Adala hoy aho (Tononkalon'i Pissoa)

Nampidirin'i dadarabe | 29 Jan, 2008


Adala hoy aho ny manina,
Adala ... matihanina !
Fa na ny alina mikitroka
Na ny andro mibalika
Na ny hariva misariaka
Dia taratra, mandifotra
Ny masony jambena
Ny maitso - fotsy - mena.

Adala tsy ho sitrana,
... Sa adala manam-bintana ?
Fa ny rano mikoriana
Eny andohasaha eny,
Heveriny ho miteny !
Fa ny tena mahasondriana
Dia mpitondra hafany hono
Iry volana eny ambony.

Adala mora jemby,
... Sa adala very remby ?
F'iry tendrombohitra aza
Tiany atao ampihimamba !
Raha azony natao angamba
Efa novidiany, ho azy ;
Fa eny hono mety ho tazany
I Gasikara tanindrazany.

Adala hoy aho ny manina.

Pissoa (27 Janoary 2008)