TONONKALO HO AN'I RADO (Georges Andriamanantena)
Nampidirin'i dadarabe | 16 Sep, 2008Ho fahatsiarovana an'i Rado izay lasa nandao antsika.
Na lasana aza izy dia tsy maty satria mipetraka ao am-pontsika ny fahatsiarovana azy.
Ity misy tononkalo iray natolotro azy fony faha-80 ny taonany.
RADO (Georges Andriamanantena)
(Tamin'ny Faha-80 taonany)
Am-polo taona maro
No namakiana anao,
Sary mifangaro
No tao an-tsaina tao.
Nentinao nanofy
Teny ambony teny,
Ka afa-drofirofy
Ny fo mirenireny.
Nandroso ireny taona,
Ny ora nifandimby,
Kanefa teny foana,
Mipetraka ho tadidy…
…Ny asa-soratrao
Izay hotehirizinay,
Tsy avelanay handao
F’hitoetra eto aminay.
DadaRabe
Aix-en-Provence
06/03/04

Ireo havana sy ny ankohonana
Nampidirin'i lehilahytsyresy 16 Sep 2008, 16:00dia irariana hahita fiononana
Fa ny aina mantsy, manam-petra ihany
Fandalovana tokoa ny antsika eto an-tany.
misaotra e!
maro be nareo no hadimby azy!
Nampidirin'i news2dago 16 Sep 2008, 16:50Ny tenany no nandao fa ny asa-sorany mitoetra mandrakariva eo amintsika.
Isika tsirairay no solofo dimbin'ny ala hanohy ny asa fa ny azy efa be no vitany.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 16 Sep 2008, 17:12maneho fiaraha-miory amin'ny fianakaviana sy ho an'ny Kolotsaina Malagasy.
Nampidirin'i ikalamako 16 Sep 2008, 18:08Miara-ory amin'ny fianakavian'i Rado
Nampidirin'i sazykely 17 Sep 2008, 14:50Ho antsika rehetra, ny mpanakanto dia tsy maty mandrakizay satria mipetraka hatrany ny maha-izy azy izay navelany ho an'ny velona, tsy ho an'ny ankohonany ihany fa ho an'ny tany sy ny firenena
Ny mbola hivetsoantsika sy hamakiantsika ny asa sorany no hanamafy izany
Marina izany ry sazykelY.
Nampidirin'i DadaRabe 17 Sep 2008, 14:57Tsy maty izy raha mbola velona ny asa-sorany.
mirary fiononana feno ho an'ny fianankaviana. Ny vatany no lasa fa ny asa sorany rehetra no mitoetra ho antsika
Nampidirin'i olga 17 Sep 2008, 23:45mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana.
Nampidirin'i Tantely 18 Sep 2008, 09:25Raha Jehovah no mpiandry, tsy mba misy izay mampaory
ahi-maitso no andriany
ranon aina no sotroiny
ny fanahiny ho velominy
miasa izy tsy mba matory;
...Kanefa teny fôna mipetraka ho tadidy
Tantely> Sambatra izay matoky Azy !
Nampidirin'i DadaRabe 18 Sep 2008, 12:49IRENY TONONKALO !
Ireny tononkalo
Dia antsa anaty fo,
Sy vazo soa mandalo
Manenika ny loha !
Dia hiran'ny fitia !
Koriana tsy ho tana,
Mikalo ny doria,
Mandrotsy, manafana !
Dia ando vao maraina !
Mamonto koa ny tany,
Manokatra ny saina,
Hiaina andro mamy.
Dia tsantan'ny voahary !
Mpitondra hafaliana !
Manala ny maharary,
Mpizara fitsikiana !
Dia hiaka ahatsiarovana !
'Reo andro efa dify,
Sy anaty izay torovana
Fa ranomaso ampify.
Dia ainga fiderana !
Sy vavaka ho an'ny maro,
Mitondra fahazavana...
…Ireny tononkalo !
DadaRabe
Nampidirin'i DadaRabe 18 Sep 2008, 15:4218/09/08 10 :31
tsy mety lany morses mitsy kou nge dadarabe zany e
Nampidirin'i sazykely 19 Sep 2008, 16:00miar matory am stylo s taratasy mitsy angamba lol
Ha ha ha !
Nampidirin'i DadaRabe 19 Sep 2008, 16:59Sazykely ô!
Miara-ory amin'ny fianakavian'i Rado (Georges Andriamanantena) ny tenako.
Nampidirin'i Petitte_fille 19 Sep 2008, 17:25Zaho aloha mino fa tsy misy hahavita tahaka izay vitan'i Rado zay eto Madagasika, aoka anefa tsy ho kivy amin'izany isika satria ny tenany no maty fa ny asa-sorany kosa napetrany ho antsika taraka aty aoriana sy zay mbola ho taranantsika.
Mandria am-piadanana Rado, hitsena anao k ahitondra anao any am-paradisa anie ny anjely.
Mandria am-piadanana !
Nampidirin'i DadaRabe 23 Sep 2008, 15:11Raha toa ve aho ka teto
aina firifiry no reko mba nisento
ho an' ny ainga izay tovoiziko?
Ny fonareo marefo
feno irifiry, tomany sy miventso
tena saingy tsy nampoiziko
Raha misy fo mitempo
hipo-pahatsiarovana
Raha misy saina kivy
rotik' alahelo
Aingao 'reo vazivaziko
mandra-pahatorovana
ho marika amantarana:
tsy lasan-davitra aho
fa mbola hieloelo
Raha toa ka tsinjonao
fa nisy iray nandringa tamin' ny làlana nodiaviko
Dia iny no halao
ho tsindrona sy apinga
entina hanitsiana
ny revy adaladalako!
Aza adino koa ny mivavaka ho anao
f' izaho no efa aty!
Dia tandremo fatratra ny kivy, be talaho
fa ny ahy io anjoria ....
(Ho fahatsiarovana manokana ho an' i Rado
sy ireo akama nialoha làlana rehetra)
(21/09/08)
Nampidirin'i Andon' Ny Aina 30 Sep 2008, 03:49Manja Andon'Ny Aina ô!
Nampidirin'i DadaRabe 30 Sep 2008, 13:12