ZAVA-POANA...
Nampidirin'i dadarabe | 2 Jol, 2009"Zava-poana dia zava-poana, hoy ny mpitoriteny, eny, zava-poana ny rehetra !" (Mpitoriteny 12:8)

Indraindray ny fahanginana...
Manjary misy feo
Anaty toa tsy heno,
Nefa toa milaza
Anaty saina lalina,
Anaty fo fanahy,
Fa velona efa ela,
Hatram’fahagola
Ilay feo, eritreritra...
Mandalo ao tsy hita,
Sarotra takarina,
Kanefa dia manjaka
Amin’ny fiainanao.
Mitondra hery miafina,
Mitondra fifaliana,
Mitondra alahelo,
Toy ireny rano
Koriana an-tendrombohitra,
Tsy misy mahatohitra,
Firiavan’ireo vorona,
Firiavan’ireo biby,
Firiavan’ireo trondro,
Mamelona ny voahary.
Anaty fahanginana
Misy feo milaza :
Mandalo ny fotoana,
Mandalo ny rehetra,
Mandalo ny fiainana,
Mandalo avokoa...
Ary zava-poana
Izao rehetra izao,
Zava-poana koa
Izay rehetra vita
S’izay mbola kinasa,
Ny ora fahanginana
Dia zava-poana koa.
DadaRabe
La Charité
19/05/05 17:26
Aiza kosa izany hoe :
Nampidirin'i mangamaso 03 Jol 2009, 00:20Zava-poana izao rehetra izao
Sy ireo vita s'izay mbola kinasa.
Mety ho heverina toy izany
Fa nahakivy ireo zava nitranga
Ny fanasimbana sy fipotehana
Ny asa efa vita
F'angà rehefa nisy nanimba
Dia avela eo fa kivy
Ka tsy hitsangana hanamboatra
Izay rava !
Tsy misy zava-poana ry namana
Jereo tsara, diniho,
Ny fanaovan'ny zava-boahary
Mandritra ny ririnina
Mangina ny rehetra
Tsy hita ny ataony
Nefa miasa ny ao anatiny
Mikarakara ny ho avy
Ho hita anie ny zava-bitany
Rehefa tonga ny lohataona
Ny vokatry ny asany tao Fahanginana.
Indraindray ianao
milaza zava-poana
dia ny hita-maso
azo tsapain-tanana
fa misy ny fotoana
ilazanao finoana
sy fanantenana
ary ampitso mamy
dia volana tantely
sy kanto ts'hita isa
izany no fiainana
sy lalana isan'andro
mifandimbindimby
ny mamy sy ny ngidy
Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny. Hoy ny mpitoriteny (3:1)
Nampidirin'i DadaRabe 03 Jol 2009, 13:06Izany no mahasoa ny tononkalo sy ny famoroana tantara, mahafaka milaza zava-poana ry DadaRabe a !
Nampidirin'i mangamaso 03 Jol 2009, 15:03(Tsy azo tsapain-tanana daholo izay hita maso kah ! :-).
misaotra e!
zava poana tokoa nefa de tsy foy ery izy ity
Nampidirin'i news2dago 03 Jol 2009, 15:37Eny ho'aho ry mangamaso
Nampidirin'i DadaRabe 03 Jol 2009, 16:51ny tononkalo sy tantara
dia ahafahana miala
vetivety monja ihany
ilay fiainana an-tany
izay kodiaran-tsarety
dia ny tsara sy tsy mety
mifandimbindimby eo
izay no zavatra miseho
soa fa nisy tononkalo
sy tantara iray mandalo...
News2dago> zava-poana fa sady mamy no tsy foy an ! :-)
Nampidirin'i DadaRabe 03 Jol 2009, 16:52Izay ilay fiainana é!
Eny, zava-poana tokoa izao rehetra izao: na ny vola, na ny harena ... Na ny bika sy hatsaran-tarehy ... Na ny haja amam-boninahitra. Taonjato iray monja ... dia lasàna ho lavenona avoko. Iray ihany no tsy miova, dia ilay mpamorona an'izao tontolo izao : ilay MANDRAKIZAY.
Nampidirin'i Tokinao 03 Jol 2009, 18:52éphemère !!!
rehefa maty dia
tsy misy intsony
na tamingana iray
ilay nokatsahinao
mafy fahiny tao anatinao.
Toa ho ratsy ary
izay fahatsiarovana tavela
raha tsy amim-panajana no nahazoana izao tontolo izao.
Tontolonao noheverina
Nampidirin'i kdaombaramita 03 Jol 2009, 21:58hampiakatra ny voninahitrao
anefa ka kajio
tsy ho voaloton'ny anio.
