TSAROVY !
Nampidirin'i dadarabe | 6 Okt, 2009
Raha hitanao indray mihiratra ny andro,
Mazava ny masoandro,
Tsarovy ireo maraina…
Niarahana niria, nahamirana ny saina.
Raha tsinjonao ny hariva miritsoka mangina,
Tsioka mahasondrina,
Tsarovy ireny kalo…
Niarahana nihira, nivetso dia nandalo.
Raha tazanao ny volana, misosa eny ambony
Dia dify tsy hita intsony,
Tsarovy fa any ho any…
Izaho koa mahatsiaro…tantaratsika izany !
DadaRabe
06/09/09
Misaotra nizara e!Tsara hatrany ilay Aingam-panay :-)
Nampidirin'i fahamarinana 07 Sep 2009, 09:46Lalina koa ilay positive attitude n'ny DadaRabe !tena mba tsy ananako zay optimisme iray izay ! hihi !mbola ianarana !
misaotra Fahamarinana. Rehefa henjana anie dia ny eritreritra no ampiakarina dia mba sahala amin'ny hoe....
Nampidirin'i DadaRabe 07 Sep 2009, 12:57ehe !tsa haiko zay !Ny ahy toa ny mifanohitra amin'izay,vao maika koa miha-reraka !Ohatrany ilay miheno rvg e,rehefa rera-tsaina vao maika hira mampalahelo no henoina nefa tokony mba ireny gidragidra mampihetsika ireny dia mba miramirana ! hihi !
Nampidirin'i fahamarinana 07 Sep 2009, 13:27Sambatra izay niaraka nihira taminao ry DadaRabe, izahay moa tsy manana hiranao ho henoina kah ! :)
Nampidirin'i mangamaso 07 Sep 2009, 16:25Fahamarinana> :) ie hevitra koa anie izay é!
Mangamaso> ha ha ha sambatra izay niara-nihira tamin'ilay olona teo amin'ny tononkalo :)))
Nampidirin'i DadaRabe 07 Sep 2009, 17:41Misaotra anao nijara tononkalo ry DadaRabe :) Mankasitraka.
Nampidirin'i Tritriva 09 Sep 2009, 20:48Tsy misy fisaorana tritriva.
Nampidirin'i DadaRabe 09 Sep 2009, 21:25Mirary soa ho anao !
Ny sedra sy jaly raha mbola tanora no simenitra manamafy anao hitanty ny fiainana.....tsarovy ny fotoan-tsarotra kanefa atreo ny ankehitriny ary banjino ny ho avy.....fa toky sy finoana no ho valin'izany.
Nampidirin'i malagasycool 12 Sep 2009, 17:04Fitenenana cool mihitsy ny anao ry malagasycool :)
Nampidirin'i malagasyzen 13 Sep 2009, 12:28Mankasitraka foana ry DadaRabe ;)
Faly foana mitsidika ny blaogin'i DadaRabe.Kanto ilay tononkalo dia mankasitraka sy mirary soa hatrany
Nampidirin'i maeva74 17 Sep 2009, 13:45Malagasycool> Marina tokoa. Ny fotoan-tsarotra ankehitriny dia entina mianatra ny fiainana hitsinjovana ihany koa ny ampitso tsy fantatra. Mankasitraka é
Malagasyzen>Misotra é
maeva74> Misaotra anao. Faly koa mamaky ny tantara kantonao
Nampidirin'i DadaRabe 17 Sep 2009, 23:32