DELIRA !
Nampidirin'i dadarabe | 28 Sep, 2008
DELIRA !
Nitabataba mafy izy hoe « misy mpaka fo ! »
Dia misy mpihinan’olona, dia misy matoatoa,
Mahakoditra daholo, hono, izay hita teny ho eny,
Hatramin’ny sarivato manjary toa miteny !
Dia misy koa bobel, dia misy kalanoro,
Ka be ny olombelona, voakaikitra sy toro !
Ireny ngahibesola sy ireny trimobe,
Manenjika, mihinana ny ankizy marobe.
Ny angatra sy avelo, hono, feno ny tanàna !
Ireo kakabemaso manenjika madama !
Dia misy mpaka rà, dia misy mpalak’aty,
Loza ! Loza ity ! Vonjeo fa mahafaty !
Noteneniko izy hoe aoka izay ry akama !
Andana aloha matory raha miaka-maripana !
Tsia ! Tsia ! Hoy izy « mivoha ny afobe ! »
Voatery notsindroniko izy fa delira be !
DadaRabe
27/09/08

Elaela indray tsy nahazo kônsôm,
Nampidirin'i lehilahytsyresy 28 Sep 2008, 08:28Dia nanomboka am'zay ny délirium,
Nahita matoatoa, nahita fantôme,
Indraindray te-hilefa, indraindray mitakoko,
Mahita hallucinations misy biby maro-loko,
Tsindromy kely io ho kalma, radoko.
:-)
Mampalahelo, mahonena. Soa fa misy ny dokotera toa anao mahalala ny aretina sy mitsabo izay voany. Misy mantsy dia mihomehy satria tsy mahafantatra fa aretina toa ny aretina rehetra ny aretin-tsaina. Tsy misy mihomehy ny voan'ny homamiadana sy aretina hafa ny olona kanefa dia mikomokomo rehefa mahita olona mandalo "épisode spychotique". Omen-tsiny moa ve izy raha tsy mahalala? Tsy miresaka izay tsy nahazo kônsôm aho eto ry lehilahitsyresy satria resaha hafa tsy haiko iny.
Nampidirin'i Su 28 Sep 2008, 13:55Lehilahytsyresy>
Asa na kônsom
na tena delirium ?
Tsy fantatra intsony
na toaka na rongony
Na koa aretin-tsaina
mpahazo ny olo-miaina ?
Su>
Nampidirin'i DadaRabe 28 Sep 2008, 15:05ie, misy tokoa ny sendra tsy fahasalamana. Mampalahelo ! Misy koa ireo mihinan-javatra dia manidina be (hallucinogènes ohatra).
Fa ny tena mahatalanjona dia ireo izay tsy marary tsy mari-koditra nefa mi-delira ! tena misy io ! (eritrereto anie !)
lol
Nampidirin'i simp 29 Sep 2008, 00:56kay ! rehefa henjana ny fiainana dia tsy zakan'ny herintsaina intsony izany izany mi delira tsy marary tsy mari-koditra izany ry DdRb ? mamindrà fo aminy...
Nampidirin'i ikalamako 29 Sep 2008, 03:02simp> :-p
Ikalamako à ! tena toran'ny hehy mamanton'alina aho amin'ilay hoe mamindrà fo aminy.
Nampidirin'i DadaRabe 29 Sep 2008, 03:42Rehefa henjana marina ny fiainana...
Marina ! misy ireo tsy marary , tsy marikoditra nefa mi-delira !
Nampidirin'i Tritriva 29 Sep 2008, 18:17Tena misy io !
Dia izay tsy ni-delira na iray monja ary mitoraha vato an'ireny olona ireny e ! sa ?...
Tritriva>
Nampidirin'i DadaRabe 29 Sep 2008, 18:35Tsara indray ilay hoe : tsy ni-delira taminareo no aoka hitora-bato azy voalohany !
DadaRabe ???...
Nampidirin'i Tritriva 01 Okt 2008, 08:58Ahoana ry Tritriva ????
Nampidirin'i DadaRabe 03 Okt 2008, 18:15