ILAOZAKO NY ATY

Nampidirin'i dadarabe | 3 Aog, 2007

Handeha aho ka mametraka veloma aminao,
Tsy sitrako kanefa izany no efa anjara,
Satria ny lalantsika dia sampanana hatrizao,
Ka tsy ho asiana nenina fa vita toa tantara ;
Tantara fohy dia fohy,
Tantara tsy mitohy,
Niarahana nitondra
Rahona sy onja,
Tsy nasiana dina na fefy ho arofanina,
Fa samy mba nigoka ny mamy tiany hohanina. 

Handeha aho nefa kosa tsy hametraka alahelo,
Tsy hitanisa avelo na aloky ny lasa,
Tsy hitodika ny omaly, tsy mba hamelovelo,
Na mbola hamerimberina ‘reo zavatra kinasa ;
Kinasa toa ho lava,

Kinasa nefa rava,

Ka verivery foana,
Natelin’ny fotoana,
Nanjavona hariva toa aloka nitoerana,
Nitsiaka toy ny rano, ka ritra tsy azo ferana. 

Handeha aho sao ho difotry ny fotaka mandrevo,
Mandady sy mirongatra, mandrakotra ny tena,
Hamatotra ny saina, hanindry, hanandevo,
Hamingana ny tongotra, handroba fandresena ;
Fandresena iriana,
Fandresena tiana,
Hiraraka am’tany,
Toa nofy fotsiny ihany,
Raha toa aho ka variana mifikitra tsy miala,
Mamono ny eritreritra, minia tsy mahalala. 

Handeha aho satria fantatro, f’ianao koa efa dify,
Tandindona no sisa mba tazako anoloana,
Fanala sy ny zavona ary rahona manify,
Milaza f’efa nihelina sy niova ny fotoana ;
Fotoana nandalovana,
Fotoana fahatsiarovana,
Niarahana nidola,
Nisangy tsy ho tola,
Kanefa dia nikatona toa varavaram-by,
Mametraka veloma aho f’ilaozako ny aty. 

Dadarabe

Marseille

7/07/00  22 :00



8 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "ILAOZAKO NY ATY"

  1. io ilay ataoko an'i dadarabe hoe "amin'ny voalohany ny fitia, hoatran'ny mahafinaritra ery...
    hihihi

    Nampidirin'i ikalamako 03 Aog 2007, 00:27
  2. Dadarabe a.Anaovy tononkalo aho.
    Mpiara miasa nifampijery foana izahay roa nandritra ny efa bolana, ary tena tara be tamin y aho ary izy ihany koa raha ny fiheverako azy, satria izy dia manao regard amoureux be ahy foana. ela loatra anefa ny fipaikany dia nampidiriko antsokosoko tao anaty kitapony ny numero n ny telefoniko hiantsoany ahy fa tara loatra aho(vehivavy aho io) dia tsy nantsoiny akory aho. Dia nony nadeha niasa dia nodiako fanina izy fa tsy niantso ahy nefa izaho mba efa nikoty azy nanao 1 er pas. Dia nony nanoa nody fanina taminy aho dia mba nody fanina koa izy? fa fitiavana inona loatra ary ilay fijery amoureux be rehetra ireny raha izany?? tsy azoko mihitsy.
    Misaotra e

    Nampidirin'i Ravaka 03 Aog 2007, 02:14
  3. Manao ahoana,
    Ilakamako> Izay anie ilay fiainana é ! misy fotoanany ny zavatra rehetra ety ambany masoandro. Nefa na izany aza... Mahafinaritra foana é !

    Ravaka>
    Andraso fa ho raisiko ilay sujet dia ataoko rehefa tonga ilay ainga.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 03 Aog 2007, 14:18
  4. Ravaka,
    Dia nanao enti-mody mihitsy aho tamin'ity indray mitoraka ity.
    Ity ary misy ainga iray.
    TANTARA MITOHY…

    Asa na ny masonao na ny endrikao sariaka
    No nanintona ny saiko,
    Fa ny finamanantsika, toy ny vola-manjopiaka
    Ka nanjary nolalaiko,
    Eo ianao,
    Eto aho…
    Tiako anie mba hifanena ny eritreritsika,
    Tiako koa raha ho fitia no hanjaka amintsika.

    Asa koa na ny fijery mety hanintona anao
    No niangaliako maso,
    Fa izaho nanjary nino fa tia ahy koa ianao
    Nefa feno andraso andraso,
    Teo an’aho,
    Teo ianao…
    Farany aho nanapa-kevitra haneho ny fitiavako…
    Farany aho nanoro anao ny ato anaty sy firavako.

    Asa re nahoana loatra ? Tsy namaly ny antso ianao,
    Rotika ny foko tia !
    Aoka ho modiako tsy hita, toa tsy misy tsotra izao…
    Ianao r’ilay fitia !
    Niova aho ?
    Niova ianao ?
    Tsia ! izaho tsy niova akory fa manofy foana anao
    Tsia ! Lazao sy hazavao ! Ny ahy ny foko lasanao !

    DadaRabe
    St Pierre et Miquelon
    03/08/07 21:01

    Nampidirin'i dadarabe 04 Aog 2007, 00:07
  5. andray dadarabe, misaotra beutsaka beuh...mahery ianao kah. Tena tsara beuh le izy.

    Nampidirin'i ravaka 04 Aog 2007, 04:27
  6. clap clap clap ry dadarabe.
    Atokisako mihitsy ianao ity an.
    Bonne chance akia ravaka a !

    Nampidirin'i ikalamako 04 Aog 2007, 09:28
  7. Tantara mitohy...ilay izy Ravaka dia tantarao anay ny tohiny é!
    Bonne chance !
    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 04 Aog 2007, 13:51
  8. NAnao ahoana ny tohiny Ravaka fa tsy henonay intsony ?
    Courage é !

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Aog 2007, 16:16