IZY INDRAY ANTSOINA !

Nampidirin'i dadarabe | 10 Mar, 2008

Izy indray antsoina...

...Raha hitanao fa izy no afaka hampitony
Ny fahanginanao,
...Raha toa efa izy no felana mamony
Sy fahasambaranao.

...Raha tsapanao fa any no volana baliaka
Mazava sy manjelatra,
Ka afaka ampihiratra ny endrikao sariaka,
Hiakaranao ny sehatra.


…Raha efa mino ianao fa izy no tianao
Mamin’ny fonao,
Ka izy indray no lasa ho “izao tontolo izao”,
Masoandrom-piainanao.

...Raha toa ka izay no sitrakao ry “tiana”,
Ry “efa tsy malalako”...
Aza miantso ahy intsony, veloma sy masina !
F’izaho hanohy ny lalako...

....Izy indray antsoina !

DadaRabe
Aix-en-Provence
5/08/04 13:47