INDRISY MANTSY RY MALALAKO (Tononkalon’i MIRANTSOA)
Nampidirin'i dadarabe | 20 Aog, 2009
"Indrisy mantsy ry malalako"
Hoy ianao niteny,
"Tsy haiko ny hanakatr'
Ireny anatrao ireny"
Dia nikimpy izy nandroso
Nandao 'lay olon-tiany
Ka nikatona ny pejy,
Narakotra ho fahiny.
Dia hitomany izy anio,
Hangina tsy hiteny
Fa takona endrika avokoa
'Zay rehetra nojereny.
Valabalaka ny sainy
Mieritreritra ny ampitsony,
'Zay tsy hita vodilanitra
Amin'izato maso ditsony.
Aiza no tandrifiny?
Iza no anjarany?
Niserana azy ireny
Fa tsy fantatra ny anarany
Ka hitomany izy anio,
Hirakotra alahelo,
Ny ranomaso latsaka …
No hapetrany ho avelo.
MIRANTSOA
Antananarivo
Misaotra an'i Mirantsoa nandefa tononkalo mahafinaritra ho antsika.
DadaRabe
Nampidirin'i DadaRabe 20 Aog 2009, 02:49kanto sy mahafinaritra.
Misaotra an' i Dadarabe sy i Mirantsoa nizara
Nampidirin'i maeva74 20 Aog 2009, 07:00Mendri-piderana. Misaotra an' i Mirantsoa sy i DadaRabe.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 20 Aog 2009, 11:11misaotra anareo.mahafinaritra be!
Nampidirin'i tsambaratelo 20 Aog 2009, 12:31mahafinaritra be,ary misaotra anareo.
Nampidirin'i tsambaratelo 20 Aog 2009, 12:32Misaotra azy é!
Nampidirin'i DAdaRAbe 20 Aog 2009, 12:38waaaaaaaaaaa
namono tena ve zany izy t@ farany?
sa ahoana?
tsy azoko tsara...
:)
Nampidirin'i simp 20 Aog 2009, 17:14Andraso antsoina mihitsy aloha i Mirantsoa hanome fanazavana :-)
Nampidirin'i DadaRabe 20 Aog 2009, 18:53Fisarahana mampijaly ny ilaozana sy ny mandao.
Nampidirin'i mangamaso 20 Aog 2009, 19:18Mety hitomany izy roa avy eo é ! sa ?
Tomany, tomany razanaboromanga
Nampidirin'i DadaRabe 20 Aog 2009, 19:30Eny tompoko, namono tena izy, saingy betsaka ny mistery mifono amin'ny tantarany satria mbola misy tohiny izany rehetra izany!
Nampidirin'i Mirantsoa 20 Aog 2009, 19:34Mistery be izany !
Nampidirin'i DadaRabe 20 Aog 2009, 20:00Dia miandry nytohiny ary izahay Mirantsoa à !
Mampalahelo kosa izany namono tena izany... Miandry ny tohiny ary izahay. Misaotra an'i Mirantsoa sy i DadaRabe nijara.
Nampidirin'i mangamaso 20 Aog 2009, 21:21:)
nga misy tohiny tsony ra efa maty izy...
sa hoe nisy nahavonjy, sendra nandalo teo @ teorana namonoiny tena hihi
misaotra eeee
Nampidirin'i simp 21 Aog 2009, 00:20simp> ah la la lasa nihomehy aho nefa tsy tokony hihomehy. Sa ahoana Mirantsoa ?
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2009, 01:19Ié, tena nihomehy kely aho namaky ireo fanontaniana ireo! Fa aleo ny tohiny no hanambara raha maty tokoa izy na tsia!
Nampidirin'i Mirantsoa 22 Aog 2009, 11:08:-)
Nampidirin'i DadaRabe 22 Aog 2009, 12:47