MILALAO BALOM’
Nampidirin'i dadarabe | 14 Sep, 2008MILALAO BALOM’
Vizana i dada,
Reraka i neny,
Fa izy dradradradra,
Tsy misy mba ekeny.
Fa inona no tiany ?
Tsy fantatra mihitsy !
Ny an-tanany ariany,
Na maro ireo na vitsy.
Maninona ‘ty zaza ?
Angamba misy zavatra !
Fa mba jereo ry dada !
Ny masony manakatra,
Mibanjina any ho any..
Fa inon-doatra re ?
No dia mampitomany,
Sy tena ilainy anie !
Oay ! iretsy lavitra !
Manidina, savoana,
Akaikin’ny firatra,
Jereo ireo balôm !
Nony nalain’i dada
Nangina izy, nahoana ?
Faly anie ‘ty zaza…
Fa milalao balôm’ !
DadaRabe
Aix-en-Provence
13/04/03
![]()
tandremo ary mitomany indray rehefa hipoaka ilay balom an !
Nampidirin'i ikalamako 14 Sep 2008, 17:58Tantara hafa indray iny ry Ikalamako ! (milalao balom II)
Nampidirin'i DadaRabe 14 Sep 2008, 18:26sahala amin'ny Terminator 2 é!
Nahita mialohako ianao !
Nampidirin'i DadaRabe 14 Sep 2008, 20:47izany noa atao hoe Ikalamako Jackson an ! anabavin'i micka kely
C'est l'enfant roi !!!
Mitomany ny zaza
Nefa eo an-sandrin'i neny
Natsipiny daholo ny kilalao !
Fa nahita balom eny ambony .
I papa no nande nisambotra
Balom enina ho an'i zaza
Tsy mitomany intsony amin'izao !
Mitsikitsiky , mitapitapy tanana .
Nahazo balom , nomen'i dada
Loko maro mitambatra
Mavokely sy violeta manja !
Mena , vony sy manga !
Sambatra ...
Nampidirin'i Tritriva 14 Sep 2008, 23:03Misaotra an'i Tritriva
Nanohy ny tantara
ka na dia efa hariva
dia misy foana ambara
tantaran'ny balôm
Nampidirin'i DadaRabe 15 Sep 2008, 00:04sy ilay zanak'i dada
tantara tena bonne
fa mampangina zaza
=Andro fety ao an-trano=
Home, sweet home !
Nampidirin'i Lehilahytsyresy 15 Sep 2008, 07:57Ny ankizy milalao balôm
Ny lehibe mamely kônsôm
afangaro whisky sy rôm
Diluéna kely anaty zi dé pôm
Lehilahytsyresy>
Izaho aloha hi-abandonne
Nampidirin'i DadaRabe 15 Sep 2008, 14:34raha be ilay Kônsôm
Fa raha hoe zi dé pôm
dia io no tena bonne
Be koa ny telefaonina
milaza fa amin'ny tonne
no voan'ny ipône
namely pi sy rôm
Aleo aho mba hi-chaume
Dia hilalao balôm