PASKA FAMONJENA !
Nampidirin'i dadarabe | 24 Apr, 2011PASKA FAMONJENA !
Hira avy amin’ny fo no atolotro ho anao
Izao Paska izao !
Andro famonjena nomen’i Jesoa Tompo,
Fitiavany inoako !
Dia hira fifaliana fa olom-boavonjy,
Noho ilay zanak’ondry !
Kalo tsara indrindra no ho zaraiko eto,
Ary dia omeko…
Noho ilay Jesoa voahombo novonoina,
Mba hisolo voina !
Fa Izy no mpamonjy antsika tsy ho very,
Fitiavany mahery !
Tononkalo iray no hifampizarana,
Handrava fangejana !
Fa ny ota mahamay namatotra antsika
No tapaka, nipiaka !
Dia horedonintsika ilay hiran’ny hosana !
Jesoa no Fiderana !
DadaRabe
18/04/11 21:24
Jereo kely ity ô, hi hi hi !!!
Nampidirin'i Kdaombaramita 06 Aog 2011, 14:36Tsara be ilay blaogy! misaotra e!
Nampidirin'i rachats de credits 27 Aog 2011, 22:22Misaotra amin'ity blaogy tsara be ity ... tsara be daholo ilay tononkalo (izay voavaky atreto alou! efa mifanao fotoana izao sy ilay blaoginao de alefa tsikelikely, lol)
Nampidirin'i MimiSimply 31 Okt 2011, 00:31Isika no isaorana mamaky e !
DAdaRAbe
Nampidirin'i DadaRabe 03 Nov 2011, 15:11