I KOTO SY I KETAKA (Tao an-tsekoly)

Nampidirin'i dadarabe | 8 Feb, 2013

I KOTO SY I KETAKA (Tao an-tsekoly)

- Haninona ry Koto ianao rehefa lehibe ?
Prezidà no ataoko, be vola io ramosé !
- Ary ianao ry Ketaka, mba inona no ho atao ?
Ho vadin-draprezy no tena tiako izao !

- Dia nona no atao mba ho prezidà ?
Manongam-panjakana ampian’i komandà !
- Avy iza re ny vola hanaovana an’izany ?
Avy any "bla bla” sy gasy be vinany !

- Dia politika ahoana no tianao hatao ?
Ilay mangorom-bola dia manana birao !
- Dia inona ary re no asa fandaharana ?
Manondrana hazoala f’izay no famokarana !

- Aiza ianao no hanondrana, moa azonao ambara ?
Any an-dafy ihany fa any be dolara !
- Dia inona no soritra sy tetika fitaratra ?
Mampirevy hatrany ! Ny ankizy tsisy mianatra !

- Dia ahoana ireo vahoaka tarihinao ry Koto ?
Omena revin-gadra na ny hendry na ny boto !
- Raha misy tetika hafa, lazao anay anie !
Mi-dance daholo ny kely sy lehibe !

- Ary ny an’i Ketaka lazao ny sitrakao ?
Mampiaraka am’i Koto, miankanjo vaovao !
- Dia inon’avy koa ‘reo hitanao fa mety ?
Volamena maro dia fiara be mirenty !

- ‘Ndeha mianatra ry Koto fa aza be hanihany !
Tsia ! tsy izany fa “revirevy” hatrany !
- ‘Ndeha mianatra ry Ketaka raha mba te ho tafita !
Tsia ! tsy izany f’aleo mamboatra bika !

DadaRabe
27/01/13


Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article