MIFANKATIAVA IHANY !

Nampidirin'i dadarabe | 20 Mar, 2009




Mifankatiava ihany
Raha mbola velona aina
Tsy misy toy izany ny mampifaly saina
Ny maty efa lasa
Tsy azontsika antsoina
Isika no mikasa
Ny ratsy hadinoina re
Ny maty efa lasa
Tsy azontsika antsoina
Isika no mikasa
Ny ratsy hadinoina

Koa raha tsy fotoana ela
No hipetrahana eto
Andeha re
Andeha re mba hifamela
Andeha hifamela mba tsy harahin-tsento
Mba tsy harahin-tsento
Andeha re(Andeha re)
Mba hifamela
Mba tsy arahin-tsento

Kalon'ny fahiny


14 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "MIFANKATIAVA IHANY !"

  1. mahafinaritra!
    saika hampidiriko anatin'ny lhtsrtro manaraka mits koa io :). nofinofy revirevy II hihihi
    misaotra dadarbe a

    Nampidirin'i Tokinao 18 Feb 2009, 21:09
  2. Tohizo fa mahafinaritra DadaRabe ! Ianao namako Raiso ny tanako Ianao rahalahiko Iray lova amiko Ny fiainana manahirana Tsy aleo ve mba mifaly Toy izay hifampijalijaly Mifanao soa, tsindrio re ny fo Mifanao tsara ho an'i Madagasikara Nampidirin'i tritriva 18 Feb 2009, 22:55
  3. Tohizo fa mahafinaritra DadaRabe a!

    Nampidirin'i mangamaso 18 Feb 2009, 22:58
  4. Ntsooohhhh mampatsiahy ahy ny hatanorana mibaliaka sy mahavokatra be tokoa. Misaotra Dadarabe o. Soa fa misy anao ny firenena.

    Nampidirin'i soanja 19 Feb 2009, 07:29
  5. Eny iky ry Soanja. Niara-nihira izany isika fahiny ary naredona tokoa.
    Efa ela izany nefa mbola tena tsaroana tsaroana !

    Nampidirin'i DadaRabe 19 Feb 2009, 12:42
  6. Misaotra Tokinao à
    Misaotra an'i mangamaso sy i tritriva amin'ny hiran'i Bekoto.

    Nampidirin'i DadaRabe 19 Feb 2009, 12:44
  7. Ny toy ireny dia mirakitra ao am-po tsy ho voafafa mihitsy ka. Ny hira rahateo mamelona ny fifandraisana ho mamy. Misy ity hira Anglisy ity no tsaroako rehefa mihira an'io aho. http://livingbyheart.tripod.com/xresearch/id72.html "Say it loud, say it clear You can listen as well as you hear Its too late when we die To admit we dont see eye to eye" Mike and the Mechanics. Nampidirin'i soanja 19 Feb 2009, 14:39
  8. Misaotra amin'ilay hira Soanja à
    Mampamangy any !

    Nampidirin'i DadaRabe 19 Feb 2009, 21:19
  9. Misaotra an'i Soanja namerina indray ilay diska efa laoka. Tsy misy fety tsy hirana an'io fa héhéhé....manahy mafy ny mety ity hiafarantsika mianakavy noho ny.... politika aho.
    Aleo ny hira no hananatra aloha e!

    Nampidirin'i Pone 20 Feb 2009, 18:25
  10. DadaRabe mantsy e!

    Nampidirin'i Pone 20 Feb 2009, 18:27
  11. "tsara raha ny mpirahalahy no mahay mifankatia tokou"
    de samy mpiarahalahy sy mpiarahavavay ary mpianadahy avokou isika satria samy zanak dada mdr

    Nampidirin'i sazykely 25 Feb 2009, 10:15
  12. Manana firaisana am-panahy fa ho soavin'Andriamanitra
    Tahaka ny diloilo tsara izay narotsaky ny lanitra....

    Nampidirin'i DadaRabe 25 Feb 2009, 12:52
  13. Salut mister DDBR,

    Misy hafatra ho anao ato raha toa ka .... raha tany ka toa ...

    http://kdaombaramita.blaogy.com/post/861/6037

    Nampidirin'i kdaombaramita 27 Feb 2009, 21:03
  14. Ok andraso ho jereko kdaombaramita à

    Nampidirin'i DadaRabe 27 Feb 2009, 21:27