MANJA BE NY MASONAO (Valin-tononkalon'i Tiana Valisoa @ tononkalon'i DadaRabe NY MASONAO)

Nampidirin'i dadarabe | 13 Nov, 2007


Manja be ny "masonao", maha-te hihirahira
Tononkalo feno hery
Manja be ny "masonao", sady mamy no masira
Manamaivana ny fery.

Rakotr'ando izao ny masoko, vontovonton'ny tomany
Nofefena tsy hijery
Ankehitrio anefa liana, te-hahafantatra izany
Olon-tiana, tsy irery.

Tiana Valisoa
Jolay 2007



NY MASONAO...

Ny masonao no hitarafako
Ny ampitsoko tsy fantatro,
Ary ireo no hibanjinako ny lalana hombako,
Sy ny savorovorom-piainana tsy afaka raràko,
Izy no aiko,
Ka lazaiko.

Ny masonao no masoandro,
Manazava ny atoandro,
Sy ny alina mangina izay mibaby nofy mamy,
Sy ny fiainako sondriana ary manantena hatrany,
Satry foana!
Ho eo an-taona !

Ny masonao no hitsiloako
Ny haizim-pito tato am-poko,
Ka nanjary fifaliana no nameno ny tontolo,
Safononoka sy mihira antsa mirana daholo,
Voninkazo,
Tsy halazo.

Ny masonao no hany mamy,
Ka na ho maizina ny androany,
Dia hinoako sy antenaiko fa ho rahona mandalo,
Toy ny sery izay manembana ny vazo sy ny kalo,
Manavao...
Ny masonao !

DadaRabe
Aix-en-Provence
12/12/02  20 :23


23 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "MANJA BE NY MASONAO (Valin-tononkalon'i Tiana Valisoa @ tononkalon'i DadaRabe NY MASONAO)"

  1. Misaotra an'i Tiana Valisoa amin'ny tononkalo mahafinaritra.

    Miandry teny avy any aminao.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 13 Nov 2007, 21:43
  2. ary ahoana izahay kati-maso :-P
    tsy mba hisy hanao tononkalo izany fa efa maso tavoahangy k'ity!
    clap clap clap ho an'ny poety rehetra!!!

    Nampidirin'i ikalamako 13 Nov 2007, 21:59
  3. Ikalamako : raha mety mi-consoler an'i Ikalamako dia hatraty io kati-maso e, hi hi hi.

    Manja be ilay tononkalo !!!

    Nampidirin'i pissoa 13 Nov 2007, 22:04
  4. Mahery ianareo ê! Mahavalalanina ny mamaky ny sasiny sy ny setriny... tsara ny teny malagasy.

    DdRb, ary ahoana ihany no nihafaran'ny resaka hoe asiana lohahevitra momba ny "sakafo ara-pahasalamana"? sa moa efa misy fa izaho no tsy mahita?

    Tsarà!
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 13 Nov 2007, 22:56
  5. O ry Ikalamako ô ! Ny hakanton'ny maso anie ka fijery tena subjectif é! Rehefa hitanao hoe tsara iny na iza na iza, na mifoha aza i papa joany paolyII, ka hilaza mianao hoe ratsy...Manga ny lanitra, mena valala, izay tiana malala. Sa ahoana ?

    Oadray ry Pissoa ! sahala amin'ny hoe tsy hitako ny masonao. Tsara é!

    Ryana ! Tonga dia alefaso aty amiko ilay recette-nao dia ampidiriko amin'ny Rubrique vaovao.
    Recette n'i Ryana :-)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 14 Nov 2007, 12:07
  6. Ny masoanao mijery ahy
    No hahalako ialy fitia
    Ankoatra ny nofinofy...
    Ankoatra ny eritreritreritra

    Mazotoa daholo

    Nampidirin'i tsiky 14 Nov 2007, 16:14
  7. Tsiky >> Ntsôôooo !

    VERY TANY ANKOATRA TANY !

    Ny masonao nijery ahy
    No nandrehitra ny foko ho afobe mijoalajoala,
    Nientanentana fanahy
    Toy ny vanton-jaza iny aho, angamba tena lasa adala !

    Ny feonao mandangolango,
    Nampangotraka ny rako, hihazakazaka aok’izany,
    Zary toy ny rapa-dango
    Ny fiteliko ireo teny atosakao...mihamamy hatrany !

    Ny endrikao misaridriaka
    No masoandro manazava ny ao anatiko tontolo,
    Toy ny vola-manjopiaka,
    Ka ny fiainako rehetra toa voataratrao daholo.

    “Tiako ianao?, hoy ianao,
    Teo no naharendrika ahy...very tany ankoatra tany,
    Asidim-pifaliana aho...
    K’angamba hijanon’eny ambony, tsy hiverina eto an-tany !

    DadaRabe
    La Charité sur Loire
    06/05/06 12:37

    Nampidirin'i DadaRabe 14 Nov 2007, 17:02
  8. Tsara ê!
    Indraindray koa, andrandraina sy maharendrika na dia topimaso tsy nahy aza...

    HAHITA ANAO

    Misy trangam-piainana
    Tiana horaiketina, havadika ho teny;
    Nefa tsy hay lazaina,
    Vahotra ny tànana, sarotra izy ireny!

