ny fanontaniana maro.

    Tsy tena misy koa olona sady tena mahay teny malagasy sy ilay teny "maanyan" ka afaka manao fikarohana vaovao.

    Mbola be dia befikaraohana tokony atao.

    Izay aloha

    Nampidirin'i DadaRabe 27 Feb 2008, 02:18
  5. Ity misy fampitovizana teny :
    http://alibataatpandesal.com/masaka.html

    Vitsy ihany anefa ireo.
    90% n'ny voam-bolana malagasy dia avy any. SAingy firafitry ny teny ary lalàna gramatikaly dia tsy mitovy. ILay fiteny "maanyan" io no mitotovy firafitra saingy na izany aza mila fandinihina.

    Misy ireo manam-pahaizana milaza fa tsy vaotery hitovy firazanana akory ireo olona ireo sy ny malagasy saingy kosa mitovy ny razan'ny teny.

    Izay aloha fa alina ihany ity andro.

    Nampidirin'i DadaRabe 27 Feb 2008, 02:24
  6. misaotra o !
    oups ! Efa amin'ny telo maraina, ny mpamosavy aza ve tsy efa hody, hihihi

    Nampidirin'i ikalamako 27 Feb 2008, 03:03
  7. Ity koa misy dialôgy ! hi hi
    Henjana loatra ilay fikarohana Rabe a ! indrindra rehefa hiditra resaka krômôzôma izy ; fa io resaka fiavian'ny olona sy nyteny io indray aloha indrindra ny malagasy dia sakafo ohanina isanandro atsy amin'ny Havatsa. Anontanio nge Rahaingoson e ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 27 Feb 2008, 09:44
  8. Fa dia misaotra indrindra manazava e ! mahereza mikaroka.

    Nampidirin'i Tsiks 27 Feb 2008, 09:46
  9. Misaotra an'i DadaRabe amin'ilay artikla aloha e. Mahazo ampaham-baliny mazava izao ilay fanontaniana hoe : "Afrikana ve ny gasy" izay mampisy polemika indraindray. :-)

    Nampidirin'i lap 27 Feb 2008, 10:01
  10. misaotra dadarabe fa dia nahaliana tokoa .

    Ny ahy ry zareo ny tena mba mahagaga ahy sy mahatalanjona ahy ary ny manitikitika ahy dia ny resaka teny hoe dia ahoana no tonga dia nahaizan-draolombelona niteny?
    Tsy miresaka ny ao anaty baiboly resaka babylone sy adama sy eva fa ny resaka siantifika.

    @io ny teny samy manana ny azy ny firenena. Dia ao anaty firenena @io mbola misy karazany maro.
    mahavariana...

    Nampidirin'i maintikely 27 Feb 2008, 10:34
  11. Manao ahoana i DadaRabe ! Elaela tsy tazako teto, hay nanomana lahatsoratra mafonja dia mafonja, hi hi. Antenaina fa mahita mangirana daholo izany izao izay (izahay :-P) rehetra amin'ilay ady hevitra malaza hoe "Afrikanina ve ny gasy ?".

    Hitako tary amin'ny blaogin'i sazykely ilay hoe taggee ! Ny atao hono (fa tsy voatery a) dia milaza tsiambaratelo fito amin'ny lahatsoratra iray. Izaho moa nanondro an'i DadaRabe hanao azy io :
    Jereo eto ... dia mba nanantena hoe hanome ny tsiambaratelon'ny asa soratra kanto i DadaRabe, hi hi hi !

    Nampidirin'i pissoa 27 Feb 2008, 11:45
  12. ok! misaotra dadarabe a! ande ho any borneo aho fa mety misy havanay any zany kono! tena lalina ny fahaizan'ny zanak'olombelona zavtra bitika indrindra iny dia hahafahana manamporofo ny fiavin'ny olona iray! tohizo ny fikaroahana dadarabe fa mahaliana a! asio tonokalo ihany tsindraindray Nampidirin'i news2dago 27 Feb 2008, 11:50
  13. hay kay za zany vazaha e lol

    Nampidirin'i sazykely 27 Feb 2008, 13:14
  14. misaotra e!

    Nampidirin'i news2dago 27 Feb 2008, 13:20
  15. Ikalamako ! ary dia saika tsy tafafoha aho ny maraina fa mbola variana tao koh !
    NIfoha tsara ny maraina anefa ?

