HIARAKA HANDRESY !

Nampidirin'i dadarabe | 27 Jan, 2008


Dinidinikay sy I Madagasikara manokana.

DdRb

HIARAKA HANDRESY !

Raha sitrakao…

Hiaraka isika !
Hiroso sy hiampita,
Hisaina sy ho fetsy,
Hiaina sy handresy.

Hanosika ny hatsiaka,
Hamakivaky riaka,
Hisedra haizim-pito,
Hitsena ny ampitso.

Ka ny fanantenana
Sy herim-po mafana,
Finoana tsy mirona
No ainga hilofoana.

F’ianao no lalaiko,
Ianao no hajain’ny saiko,
Ianao no firavako,
Ianao no hany fitiavako…

…Ry Madagasikara !

DadaRabe
Saint Pierre et Miquelon
27/01/08  12:04


19 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "HIARAKA HANDRESY !"

  1. tsara izany ainga panahy izany! rehfa @ fotoana toa inona ianao no manoratra e?

    Nampidirin'i news2dago 27 Jan 2008, 18:00
  2. Misaotra news2dago à
    Tena mangatsiaka ny adnro eto dia tsy mivoaka ny trano dia...Lasa saina irery eto é!
    Dia...manoratra :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 27 Jan 2008, 19:39
  3. Mahereza e!

    simp

    Nampidirin'i simp 27 Jan 2008, 19:54
  4. Sambatra i Madagasikara !

    Mazotoa DadaRabe

    Nampidirin'i pissoa 27 Jan 2008, 20:32
  5. Simp> Mifankahery é!

    Pissoa>
    Hiadana sy ho finaritra
    Hé sambatra tokoa izahay !

    Nampidirin'i DadaRabe 27 Jan 2008, 21:15
  6. ho tanteraka anie izany tokoa !
    Mba ho maro anie ny DadaRabe, mino, manantena, matoky ary miezaka tokoa !!! Fa ny anay ny finiavana misy toy ny an'ny sahona fa ny hoza-pe no asa raha hahalasa lavitra. Mahereza DadaRabe a!

    Nampidirin'i ikalamako 27 Jan 2008, 21:42
  7. Ny fitiavana dia ao anatin'ny fo anie r'Ikalamako fa tsy mila hoza-pe é! Sa ahoana ?

    Mahereza é!

    Nampidirin'i DadaRabe 28 Jan 2008, 02:26
  8. Mankasitraka hatrany amin'ny iangam-panahy.

    Arabaina koa tratry ny taona o. Bonane anao, DadaRabe.

    Nampidirin'i soanja 28 Jan 2008, 06:34
  9. hiaraka isika
    na tomany na sariaka
    hiara-hizaka ny mafy
    f'efa vono-kihafy

    dadarabe sy gasikara ireo an

    Nampidirin'i sazykely 28 Jan 2008, 07:27
  10. ampiko kely hoe: Zanahary ô tahio ny tanindrazanay... dia tena feno tanteraka ilay tononkalo :)

    Nampidirin'i maintikely 28 Jan 2008, 08:59
  11. Voaray ilay tononkalo fa misaotra e !

    Firaisan-kina na mafy, na sarotra, na soa, na mangirifiry an !
    Dia ho lavitry ny ady an-trano ! Jereo ange i Kenya e ! Mba ento am-bavaka io firenena io re olona o fa dia mijaly e !

    Ao amin'ilay blog keliko misy KAm amin'ny teny malagasy voalohany !

    Veloma daholo e,

    O.H.

    Nampidirin'i RAMANATANTARA 28 Jan 2008, 10:02
  12. ny aty zao ny rivodoza no mamely!

    Nampidirin'i news2dago 28 Jan 2008, 10:55
  13. Tena fotoanany tokoa izao !
    koa dia mitondra am-bavaka ny Tanindrazana sy ianareo havana sy namana, mpiray tanindrazana koe e !

    Amiko aloha na misy aza ny vola sy ny enti-manana rehetra hanatontosana ny atao, raha TSY ARAHINA VAVA-PITAHIANA sy FISAORANA dia zava-poana daholo e !

    Koa mampahery e !

    Veloma ao e,

    O.H.

    Nampidirin'i RAMANATANTARA 28 Jan 2008, 11:31
  14. Soanja> Tratry ny taona Soanja à
    Misaotra é ! Vaovao any aminao ?

    Sazykely> ie, hiaraka eny foana izahay sy i Gasikara é! Raha mety izy ;-p

    Maintikely> Oay ! nifanojo ny eritreritra ry Maintikely. Saika ataoko hoe "zanahary ô..." ilay teny ery ambony (eo ambanin'ny hoe blaogin'i DadaRabe.

    news2dago> Hitako tokoa ilay rivo-doza Fame iny. Miaraka am-bavaka é

    Ramanatantara> Efa nijery tao sy nametraka hafatra é

    Nampidirin'i DadaRabe 28 Jan 2008, 12:45
  15. Raha tsy mamaky hatramin'ny farany, ka mahita ilay hoe ...Ry Madagasikara ! , dia mahita fitiavan'olon-droa mamy be koa amin'ilay tononkalo, ankoatra ny fitiavan-tanindrazana ! hi hi.

    Nampidirin'i pissoa 28 Jan 2008, 18:05
  16. Indraindray ry Pissoa anie ny tonokalom-pitiavana dia mety hisy dikany maro é! (fitiavana'olon-droa, fitiavana an'Atra, fitiavan-tanidrazana, sns) saingy ilay mpamaly no maka azy amin'itiavany azy.
    ie, ny amin'io aloha mazava ilay farany é!

    Indraindray aho rehefa mihaino hira dia raisiko amin'ny andraisako azy. Tafaresaka aman'olona avy eo, kay hafa ny azy no heviny. :-)

    Ilay hevitry ny mpamoron-kira no tsy fantatro!

    Nampidirin'i DadaRabe 28 Jan 2008, 19:01
  17. fanamarihana :
    Ilay "mpamaky" no tiako ho lazaina eo ambony fa tsy "mpamaly".

    Nampidirin'i DadaRabe 28 Jan 2008, 19:03
  18. dadarabe: hihihi nifanojo marina ny eritreritra :)

    Nampidirin'i maintikely 29 Jan 2008, 14:37
  19. MAintikely> ;-p

    Nampidirin'i DadaRabe 29 Jan 2008, 14:55