NY NOFINOFINAO
Nampidirin'i dadarabe | 11 Jol, 2009
Ny nofinofinao no entiko miaina
Sy entiko misedra ny andro be migaina
Ary ireo hariva mangitsy, mamanala…
Ekeko an-tsitrapo, lalaiko tsy an-kisala,
Ventesiko raha alina,
Any an-torimaso lalina.
Ny nofinofinao no lasa fitsinjovako
Ny androko ampitso… Ary fitsilovako
Ny haiziko mikitroka nezahiko hazava,
Mitantana ahy hitraka, fanilo mampisava,
Mpitondra ny maraina,
Mpamelombelona aina !
Ny nofinofinao no sisa nofinofiko,
Mampihiratra ny saiko, manafaka ny rofiko
Ka entiko miampita ny ho avy mistery
Fa ny ahy ireny nofiko, nisinda sy efa very…
Nalevin’ireo jaly,
Nindaosin’ny omaly !
DadaRabe
10/07/09
:D
Nampidirin'i jogany 11 Jol 2009, 03:26Tsara be ilay tononkalonao
Nampidirin'i Nirilala 11 Jol 2009, 07:24Ampidiro ao amin'ny http://vetso.serasera.org Dadarabe a
Nampidirin'i hery 11 Jol 2009, 09:15Jogany> misaotra ary miarahaba koa...
Nirilala> Misaotra
Hery> Andraso fa ampidiriko rehefa avy eo Hery ô!
Nampidirin'i DadaRabe 11 Jol 2009, 15:01Ianao no fifaliako
Nampidirin'i mangamaso 11 Jol 2009, 18:47Sy lasa tononkaloko
Nofy sy vinany
Mazàna mampijaly
Nofiko mirindra
Nofy kanto indrindra
Ianao
Rivotra mahasoa
Mameno ny fiainana
Mampaharitra ny aina
Kanto foana ny tononkalo
Vetsovetso mandalo
Mankafy sy mahaliana
Mangamaso> Misaotra fa tsara é
Nampidirin'i DadaRabe 11 Jol 2009, 19:20Ireo nofiko efa very
Dia iniako hadinoana.
Fa mampahatsiahy fery,
Nampidirin'i lehilahytsyresy 12 Jol 2009, 08:13manaintaina raha voadoana.
Lehilahytsyresy>
ny ferin'ny omaly
Tsy inona tsy akory
Fa fiainana ihany
Sy anjara sorisory
tsaroana eny angamba
satria nisy izany
kanefa izay nitranga
tsy atao hampitomany
ny eto an-tany anie
ka vahona...Tantely
ny ho avy mamy be
no ataovy tsara jery !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 12 Jol 2009, 13:45tro be...
Nampidirin'i simp 12 Jol 2009, 15:30misaotra ee :)
Simp> ;-)
Nampidirin'i dadarabe 12 Jol 2009, 15:50Ao tsara be ilay aingam-panahy o !Misaotra e!
Nampidirin'i fahamarinana 14 Jol 2009, 02:06Misaotra é ;-p
Nampidirin'i DadaRabe 14 Jol 2009, 02:30tsara be ko ny tononkalonao.ao tsara ny aingam-panahy ka aleo zaraina a!
Nampidirin'i tsambaratelo 14 Jol 2009, 15:02Tohizo fa milay
ilay zazah eo ambony ko tô tena manonofy mintsy a.
Nampidirin'i tsambaratelo 14 Jol 2009, 15:03Nofinofy daholo izany rehetra izany ry Tsambaratelo nefa ny nofinofy ihany koa no lasa tena izy !
Nampidirin'i DadaRabe 14 Jol 2009, 15:08Mistral gagnant !
Nampidirin'i Kdaombaramita 14 Jol 2009, 21:29Ah m'asseoir sur un banc cinq minutes avec toi
Et regarder les gens tant qu'y en a
Te parler du bon temps qu'est mort ou qui r'viendra
En serrant dans ma main tes p'tits doigts
Pis donner à bouffer à des pigeons idiots
Leur filer des coups d' pieds pour de faux
Et entendre ton rire qui lézarde les murs
Qui sait surtout guérir mes blessures
Te raconter un peu comment j'étais, mino
Les bombecs fabuleux
Qu'on piquait chez l'marchand
car-en-sac et Mintho
caramels à un franc
Les mistrals gagnants
A marcher sous la pluie cinq minutes avec toi
Et regarder la vie tant qu'y en a
Te raconter la Terre en te bouffant des yeux
Et parler de ta mère un p'tit peu
Et sauter dans les flaques pour la faire râler
Bousiller nos godasses et s' marrer
Et entendre ton rire comme on entend la mer
S'arrêter, repartir en arrière
Te raconter surtout les carambars d'antan
et les coco-boërs
Et les vrais roudoudous qui nous coupaient les lèvres
Et nous niquaient les dents
Les mistrals gagnants
A m'asseoir sur un banc cinq minutes avec toi
Nampidirin'i Renaud 14 Jol 2009, 21:38Et regarder l' soleil qui s'en va
Te parler du bon temps qu'est mort et je m'en fou
Te dire que les méchants c'est pas nous
Que si moi je suis barge, ce n'est que de tes yeux
Car ils ont l'avantage d'être deux
Et entendre ton rire s'envoler aussi haut
Que s'envolent les cris des oiseaux
Te raconter enfin qu'il faut aimer la vie
Et l'aimer même si
Le temps est assassin et emporte avec lui
les rires des enfants
Et les Mistral gagnants
Tsy izaho ilay Renaud nametraka ilay tononkira io, fa nahatsiaro io hira io aho tetsy ambony teo ampamakiana ny tonokalonao.
Nampidirin'i Kdaombaramita 14 Jol 2009, 21:54Kdaombaramita> Tsara ilay tonony. Ndeha hihaino io aho raha misy ao amin'ny dailymotion na youtube
Nampidirin'i DadaRabe 14 Jol 2009, 22:07Sao mampisy inspiraka ;-)
Ddrb < Ny nahatonga ny tompony namorona io hira io dia tamin'izy tany Amerika nahatsiaro ny zanany taty France angaha moa izay !!! Fa tsara ilay hira ka ! Haheno tokoa ianao raha mitady, na amin'ny google ary dia mamoaka.
Nampidirin'i kdaombaramita 15 Jol 2009, 11:10