TAPITRA
Nampidirin'i dadarabe | 2 Okt, 2008
TAPITRA
Tapitra na tiana hitohy ireny hira
Sy angano sy arira,
Tapitra sy dify toa volam-pararano...
Mangina ny ato an-trano.
Tapitra ny antsa sy ireny nofinofy,
Natsatso sy niofo,
Tapitra ilay ainga namonto ny fanahy
Sy onja nampiray.
Tapitra ilay mamy natao ho eo an-taona...,
Nanjary zava-poana,
Tapitra satria izany no efa anjara,
...Lefy ilay tantara.
DadaRabe
La Charité
28/03/06
tapitra kely fotsiny kah ! :-)
Nampidirin'i ikalamako 02 Okt 2008, 15:42Izay navalon'ny lasa, atao "bye-bye"
Nampidirin'i lehilahytsyresy 02 Okt 2008, 18:27Tapitra kely dia manomboka indray,
Miato kely, dia paré koà amaray,
Atao toy izay izy no tena milay.
aoka re marina ry LhLhTsRs...misy talenta mihintsy kah !
Nampidirin'i ikalamako 02 Okt 2008, 18:39lehilahytsyresy akory tsy "l'hôpital qui se moque de La Charité"
Nampidirin'i Rajiosy 02 Okt 2008, 19:05Ikalamako, Lehilahytsiresy, Rajiosy>
Tapitra dia ritra
Nampidirin'i DadaRabe 02 Okt 2008, 19:47natao bye bye
fa tena vaky triatra
sy sendra mahamay
kanefa raha midaboka
miarina indray
ampitso indray mikapoka
veloma, amaray !