NY MASONAO MIJERY
Nampidirin'i dadarabe | 4 Sep, 2009
Ny masonao mijery,
Mifono mistery,
Ny tsiky kelinao,
Ao an-tsaiko ao…
Toa tsy mety handao, mamikitra aok’izany !
Taratra tsy miala, mirehitra tsy ho lany !
Ny masoko mijery,
Mitazana anjely,
Mitsiky lasa saina,
Madity sy malaina,
Mahita anao mandao, midify any ho any…
Taratra misinda, mamonjy ny akany !
DadaRabe
03/09/09
Vao mifoha maraina dia tseanain'ny tononkalo kanto.
Nampidirin'i maeva74 04 Sep 2009, 08:01Misaotra e!
Misaotra e ! MBola mandeha ny resaka "jery" h@ izao !
Nampidirin'i kdaombaramita 04 Sep 2009, 09:08Maeva> misaotra é
Kdaombaramita> lasa foana ilay "jerijery" leh !
Nampidirin'i DadaRabe 04 Sep 2009, 12:08ary de mbola mitohy hatrany am-baravarankely koa.
mbola varavarankely no resaka @zao.
Nampidirin'i tsamba3 04 Sep 2009, 13:39Tsamba3>:)
Ny maso mijery fitaratra vita
Ny hevitra ao anatin'ny fo eo no hita
--> dia mijery eo ilay maso ka eny ambaravarankely no iafarany ha ha ha
Nampidirin'i DadaRabe 04 Sep 2009, 16:08Mankasitraka ry DadaRabe
Nampidirin'i mangamaso 04 Sep 2009, 17:41Mazotoa mijerijery daholo e ! :-)
Misaotra mangamaso ô !
tsy misy mampazoto aza moa...maika fa...
Nampidirin'i DadaRabe 04 Sep 2009, 18:30Inona indray izany tsy mampazoto izany DadaRabe ? Ary ny maika fa...
Nampidirin'i mangamaso 04 Sep 2009, 19:27Ny varavarankely foana ?
hoy ianao hoe mazotoamijerijery...
Dia hoy aho hoe tsy misy mampazoto moa aza moa mazoto, maika fa misy mampazoto.
Izay fotsiny
Nampidirin'i DadaRabe 04 Sep 2009, 19:36Ao tsara e! Misaotra nizara ! Ankafiziko ilay Tononkalonao ry dadarabe ! (-:
Nampidirin'i fahamarinana 04 Sep 2009, 23:19Misaotra fahamarinana
Nampidirin'i DadaRabe 05 Sep 2009, 01:43Ireto masony baliaka voahaingo makiazy.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 05 Sep 2009, 16:09Ireo mihitsy angamba no tena itiavako azy.
Nahatonga ahy tsy naharitra, ka nanao abôrdazy
Hay izy mbola zaza, mety mbola maha-voasazy.
Ry lehilahytsiresy
tandremo mihoa-pefy
fa mety mampigadra
indrindra fa hoe zaza !
Ha ha !
Nampidirin'i DadaRabe 05 Sep 2009, 19:20Marina tokoa izany ry DadaRabe. Tsy ilay masony mijery mifono mistery ihany izany no tokony hojerena, fa ny taonany koa.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 05 Sep 2009, 19:51:-)
Mahafinaritra lalandava ny mamaky sy mamaly ny tononkalon'i DadaRabe e.
ha ha ha !
Nampidirin'i DadaRabe 05 Sep 2009, 22:09Io maso mijery io no nahatonga an'i Davida hanao ny tsy mety.
courage ami'nny rehetra é!
Miandry ny tononkalo manaraka izahay ry DadaRabe :-)
Nampidirin'i Tritriva 06 Sep 2009, 09:19;-)
Nampidirin'i DadaRabe 06 Sep 2009, 14:49