AMORON-DRANOMASINA
Nampidirin'i dadarabe | 4 Okt, 2008Miarahaba,
Manao veloma vetivety aloha fa hisinda any amoron-dranomasina any ny tenanay. Ity misy tononkalo fahiny teny Ramena. 20km avy eo Antsiranana. Tora-pasika mahafinaritra tokoa. Mitahiry fahatsiarovana be dia be. Ny fahazazana, ny fahatanorana...
Raha manam-potoana aho dia ho any. Ho tantaraiko anareo !
Ity misy tononkalo fahatsiarovana, nosoratana 18 taona lasa izay ! Mandeha ny fotoana rey olona !
AMORON-DRANOMASINA
Ny fitopatopanao ry onjan-dranomassina,
Ny rivotr’entinao mamelombelon’aina,
Mihiratra ery ny masoko mibanjina
Ireo karazam-borona mihaza vao maraina.
He ! izato lanitra manga aok’izany !
Mampidera tsiky ‘lay masoandro mibaliaka,
Izany foko izany finaritra sy faly,
Mahita ireny tarany mazava manjopiaka.
Ireto tora-pasika botsiaka sady fotsy,
Ny fidoboky ny onja no injao mandrotsirotsy,
‘Ty foko izay sondriana mandefa ny vinany.
Hadinoko avokoa ‘reo adiko isan’andro,
Ireny sorisory maraina, hariva, atoandro…
Hafa ihany lahy ny ety amorondrano !
DadaRabe
Ramena (Antsiranana)
5/12/90

Bon voyage DadaRabe.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 04 Okt 2008, 06:04mandra-pisera indray re ry DadaRabe dia misaotra hahatsiaro.
Nampidirin'i ikalamako 04 Okt 2008, 09:51Izay fa amin'ny manaraka é!
Nampidirin'i DadaRabe 04 Okt 2008, 13:22'Ndeha haka fiaramanidina aho io raha afaka adiny roa.
Soava dia DadaRabe...
Nampidirin'i Tritriva 04 Okt 2008, 14:05Tsy efa mangatsika ve zao any @nareo any ry dadarabe? manaova mafana fa efa ao anatiny ny ririnina be!lol
Nampidirin'i news2dago 04 Okt 2008, 14:20Ha! Efa ela aho tsy nandalo teto! Hay tokoa moa ho aty M/kara ianao! "Bon volage" dia tongava soa e!
Nampidirin'i Pone 04 Okt 2008, 15:10Izay vao tena hiainga aho fa dia mandra-pihaona daholo ô!
Nampidirin'i DadaRabe 04 Okt 2008, 15:34surement fa efa eny ambony fiara-manidina enao zao an
za eto ambony seza lol
soava dia e!
Nampidirin'i sazykely 05 Okt 2008, 17:03