TSY AMIDY NY FANAHY !
Nampidirin'i dadarabe | 30 Jio, 2009
Na harena, volamena no alendalenda anao,
Na izao tontolo izao…
Eny, dera, voninahitra sy laza be dia be
Mivangongo rehareha…
Tsy amidy ny fanahy !
Na vola, hery, tanjaka no arentirenty anao
Sy fiainam-baovao…
Hiakaranao ny lapa avo be fitsiriritra,
Fiadanana tsy ho ritra…
Tsy amidy ny fanahy !
Fa ianao dia olon’afaka ary olon’ny safidy…
Sanatria ny ho voavidy !
Ny feon’eritreritrao sy ny rariny azo atao
No hany tarigetranao…
Tsy amidy ny fanahy !
DadaRabe
27/06/09
Elaela izany Mr Dadarabe izany no tsy hita an. Fa be ny voavidin'ny vola ny fanahiny any amintsika hoy aho e ! Mbola ho lavitra ny ezaka.
Nampidirin'i kdaombaramita 28 Jio 2009, 17:06Eny iky ry Kdaombaramita, be loatra no voavidim-bola ka na hivarotana izay rehetra azo amidy , eny hatramin'ny fanahy aza dia atao...Indrisy mantsy !
Nampidirin'i DadaRabe 28 Jio 2009, 17:51Faly mamaky sy mandinika ny tononkalonao indray ry DadaRabe, efa ela no tsy haino ianao :-).
Nampidirin'i mangamaso 28 Jio 2009, 22:12Marina izany, tsy azo amidy ny fanahy.
Mangamaso> ie elaela kely fa hazakazaka ity fiainana ity. Indrindra tato ho ato !
Nampidirin'i DadaRabe 29 Jio 2009, 14:15tonga soa ee
Nampidirin'i simp 29 Jio 2009, 20:26Misaotra simp ô!
Nampidirin'i DadaRabe 29 Jio 2009, 20:29Tsy amidy ny fanahy....Marina izany
Kanefa toa maro isa koa ny lany fanahy sy tsy misy fanahy e?
Ela zany :-)
Nampidirin'i tsiky 06 Jol 2009, 14:09Tsiky> Elaela tokoa.
Nampidirin'i DadaRabe 06 Jol 2009, 15:29Misy koa aza no "toy ny valala voatango ka very fanahy mbola velona" koh ! :-)