NY VARAVARANKELINAO (Tononkalon'i DOX)
Nampidirin'i dadarabe | 26 Aog, 2009
Mandalo eo matetika aho, dia manjary fahazarako
Ny mahita anao mitazana eo am-baravarankely
Fotoana fohy fifaliako, fotoana fohy fahasambarako
Eo ny endrikao mitsiky, mitsikitsiky toa anjely.
Mandalo eo matetika aho dia mitraka hatrany hatrany,
Mino fa hahita anao, dia mahita anao tokoa !
Tsy hita intsony ny hafaliako sy hasambarako amin’izany
Fa manenika fanahy, mahatototra ny fo…
Andray izay fahatairako, nandalo teo aho izao…
Nikatona àry fa nahoana, ny varavarankelinao ?
Nitanondrika ny fo, ny fanahy nangenahena…
Nanohy nandalo ihany aho, tsy nivoha hatramin’izao,
Angamba tsy hivoha intsony, ny varavarankelinao.
Mitanondrika ny fo, manomboka tsy hanantena.
Dox
Tiako be ity tononkalon'i Dox ity
Nampidirin'i DadaRabe 27 Aog 2009, 01:56io ilay tononkalo efa voasalisaliko tamin'ny hevitra teto tany aloha tany. Tena ankafiziko mihitsy fa misaotra betsaka nanome azy manontolo ry DadaRabe.
Nampidirin'i ikalamako 27 Aog 2009, 11:07toa nasian'i Romule feony izy io taty aoriana ? Iray amin'ny Kintana telo fa tsy tsaroako hoe iza fa haiko tsara ilay hira lolll
Nampidirin'i ikalamako 27 Aog 2009, 11:08Tsara é!
Nampidirin'i DadaRabe 27 Aog 2009, 11:59Tiako be koa ry Ikalamako ilay teny hoe : "voasalisaliko". Nefa hazavao hoe ny tena dikany fa sao diso ny fahazoako azy. Ka raha sendra mampiasa azy aho dia any amin'ny tsy izy :)
Nampidirin'i DadaRabe 27 Aog 2009, 12:02hahah - DadaRabe koa, ka ny manasaly hena tsy ampadalondalovina amin'ny afo ny hena (kitoza) ?
Nampidirin'i ikalamako 27 Aog 2009, 12:14Ka hoy ny rakibolana :
asaly, asalisaly : atao eo ambony afo vetivety mba ho maina.
Fa ilay hoe nasalisaliko eto dia hoe efa nasehosehoko, nampandalondalovako teto ihany io tononkalo io tany aloha tany. Sa tsy mety izany ? Tsy noresahana be izany fa nampandalovina fts e, satria tsy tadidiko hatramin'ny farany ilay izy tamin'izay. (lolll - hamakafaka lahatsoratra aho raha izao no mitohy tsss)
Finaritra foana mandalo mitsidika ny blaogin'i Dadarabe sady vokin' ny tononkalo isankarazany ny saina.
Nampidirin'i maeva74 27 Aog 2009, 12:18Misaotra e!
tsara tokoa ty tononkalo ty.
Nampidirin'i tsamb3 27 Aog 2009, 12:45D aôna no tsy nivoha intsony le varavarankely? maty v izany le vehivahy mpitazatazana eo?
misaotra e.
Ikalamako> izay indrindra. Fantatro ny hevilny amin'io manasaly hena io. Nefa nihaotra kely ihany aho fa indraindray ny teny misy heviny hafa. Ilay filiriny mihitsy no tiako ho fantara koh ! :)
Misaotra é!
Maeva74> ie, tsara ilay tononkalon'i Dox. Ny mampalahelo dia tsy afaka antsoina izy hanazava ny tena heviny fa dia isika sisa maminavina :)
Tsamb3> Dia asa tokoa no niafarany !!! Ny olana dia ingahiy rainy efa tsy eo intsony hanambara. Fahiny efa ela mba tazako tery ambohijatovo ihany i Dox. :-)
Nampidirin'i DadaRabe 27 Aog 2009, 16:44Ny faran'ny tononkalo ry Tsamb3 dia hoe "manomboka tsy hanantena"
Mbola misy fanantenana ihany izany koh !
Mety lasa nanao vakansy ilay tovovavy (mino aho fa tsy rangahy ha ha ha) na simba ilay varavarankely dia miandry mpanamboatra fa raha sokafana dia mianjera...
Na koa tary amin'ny varavarankely hafa indray izy no nitsikilo an'i Dox fa be jerijery loatra ilay rangahy ka...natahotra izy ! ha ha ha
Ny fahitanareo ny mety nitranga ??????
Nampidirin'i DadaRabe 27 Aog 2009, 16:48mety nifindra trano koa izy fa mila mankany @ fokontany ingahy Dox manontany fa tsy maintsy nametraka taratasy fifindram-ponenana tany izy.
Nampidirin'i ikalamako 27 Aog 2009, 16:52Kanefa ny lehiben'ny fokontany vao nosoloina sady tsy nahazo tambin-karama hono dia mitokona....
Nampidirin'i DadaRabe 27 Aog 2009, 17:00Dia miandry eo RaDox
Varavarankely mifono mistery,
Nampidirin'i lehilahytsyresy 27 Aog 2009, 18:17Rehefa lalovana, maha-te-hijery.
Mahala-lasan'eritreritra, mampiteny irery.
Lehilahytsiresy > Izay mihitsy angamba no nampiteny irery an'i Dox. Fa inona marina no tena tiany ? Ilay varavarankely sa ilay varavarankely sy ilay olona ?
Raha teny an-dalana mantsy ilay tovovavy mety tsy nahataitra azy akory fa rehefa teo ambaravarakely....
Nampidirin'i DadaRabe 27 Aog 2009, 18:49sahala amin'ilay bandy tsy misy mahita nefa rehefa eo amin'ny volant n'ny BMW dia mikopaka azy daholo ha ha ha
Nampidirin'i DadaRabe 27 Aog 2009, 18:50Nohenoiko ilay vazo ry kdaombaramita à ! ie !
(izay vao hitako ilay message fa bloqué tao)
Nampidirin'i DadaRabe 27 Aog 2009, 18:54Angamba niova varavarankely ilay tovovavy, any ambadika any fa tsy ity rangahy intsony no hanomeny ny tsikiny :)
Nampidirin'i mangamaso 27 Aog 2009, 19:38Ha ha ha Mangamaso !
Nampidirin'i DadaRabe 27 Aog 2009, 20:19ie, angamba niova varavarankely marina izy i Dox nihanahana teo !
tsy ratsy indray iny hevitra iny.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 28 Aog 2009, 06:40