    Tsikisariaka> Tadidinao moa ilay resaka lavabe momba ny teny malagasy indray harivariva n'ny volana desambra iny ?

    Lap> Afrikana ve ny gasy tokoa ?
    HOy aho hoe misy fiaviana afrikana. Kanefa mipetraka ihany ny fanontaniana hoe : anfrikana ve ?
    Misy fiaviana avy any indonezia. Fa mino aho fa tsy Indoneziana isika.

    Maintikely> andraso hoe hamaly anao aho fa nanana cours lavabe momba ireny izahay tamin'ny nanao antrhopologie biologique ary izaho mihitsy raha tsy diso aho no nanao exposé saingy mbola ho tadiaviko.

    Pissoa> ie, nojereko ilay "rohy". Andrazso fa hodinihiko indray ilay hoe "secret". Misy hira izay manao hoe "isekely no mba secret-ko. Tsy lazaiko an'iza n'iza" (Mahaleo)

    News2dago> Tena mba ilazao vaovao aho rehefa avy any Bornéo ary ianao fa izaho koa mba liana.
    Ie, ny tononkalo ho avy ihany saingy nihisatra kely tao ho ao.

    Sazykely> ie, angaha tsy fantatrao fa vazaha ianao ? vazaha miteny gasy.

    Nampidirin'i DadaRabe 27 Feb 2008, 15:02
  16. misaotra sahady dadarabe a! za tsy nanao anthropo tsinona ;)

    fa ny tena tiako ho fantatra anie dia ahoana no nampiteny tampoka ny olombelona?Satria taloha toa tsy nahay niteny fa nifampiresaka @fihetsika. Mahavariana

    Nampidirin'i maintikely 27 Feb 2008, 15:58
  17. gravy be ry DdRb ity drogin'ny teknolojia ity, toa mahita afitsoka foana rehefa tonga eto dia tsy mahita alina hihamaraina. Fa en forme kah ! Tamin'ny 9 vao nifoha fa mbola tsy mianatra ny mpianatra :-P
    Dia mba lazao ihany ry DdRb raha hitanao hoe firy taona no nanavatsavan'izy ireo ilay ranomasimbe 400km nahatongavany taty fa mahavariana ahy mihitsy. Tsy maintsy nisy escale aloha izany e, fa na izany aza, lakan-jejo ange no moderna tamin'izany e, ny zahatra no mety tena fampiasa andavanandro...

    Nampidirin'i ikalamako 27 Feb 2008, 16:21
  18. Woaw ! Tsara be ity fanazavan' i DadaRabe ity, sady pratika !
    Dia tonga soa eto amin' ny sehatry ny fikarohana DNA ry DadaRabe a.
    Miampy iray indray izany ny ekipan'i LhlTsr ! ... hihihi ...
    Ilazalazao rehefa ho any Borneo i DadaRabe fa tsy dia lavitra anay ao.
    Dr Rafidy

    Nampidirin'i lehilahytsyresy 27 Feb 2008, 18:20
  19. DadaRabe : OK !
    Ary raha azoko tsara izany, dia sady tsy Afrikanina isika no tsy Indonezianina fa Malagasy - hi hi ! Yep :-P

    Lehilahytsiresy : Ary izay vao azoko ilay teto ! hi hi hi.

    Nampidirin'i pissoa 27 Feb 2008, 18:58
  20. Maintikely>

    Be dia be mihitsy ny théorie momba an'ny fiandohan'ny fitenenana.

    Misy ireo milaza fa mutation génétique ilay izy. Par seléction naturelle (Baldwin effect)jereo (http://www-leibniz.imag.fr/Apprentissage/Publications/Effet_Baldwin.pdf)

    Ireo homo erectus sy homo habilis dia efa nanomboka afaka niteny (misy ilay aire de Broca sy aire de Wernicke ialina amin'ny fahazahoana sy fahafahana miteny)
    Ny Néandertal dia tsy hay hoe niteny ve (mbola ady hevitra be.

    Ny ankamaroan'ireo siantifika dia milaza fa tany amin'ny 40.000 taona tany aloha tany no nanomboka niteny ny olombelona.

    Mbla maro ny fifandirana momba ireo rehetra ireo ary mitohy foana ny fikarohana.

    Nampidirin'i DadaRabe 27 Feb 2008, 21:56