    Tsy hisy teny akory
    Hilaoka, hanambara ny ao anaty fo;
    Ny maso no hitory,
    Hamboraka, hizara fa ... satry raha ho to!

    Fotoana fohy ihany
    Nefa hanamarika ny fiainako tontolo;
    Handrotsy ireo vinany,
    Hanadala ny saiko... ny nofiko hiova volo!

    Na dia tsy fantatro aza
    Ny mety hoe tianao sy ny zavatra iriana;
    Ataoko ho sahaza
    ny topimasonao... Na dia hoe tsy niniana.

    Ryana
    (08/09/05)

    Nampidirin'i Ryana 14 Nov 2007, 17:30
  9. Mahafatifaty 'zato izy Ryana ô !

    Ity misy hafa !

    IANAO ANGAMBA…

    Ny masonao angamba…
    alaiko an'eritreritra,
    dia habakaba-manga,
    mazava, ts'isy herika.

    Ny tsikinao... inoako
    fa toy ny volan-tsinana,
    marevaka tsy miofo,
    sariaka sady mirana.

    Ny endrikao...mino aho
    fa tara-pahazavana,
    k'izao tontolo izao
    tolorany hafanana.

    Ireny molotrao,
    Tantely... tena mamy,
    toa voninkazo vao
    ka manitr'aok'izany.

    Fa ny ao am-ponao ao,
    tsy haiko mba fantarina,
    'reo nofinofinao....
    Mba satriko takarina.

    DadaRabe
    Marseille
    12/06/01 18:58

    Nampidirin'i DadaRabe 14 Nov 2007, 18:00
  10. za miala tsiny aminareo namako fa na manoratra tsindraindray aza tena tsy maty hanona @ io resaka iray io...
    Tohizako ny hira miresaka maso mahalasa vetsovetso..

    Maso sendra nifanopy
    Tsiky nitsilopilopy
    Taratra manify
    Miteraka hazavana
    Hameno hafanana
    Ireo dia mpy andraisako anao..

    Nampidirin'i tsiky 14 Nov 2007, 19:07
  11. isekely ihany no fitaratra
    itarafana ny fiainana
    na ny masonao
    na ny tsikinao
    manome fanantenana

    Mahaleo

    Nampidirin'i DadaRabe 14 Nov 2007, 19:58
  12. Maso miherika foana
    Tsiky miantefa tsy fidy
    Eritreritra sendra tsaroana
    Toa votsy mampangidihidy

    Erick Manana

    Nampidirin'i Ryana 14 Nov 2007, 21:35
  13. DadaRabe===> "very tany ankoatra tany" : soa fa nanao mason'akoho ilay maso, nibareraka ilay feo dia nimototra ilay endrika dia mba tafaverina soa tety an-tany ianao, fa raha tsy izany angamba dia asa ! Iza angaha no saika hampihaingo ny blaogy.com-nay raha tavela nasidim-pahafaliana teny ambony teny ianao ?
    Ry zavavy izay o, aza dia charmer-na loatra i DadaRabe fa manjary mangina ny blaogy :-P

    Nampidirin'i ikalamako 14 Nov 2007, 22:13
  14. hahahaah
    marina ny an'Ikalamako.

    Nampidirin'i Ryana 14 Nov 2007, 22:25
  15. ha ha ha ! mihomehy takariva an-tanin'olona aho ity rankizy !

    ie, niverina aho fa nahita anareo niresaka teto dia tsy naharitra (tadidinareo ve ny tantaran'Ikotofetsy sy Imahaka ? ilay nahandro sakafo dia ny iray lasa tany an-danitra tany ?)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 14 Nov 2007, 22:59
  16. O ry izy miravavy a,ao ho tanana tsara @ io volombavany io aza io zoky lahy io tsy haniditsidina any alavitra any e!
    telo tsika no maso efatra eto zany kanoa

    Nampidirin'i tsiky 15 Nov 2007, 08:59
  17. Ahoana indray izany volom-bava izany ry Tsiky ô !
    Marivo faka anie ilay volom-bava é! ndrao dia maratra ilay tompony ! Tandremo rey olona

    DdRb

    Nampidirin'i Dadarabe 15 Nov 2007, 12:00
  18. tsiky a, sady ilaozany mihomehy irery takariva an-tanin'olona ka sao lasa indray. Ny masontsika "efatra averina intelo" manko tsy asiany sira intsony fa tsisy raha taratra intsony ao, fa dia tady mahazaka no ilaina angamba...:-P

    Nampidirin'i ikalamako 15 Nov 2007, 14:45
  19. Vitsika momba kitay hono ka harivariva an-tanin'olona ry Ikalamako.

    Izay izany ilay :
    Tady vita fatomaty
    no mamehy antsika roa
    izaho te handeha
    ianao mivadika atsy
    tsy mety izy fa miha-henjan-droa
    (Lolo snt)

    Nampidirin'i DadaRabe 15 Nov 2007, 15:10
  20. Ny masonao no itiavako iny habakabaka iny
    sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga

    HOy Dox

    Nampidirin'i DadaRabe 15 Nov 2007, 15:22