TENTATIVE DE SUICIDE ???

Nampidirin'i dadarabe | 8 Aog, 2007
  

Miarahaba,

 

Hiresaka kely momba ny atao hoe « Tentative de suicide » na TS hoy ny mahazatra eny amin’ny hopitaly isika. Azo adika tsotra amin’ny hoe « Famonoan-tena » izany ary ataontsika hoe FT. Matetika ny FT dia fikatsahana hiala amin’ny vesatra tsy zaka eo amin’ny fiainana noho ny fianjadian’ny adin-tsaina.

 

Misy eo amin’ny 1 tapitrisa isan-taona ny olona maty noho ny FT. Betsaka noho ny isan’ny olona maty noho ny famonoan’olona sy ny ady izany. Ny tena maro amin’ireny dia ny FT ataon’ny tanora. Hita amin’ny taona rehetra anefa izany. Manomboka amin’ny ankizy ka hatramin’ny antitra. Ny lahy sy ny vavy.

 Inona no antony mety ahatonga izany ? 

Ahitana izany ny olana rehetra mety hitranga amin’ny fiainana : fisarahan’ny mpifankatia, olana amin’ny asa, fahafatesana, fahantrana, sns. Misy koa aza fomba amam-panao sy fivavahana izay mety hampirongatra izany : ny Hara Kiri n’ny japoney ohatra. Ny tena maro indrindra anefa (90%) dia ny FT noho ny aretin’ny saina (maladie psychiatrique). Marihina amin’ireny ny « Dépression », ny Fisotroan-toaka sy ny fibobohana zava-mahadomelina, ny « névrose » isan-karazany, ny « mélancolie » ary koa ny « Schizophrénie ».

 

Mazàna dia ahitana olona efa nanao FT ao anatin’ny fianakavian’ireny olona manao FT ireny. Misy antony maro tsy hivalamparana eto izany. Ao ny lafiny ara-tsosialy, ny ara-koltoraly, ary koa ny lafiny génétique.

 

Ny ¾ n’ny olona manao FT no maty tokoa noho izany. Ny tena fahita eny amin’ny hopitaly dia ny fibobohana fanafody. Misy koa anefa mampiasa fomba samihafa (basy, antsy, mananton-tena, mitsambikina avy eny amin’ny toerana avo, sns.)

 

Azo adika hoe « filàna vonjy » ny FT. Mety koa ho fialana amin’ny vesastry ny adim-piainana.

 Inona no tokony atao hisorohana izany ? 

Avy amin’ny fifamahofahoan-javatra maro ny FT. Ao ny ara-tsosialy, ao ny adin-tsaina manokana sy ny zavatra hafa ihany koa. Mila fantarina izany antony izany mba ahafahana misoroka, ary koa hialana amin’ny famerenana (récidive). Mila ezaka avy amin’ny fanjakana, avy amin’ny toera-pahasalamana, any an-tsekoly, ao anatin’ny fianakaviana izany. Raha atao bango tokana dia andraikitry ny daholobe.

 

Ny fisorohana ny « famerenana » kosa dia tena zava-dehibe tokoa. Mila mahay mihaino, mandray tsara, tsy mitsara ilay olona manao FT (Rehefa vita ny vonjy aina). Ny olona nanao FT dia tokony hanao « consultation psychiatrique » satria miankina amin’izany ny ho avin’ilay namono tena.

 Ahoana ny ho avin’ny olona nanao FT ? 

Ny 10% n’ny olona nanao FT dia maty noho ny FT, folo taona aty aoriana. Ny 90% izany dia velona soamantsara.  Averiko indray : mila fanaraha-maso ataon’ny psychaitre ireny olona ireny.

 

Misaotra anao naharitra namaky hatramin’ny farany. Raha manana hevitra na efa nahita izany olana izany ianao dia aza misalasala manome hevitra.

  

DadaRabe (Psychiatre/Anthropologue)

St Pierre et Miquelon

08/08/07

  

2 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "TENTATIVE DE SUICIDE ???"

  1. misaotra an'i dadarabe mizara fahalalana.

    Nampidirin'i ikalamako 09 Aog 2007, 00:34
  2. Tsy misy isaorana Ikalamako à! Asa isan'andro iainana izany. Rehefa miasa eo ny tena dia lasa saina indraindray hoe "misy raha la terre !" (hoy ny any avaratra). Ny zavatra tsy tokony atao dia ny mi-banaliser ireny FT ireny.

    Tsy ho avy amintsika anie izany !
    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Aog 2007, 01:10