VELOMA VETIVETY (28/11/07)
Nampidirin'i dadarabe | 28 Nov, 2007Miarahaba,
Efa hadivadiva hifarana ity ny taona 2007. Ho avy ny krismasy, ny taom-baovao.
Mametraka veloma vetivety amintsika namana mpisera tsy an-kanavaka eto amin'ny blaogy.com.
Tsy afaka misera aho ato ho ato fa hivadika kely any Madagasikara.
Tsy hanao lavaresaka aho fa dia mirary krismasy sy taom-baovao sambatra ho antsika rehetra. Amin'ny volana janoary indray mifankahita é!
Samia ho tahian'Andriamanitra !
DadaRabe
Sambatra letsy ianareo afaka manana fotoana hanaovana taom-baovao any Madagasikara.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 30 Nov 2007, 03:41Soava dia ary e. Mirary krismasy sy taom-baovao sambatra e.
Dia ilazalazao vaovao tsara isan-karazany rehefa tafaverina soa aman-tsara e.
Somary diso fanoratra aho tetsy ambony. no tiako nosoratana fa tsy "soava" fotsiny.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 30 Nov 2007, 03:44(Mihinam-bary aza hono misy latsaka e.)
Haingana ry Lalaina any anaty valizy a ! kely sisa ny fotoana.
Nampidirin'i Tsikisariaka 30 Nov 2007, 12:13DdRb > Kay ve na ny an'ny tena aza dia mety ho lasa spam koa e !
Nampidirin'i Tsiks 30 Nov 2007, 12:20ie, mety ho lasa spam mihitsy !
Izay ary ry zareo fa izay aho vao tena lasa vetivety !
MIrary ho tratry ny krismasy sy ny taona vaovao ho antsika rehetra :
DadaRabe
Nampidirin'i DadaRabe 30 Nov 2007, 23:09Miandry ny fiverenanao ny tarika e ! ka raha toa sendra etsehin'ny fanahim-blaogy eto Dago dia mitsidiha hatrany... (izaho mino)
Nampidirin'i Tsikisariaka 03 Des 2007, 15:29Mirary soa e !
ts aleonao mandaloa ty aminay iii
Nampidirin'i zandrikely 13 Des 2007, 10:03