ZAVA-POANA...
Nampidirin'i dadarabe | 2 Jol, 2009"Zava-poana dia zava-poana, hoy ny mpitoriteny, eny, zava-poana ny rehetra !" (Mpitoriteny 12:8)

Indraindray ny fahanginana...
Manjary misy feo
Anaty toa tsy heno,
Nefa toa milaza
Anaty saina lalina,
Anaty fo fanahy,
Fa velona efa ela,
Hatram’fahagola
Ilay feo, eritreritra...
Mandalo ao tsy hita,
Sarotra takarina,
Kanefa dia manjaka
Amin’ny fiainanao.
Mitondra hery miafina,
Mitondra fifaliana,
Mitondra alahelo,
Toy ireny rano
Koriana an-tendrombohitra,
Tsy misy mahatohitra,
Firiavan’ireo vorona,
Firiavan’ireo biby,
Firiavan’ireo trondro,
Mamelona ny voahary.
Anaty fahanginana
Misy feo milaza :
Mandalo ny fotoana,
Mandalo ny rehetra,
Mandalo ny fiainana,
Mandalo avokoa...
Ary zava-poana
Izao rehetra izao,
Zava-poana koa
Izay rehetra vita
S’izay mbola kinasa,
Ny ora fahanginana
Dia zava-poana koa.
DadaRabe
La Charité
19/05/05 17:26
Mangamaso> Manao va herinandro sambatra daholo.
Nampidirin'i DadaRabe 05 Jol 2009, 14:56Bokin'ny Ohabolana
Ohabolana toko 4
Fananarana azon'ny hendry, fony mbola tanora, tamin-drainy.
1 Henoy, anaka, ny anatry ny ray,
ary mitandrema mba hahazo fahalalana,
2 fa fampianarana soa no omeko anareo;
aza mahafoy ny fampianarako.
3 Izaho koa dia zanaka ho an'Ikaky fahizay,
zanaka tokana sy feno fitiavana teo anilan'ineny.
4 Dia notoroany sy nataony hoe:
Aoka ny fonao hitana ny teniko;
tandremo ny didiko dia ho velona hianao.
5 Mahazoa ny fahendrena, mahazoa ny fahalalana;
aza hadinoinao ny tenin'ny vavako, ary aza mivily miala amin'izany.
6 Aza mahafoy azy fa harovany hianao;
tiavo izy fa hitahiry anao.
Fisaorana lehibe no atolotra anao ry Dadarabe,mahavatra manoratra sy mizara ny fihetseham-po amin'ny mpiray tanindrazana rehetra. Na dia tsy mitovy sy mifanipaka aza ny hevitsika indraindray dia misy kosa zavatra iraisantsika rehetra ka mahatonga antsika hiaro sy ho saro-piaro amin'ireo olona mizara ny kolontsaina ,ny fiteny ary indrindra ity nosy kelintsika ity.
Nampidirin'i malagasycool 10 Jol 2009, 16:08Mamerina ny fisaorana sy fankasitrahana , manana olomanga tokoa manana anao.Tohizo ny soratra fa izany sisa angamba no aro matanjaka amin'izao sedra mahery mahazo antsika izao.
Andriamanitra anie hitahy antsika rehetra.
Malagasycool
Malagasycool> Elaela tokoa izay.
MIsy marina hevitra tsy mitovy kanefa raha mitovy daholo ny hevitra dia tsy hisy mihitsy ny fandrosoana. Na ny ao an-tokatrano aza hoy ny malagasy raha miray hevitra loatra ny mpivady dia vonoina hatramin'ny akoho manatody.
Misaotra koa amin'ny teny ao amin'ny Ohabolana fa misy hisainana.
Tsarà é!
Nampidirin'i DadaRabe 10 Jol 2009, 16:57Mankasitraka ireo soratananao
Nampidirin'i malagasyzen 10 Jol 2009, 17:25Tohizo fa mahaliana sy mankafy
Ireo tononkalonao
Ry DadaRabe olomanganay
Malagasyzen>
Isika rehetra dia samy olomanga
Satria tsy miamboho sy tsy milangalanga
Raha sendra ady sarotra ka miatrika ireny
Fa tsy mitazan-davitra na mody tsy miteny !
Sa ahoana ?
Nampidirin'i DadaRabe 10 Jol 2009, 20:13