Tokinao> Voasoratra hoe : "ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny Teniko tsymba ho levona". Mandalo ny rehetra ety ambany masoandro.
Kdaombaramita>
Nampidirin'i DadaRabe 04 Jol 2009, 02:05éphemère
sy hianjera
ny rehetra
rehefa fetra
ka tantara
any am-para
ny tontolo...
nisy hono !
Izay eo am-pelatanana...
dia toa ohatry ny zava-poana.
Fa ireo zavatra tsy ananana...
dia mampilendalenda foana.
Rehefa azo avokoa anefa ireo,
Nampidirin'i lehilahytsyresy 04 Jol 2009, 14:13vetivety ihany dia mankaleo.
Ka injay indray mibitsika ilay feo:
hoe: "omeo hafa indray fa zava-poana ilay teo".
Lehilahytsyresy>
Ny dobo tsy hita hono
No tena mahamanina !
Fa toa tsy fy atono
Ny trondro eny an-tanana.
Ireny voa tsy hary…
Matsiro sy mafilotra
Fa ny eny an-tanimbary,
Matsatso toy ny fingotra.
Loza fa izany
Mazàna no ety !
Izay vaovao hatrany
No betsaka mpitia !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 04 Jol 2009, 15:57Fa ireo taloha…
Nampidirin'i DadaRabe 04 Jol 2009, 15:58Dia lasa nankaleo
Arora sy aloa…
Oh ! zava-poana avy eo !
Izany mihitsy
Nampidirin'i mangamaso 04 Jol 2009, 18:33Ny fomban-olombelona
Noana foana, tsy mahita voky
Mitady hanakatra tohatra
Tsy mijanona naha misy maty
Ahitany fafinaretana sy voninahitra
Fialonana no mameno ny fo
Ka tsy maintsy tafita ko'
Zava poana hono ireo taloha...
Oviana ny manaraka ?
Ho avy tsy ho ela,
Ho zava-poana koa.
Mangamaso>
Ny fomban'olombelona
dia tena mahadomelina
kanefa ohatr'izany
tsy atao hampitomany.
tsy mety voky mihitsy
kanefa tsy mitsitsy
mirobaroba foana
ka isan'andro...noana
Dia mialona ny hafa
mifosa raha mitafa
indrisy mahonena
maty aho ry firenena !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 04 Jol 2009, 18:56Dadarabe ô, aoka,
sao maro ny mitroatra
vaky ilay nafenina
ka sao mipenipenina.
Zava-poana foana,
no hany mba tadiavina
ny eo tsy mety loaka
ny hafa no takarina
Na tsy mendrika ary
izato fomba, toetra,
"tsy zava-poana" hono io
nefa hita nangalarina.
Tsy henatra tsy tahotra
mivandravandra maso
anoloan'ny vahoaka
nitondrana ankaso.
Raha zava-poana iky
Nampidirin'i kdaombaramita 04 Jol 2009, 20:34ry tanora malagasy
ialao aza mitsitsy
sao hanenenana ihany.
Kdaombaramita ô
Be ireo mihiakiaka
Ireo tanorantsika
mitady tsy mahita
fa toa manenjik'aloka
matetika voadaroka
fa sendra ady sarotra
izay mahavaky takotra
Mivandravandra maso
mahita ny ankaso
mamely tsisy andraso
tomany sy mikatso
Fa zava-poana mantsy
raha toa ireny antsy
ka dombo tsy mamantsy
ts'ilaina f'efa ratsy
ka dia mahereza
ny aina no hateza
fa lalana mideza
ny fahavalo ngeza !
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 04 Jol 2009, 21:04Misaotra betsaka fa tena mampahatsiahy ny voalaza ao @ Mpitoriteny (Ecclesiastes) toko voalohany sy toko faharoa mihitsy ireto lohahevitra naroson'i DadaRabe ireto.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 05 Jol 2009, 11:30Lasa poety vinany mihitsy miresaka aminao ity marina ! ha ha ha !
Nampidirin'i Kdaombaramita 05 Jol 2009, 13:36Vita ny fisaintsainana tao (Ecclesiastes)
Nampidirin'i mangamaso 05 Jol 2009, 14:34Manaova herinandro sambatra daholo e!
Lehilahytsyresy> ie, mahalasa saina indraindray ny voasoaratry ny mpitoriteny.
"vanitas vanitatum omnia vanitas". Zava-poana ny rehetra !
Kdaombaramia> Sao dia efa ao foana ilay maha-poety anao fa manomboka mifoha fotsiny ? ;-)
Nampidirin'i DadaRabe 05 Jol 2009, 14:37