IRENY TONONKALO !
Nampidirin'i dadarabe | 19 Sep, 2008
IRENY TONONKALO !
Ireny tononkalo
Dia antsa anaty fo,
Sy vazo soa mandalo
Manenika ny loha !
Dia hiran'ny fitia !
Koriana tsy ho tana,
Mikalo ny doria,
Mandrotsy, manafana !
Dia ando vao maraina !
Mamonto koa ny tany,
Manokatra ny saina,
Hiaina andro mamy.
Dia tsantan'ny voahary !
Mpitondra hafaliana !
Manala ny maharary,
Mpizara fitsikiana !
Dia hiaka ahatsiarovana !
'Reo andro efa dify,
Sy anaty izay torovana
Fa ranomaso ampify.
Dia ainga fiderana !
Sy vavaka ho an'ny maro,
Mitondra fahazavana...
…Ireny tononkalo !
DadaRabe
18/09/08 
"...dia ireny tononkalo
Nampidirin'i ikalamako 19 Sep 2008, 22:36tsy ahafoizako anao" (teboka ; vita tompoko)
"ho enti-milalao" (teboka, vita tompoko)
Nampidirin'i DadaRabe 20 Sep 2008, 01:20Tononkalo karazan'izao,
dia azo atao hoe "haitao",
na hoe "hairaha", na koa "know-how".
(teboka, à suivre tompoko)
Nampidirin'i lehilahytsyresy 20 Sep 2008, 08:14Mampitraka hatrany!
@ ity ankason'ny tany,
tohizo hatrany hatrany!
F'aza avela raha tsy vonto ny tany.
Vita tompoko!
Nampidirin'i news2dago 20 Sep 2008, 11:08Dia ahiratra ny maso
Nampidirin'i DadaRabe 20 Sep 2008, 16:19hialana ny ankaso (teboka)
Marina tokoa izany letsy
Tandremo fa be ny fetsifetsy
(teboka)
Nampidirin'i lehilahytsyresy 20 Sep 2008, 16:52Kanefa na mitandrina aza
Nampidirin'i DadaRabe 20 Sep 2008, 19:51be loatra ireo mihaza ! (teboka)
Manokatra ny saina ,
Mitondra hafaliana ,
Fahazavana , fiadanana ,
Sy vavaka ...
Ireny tononkalo .
( teboka ? )
Nampidirin'i Tritriva 21 Sep 2008, 11:39Sakafo vao maraina
mofo ho an'ny saina
rano mampilenda
mandena koa ny tenda
ireny tononkalo
Nampidirin'i DadaRabe 21 Sep 2008, 16:40(teboka)
ireo tonokalo
Nampidirin'i sazykely 22 Sep 2008, 09:31dia san'ny saina
kalo azo hiraina
raha sendra ianao mimalo
Mampitatra ny saina
Nampidirin'i DadaRabe 22 Sep 2008, 12:20dia ireny no hiraina
hikalo ny maraina
hamelombelon'aina
Mahafinaritra ... mirary mazoto mamaky sy manoratra tononkalo hatrany.
Afaka mandalo dia mamela sonia :))
Nampidirin'i pissoa 23 Sep 2008, 19:33Miarahaba an'i Pissoa.
Nampidirin'i DadaRabe 23 Sep 2008, 21:04Miasaotra mandalo é!
Elaela izany !
tonokalo maro
Nampidirin'i doria 25 Sep 2008, 19:57tsy foiko fa nandalo
dia nanjary kalokalo
ao ambavako im-balo