VILAM-BAVA !
Nampidirin'i dadarabe | 14 Mar, 2009
‘Ndeha hitady rariny sy koa mangarahara !
Inona no lalana ? Mangalatra pouvoir !
‘Ndeha isika hanohitra ny didin’olon-tokana !
Inona no lalana ? Mandroba sy mitokona !
‘Ndeha hitondra marina ny tena fahafahana !
Inona no atao ? Asivo fangalarana !
‘Ndeha isika hilaza ny marina an-gazety !
Inona no atao ? Darohy ireo izay tsy mety !
‘Ndeha hahindrahindra ilay demôsy kirasia !
Ahoana no atao ? Poteho ‘reo ‘zay tsy tia !
‘Ndeha mba hampandroso ny tanindrazantsika
Ahoana no atao ? Vonoy izay tsara bika !
Hoy ho hoe :
‘Ndeha manova fenitra fa tena vilam-bava !
Fa mila fifidianana vao miakatra pouvoir !
DadaRabe
12/02/09
'Ndeha hitaky ny tsaratsara kokoa
dia ny mba hahatongavako ho filoha
loham-boto no ho ampiasaina
ary ny resa-pifidianana tsy ilaina
Nareo mpanohana ahy mody ataoko hoe vahoaka
Koa rariny avokoa izay ataon"areo" fa aza misy mitsoaka
Na hanimba, na handoro, eny fa na handroba lapa
ndao, ndehana mantsy e!, f'izaho aloha somary hiapa :).
Aza matahotra ianareo na dia ho faty
Nampidirin'i Tokinao 12 Feb 2009, 22:27Fa ny sarinareo hatao mirantiraty
Manome toky eo ilay orinasako injet
satria mahay manao sary ho lasa metimety
Tokinao>
Nampidirin'i DadaRabe 12 Feb 2009, 22:57Loham-boto no atao
Sy dradraina lava izao
Asa ahoana loatra angaha
Raha iny no prezidà ?
Tsy mahataitra e! Mianara tsara aloha vao mamorona fa lasa miteny² fona. Ary ny tena marina ambara raha sahy!
Nampidirin'i Ratavao 13 Feb 2009, 11:56Ny marina de fisaka e,
Ka sarotra tadiavina,
F'izay atao no hita,
De izay no hitsarana!
Fandrobana, Fandravana,
Fanoheran-dava,
Izany angaha no atao hoe :
Demokrasian'ny avo vava!
Tsy mba tan-dàlana,
Fa gidragidra lava,
Zaza ratsy taiza,
Sahy mikomy lava!
Zaza baranahiny,
Hatrami'ny foiny kely,
Mpanenjika boaty
Mpampirevy makorely!
Raha iny no mitondra,
De zary ho modely ratsy,
Fa ny zaza ao an-trano aza,
De sahy hanindron'antsy!
Aleonay tsy misy e,
Nampidirin'i tsiafoi1 13 Feb 2009, 15:33Raha iny no safidy,
Fa Ravalo no Fikirina,
Hampilamina ty tany!
Aleo itantaranao azy ry Tsiafoi1 !
Nampidirin'i DadaRabe 13 Feb 2009, 16:11Taona 2009, krizy ekonomika
Nampidirin'i LhlTsRs 14 Feb 2009, 06:48Maneran-tany io. Miafy daholo isika.
Enga anie kosa mba tsy hisy ra mandriaka
Na hoe hitohy aza ny adilahy politika
miombon-kevitraaminao ry Lehilahytsyresy
Nampidirin'i DadaRabe 14 Feb 2009, 16:41mandalo indray eeeeeeeeeeeeeee
de manoratra aaaaaaaaaaaaaaa
sazykely
Nampidirin'i sazykely 16 Feb 2009, 13:09Misaotra mandalo sazykely à
Nampidirin'i DadaRabe 16 Feb 2009, 13:34Miarahaba é
Aoka izay ny korontana sy famonoan'olona.
Nampidirin'i mangamaso 16 Feb 2009, 16:00Mila fifidianana vao miakatra pouvoir !
Izany no marina ry DadaRabe.
Eny ho'aho ry Mangamaso !
Nampidirin'i DadaRabe 16 Feb 2009, 16:24