L'AMOUR

Nampidirin'i dadarabe | 17 Aog, 2007

Même si l'amour
Ne serait pas pour toujours,
Essaie quand même de pouvoir...
Espérer et de croire...
Pas au simulacre,
Mais au miracle.

Car l'amour est sacré,
L'amour peut sauver
Un âme qui déambule,
Un esprit qui recule,
Et la vie sera meilleure...
Et l'amour deviendra...le bonheur.

DadaRabe
St Pierre et Miquelon
17/08/07

20 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "L'AMOUR"

  1. Hono hoy aho DadaRabe, Afaka mba manao tonokalo iray momba ny fitiavana be (loatra) nefa tsy mitaky fitiavan-tena ho ahy ve ianao?
    Misaotra mialoha raha toa ka ho to izany. Raha tsia dia misaotra ihany koa nanome ahy fahafahana hangataka zavatra iray avy any aminao.

    Nampidirin'i soanja 18 Aog 2007, 01:45
  2. Andraso ary Soanja à !
    Hanaovako ianao.
    Saingy hazavao tsara fa tsy tena azoko ilay "sujet" :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 18 Aog 2007, 02:11
  3. Soanja ! Ity ilay tononkalo.

    FITIA TSY TIA TENA

    Raha fantatrao ny halalin’ny fitia,
    Tsy manam-piafarana, ao anatiko ao,
    Tsapako mifikitra sy maka faka ery,
    Mirehitra doria, miantefa eny aminao !
    Tsy hefako lanjaina !
    Tsy haiko tantaraina !

    Ny masonao mibanjina, mijery tsy mikimpy,
    Ny tsikinao manintona…diavolana mazava !
    Satriko hitoetra, tsy handositra hidify,
    Fa ho mandrakizay…maraina lalandava !
    Mangovitra ny aiko !
    Fa eo ianao lalaiko !

    Kanefa anie ry tiako ! tsy izany ny eto an-tany !
    Tsy hoe izay tiako ihany f’indrindra izay anao,
    Satria olon-droa no hiaraka hatrany…
    Izay sitrakao ry tiana fa ny ahy anie dia izao :
    Fitia tsy mba terena !
    Fitia tsy tia tena !

    DadaRabe
    St Pierre et Miquelon
    18/08/07 14:47

    Nampidirin'i DadaRabe 18 Aog 2007, 17:52
  4. DadaRabe o!
    Misaotra indrindra. Tena tiako tokoa sady azoko lazaina fa mahalaza azy tsara.
    Ilay fitia tsy hita fetra mantsy no takiako sy jerena, nefa indrisy fa rehefa manjaka loatra io dia zary mampijaly sy mampahonena.
    Azoko ampiasaina ve ny tonokalonao. Tiako ampiasaina ho an'ny asasoratro fa ny anaranao kosa no hitoetra hiaraka aminy sy handravaka azy.

    Nampidirin'i Soanja 20 Aog 2007, 03:24
  5. Tantarao ahy fotsiny é !
    Mazotoa Soanja à !

    Nampidirin'i DadaRabe 20 Aog 2007, 11:34
  6. Ary hono ho'aho ry Soanja azoko angatahina tononkalo ve ianao ?

    Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2007, 16:03
  7. Tonokalo izay tianao. Ianao no manao azy. Na rehefa tsy ianao dia izay misy é!

    Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2007, 17:29
  8. DadaRabe,
    Tsy mahay mikalo ny havanao saingy kosa afaka mamoaka embona ihany fa tsy mirindra toy ny anao.
    Inona no tianao ho heno ho ventsoiko avy aty amiko.
    Andraso anie!
    Tadidinao ve ilay tany Ambre?
    Mbola zaza aho tamin'izay. Tohizo anie de tohizako e!

    Nampidirin'i soanja 22 Aog 2007, 12:19
  9. Hanadrana ary aho ry Soanja fa tohizo an !

    Tadidinao va re isika tany Ambre ?
    Angamba izy izay volana desambra !
    Andro fahazaza, tantara tsy hadinoina
    Lasa fahatsiarovana tsy afaka soloina.

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Aog 2007, 12:43
  10. Tohizako ndray,

    Natiora feno fahendrena
    Hatanorana toa mahajambena
    Endrika mitsiky lavorary
    Teo afovoan'ireo maitso lafatra voary.

    Nampidirin'i Soanja 28 Aog 2007, 03:30
  11. Mitohy ihany Soanja à ! (manja be)

    Ary injao tsaroako ny rivotra nitsoka,
    Ny orana nikija, injay nijononoka,
    Isika anie tanora, nifalifaly ery !
    Kanto anie ireny, mbola tsaroako aty !

    Anao indray !!!

    Nampidirin'i DadaRabe 28 Aog 2007, 11:26
  12. kotro-baratra naneno
    tsy nampihotsona ireo izay feno
    varatra sy rivotra mifofofo
    vao maika nampisy hery mitorajofo.

    Anao ndray! mahafinaritra mihitsy ka!

    Nampidirin'i soanja 28 Aog 2007, 17:36
  13. eo ary é!

    Gidro maromaro teny an-drantsankazo,
    Niantsampitsampy tanaty ravinkazo
    Isika dia variana, fo tanora adala !
    Niaina ny tontolo, tsy an-kisalasala.

    Anao indray izao Soanja à!

    Nampidirin'i DadaRabe 28 Aog 2007, 19:41
  14. "Handeha ho aiza isika ity?"
    hoy izahay mirahavavy niaradia
    "tohizo hatrany hatra-ery"
    Hoy nareo roalahy nikarajia.

    Misaotra hatrany manohy, DadaRabe o!

    Nampidirin'i Soanja 29 Aog 2007, 04:45
  15. Ho aiza tokoa moa ? efa ela izany !
    Toa manjavozavo any an-tsaina any,
    Ny tena tsaroako, isika nandeha tongotra;
    lavitra ny lalana, ny aina saika niongotra !

    Tohizo foana Soanja ô !

    Nampidirin'i DadaRabe 29 Aog 2007, 12:32
  16. Tamin'izay tokoa no nisy fahasimba ny fiara
    Nidina daholo fa saika nipotsaka ny kodiara
    Nandeha tongotra tsy ankijanona
    Nanamafy ilay finamanana mba ho vanona.

    Nampidirin'i soanja 29 Aog 2007, 17:20
  17. Ilay fiara SG4 nanary antsika an-dalana
    Dia teo samy nanovoka nandeha nanohy ny lalana
    Tsy tonga an'i Arrachart dia naka aina kely
    Tanora maitsovolo isika tam'reny

    Nampidirin'i DadaRabe 29 Aog 2007, 17:23
  18. Ary mba nankaiza Ikala namanao ?
    Tena tsy heno intsony mihitsy hatram'zao !
    Lasa nitety tany ? sa nankaiza re ?
    Raha mba fantatrao ! lazao ihany anie !

    Nampidirin'i DadaRabe 29 Aog 2007, 19:03
  19. Nihaona tany Antsirabe izahay tamin'ny taona lasa. Voaresaka daholo ny tafasiry sy ny kinasa. Nody an-tanindrazana izy hamafy hatsarana. Hanome antsika fahafinaretan'ny maso misy firindrana. Tohizo hatrany ny tonokalonao fa mahafinaritra ny saina sy manome aina. Mankalaza! Soanja Nampidirin'i Soa 31 Aog 2007, 06:10
  20. Izay aloha Soanja fa hamika kely any Dago aho à! iza no mahalala raha mandalo any Ambre !
    Mandalo avaratra aloha é!

    Nampidirin'i DadaRabe 31 Aog 2007, 22:02