MIFANKATIAVA IHANY !
Nampidirin'i dadarabe | 20 Mar, 2009
Mifankatiava ihany
Raha mbola velona aina
Tsy misy toy izany ny mampifaly saina
Ny maty efa lasa
Tsy azontsika antsoina
Isika no mikasa
Ny ratsy hadinoina re
Ny maty efa lasa
Tsy azontsika antsoina
Isika no mikasa
Ny ratsy hadinoina
Koa raha tsy fotoana ela
No hipetrahana eto
Andeha re
Andeha re mba hifamela
Andeha hifamela mba tsy harahin-tsento
Mba tsy harahin-tsento
Andeha re(Andeha re)
Mba hifamela
Mba tsy arahin-tsento
Kalon'ny fahiny
mahafinaritra!
Nampidirin'i Tokinao 18 Feb 2009, 22:09saika hampidiriko anatin'ny lhtsrtro manaraka mits koa io :). nofinofy revirevy II hihihi
misaotra dadarbe a
Tohizo fa mahafinaritra DadaRabe a!
Nampidirin'i mangamaso 18 Feb 2009, 23:58Ntsooohhhh mampatsiahy ahy ny hatanorana mibaliaka sy mahavokatra be tokoa. Misaotra Dadarabe o. Soa fa misy anao ny firenena.
Nampidirin'i soanja 19 Feb 2009, 08:29Eny iky ry Soanja. Niara-nihira izany isika fahiny ary naredona tokoa.
Nampidirin'i DadaRabe 19 Feb 2009, 13:42Efa ela izany nefa mbola tena tsaroana tsaroana !
Misaotra Tokinao à
Nampidirin'i DadaRabe 19 Feb 2009, 13:44Misaotra an'i mangamaso sy i tritriva amin'ny hiran'i Bekoto.
Misaotra amin'ilay hira Soanja à
Nampidirin'i DadaRabe 19 Feb 2009, 22:19Mampamangy any !
Misaotra an'i Soanja namerina indray ilay diska efa laoka. Tsy misy fety tsy hirana an'io fa héhéhé....manahy mafy ny mety ity hiafarantsika mianakavy noho ny.... politika aho.
Nampidirin'i Pone 20 Feb 2009, 19:25Aleo ny hira no hananatra aloha e!
DadaRabe mantsy e!
Nampidirin'i Pone 20 Feb 2009, 19:27"tsara raha ny mpirahalahy no mahay mifankatia tokou"
Nampidirin'i sazykely 25 Feb 2009, 11:15de samy mpiarahalahy sy mpiarahavavay ary mpianadahy avokou isika satria samy zanak dada mdr
Manana firaisana am-panahy fa ho soavin'Andriamanitra
Nampidirin'i DadaRabe 25 Feb 2009, 13:52Tahaka ny diloilo tsara izay narotsaky ny lanitra....
Salut mister DDBR,
Misy hafatra ho anao ato raha toa ka .... raha tany ka toa ...
http://kdaombaramita.blaogy.com/post/861/6037
Nampidirin'i kdaombaramita 27 Feb 2009, 22:03Ok andraso ho jereko kdaombaramita à
Nampidirin'i DadaRabe 27 Feb 2009, 22:27