AVIA ETO ANILAKO !

Nampidirin'i dadarabe | 31 Aog, 2008



AVIA ETO ANILAKO !

Ry tiako,

Eny mety ho henjana ny fiainantsika akia !
Misy ny tsy rariny, misy ny tsy tia,
Ny lalana diavina tsy mora foana koa,
Ireny faniriana dia maro no tsy to !

Tsy mora koa angamba ny miara-dalana amiko !
Fiakarana, fidinana, tsy lapa ny anie akaniko !
Fa ny hanina anio aza tadiavintsika androany…
Ireny zava-tiana, toa nofinofy hatrany !

Indraindray akia tomany no kalo mba hiraina,
Niatrehina ireo ora sy andro vao maraina,
Fa maro ireo mafaitra, vangongo ireny ngidy…
Toa tongatonga ho azy, mandratra tsy safidy !

Kanefa eo ianao, mijoro, tsy mirona,
Mifampitantana amiko, miandry izay midona,
Vonona hiatrika ny ampitso fanantena,
Mifofotra, mikikitra, mitraka, tsy mivena !

Tsy ny orana mirotsaka no hahakivy antsika !
Tsy ny rotsa-panala, na ny andro mangatsiaka !
Kanefa aza tsiny, raha mafy akia ny androany !
Avia eto anilako… ry tiako indrindra izany !

DadaRabe
29/08/08  21 :41


29 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "AVIA ETO ANILAKO !"

  1. Kdaombaramita> fiainana daholo izany é!

    Nampidirin'i DadaRabe 05 Sep 2008, 16:15
  2. Dia miandry izany aho e, ao fa efa tonga dia homaniko ny afo e, hihihihi, DadaRabe izany efa hitondra ny gitara, dia miandry anao izany lehilahytsyresy hihira sy ireo namana zay mazoto dia raisina daholo e:-)
    mahafinaritra tokoa e

    Nampidirin'i malala13 08 Sep 2008, 19:52
  3. Homany marina ny kitay dia eo amorom-patana andro diavolana no mihira sy mikalo.
    Ianao manao feo voalohany dia izahay sy Lehilahytsyresy manaraka eo :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 08 Sep 2008, 19:57
  4. ka raha hanao feo voalohany izany aho toa mety tsy hiety fa ho avy ny orana no hatahorako koa, hi hi hi, aleo zaho hanotrona fotsiny e, manampy tosika sy misorok'afo tsy maninona, iny indray dia haiko tsara :-)
    omeko anareo ny sehatra

    Nampidirin'i Malala13 09 Sep 2008, 17:59
  5. Rehefa tsy manao feo voalohany ianao izany dia mively ny amponga na manao korintsna é!
    na mitehaka manao lamako.
    Dia mitsiky !

    Nampidirin'i DadaRabe 09 Sep 2008, 19:33
  6. Somary mampalahelo kely ny mamaky ilay tonokalo ary mampanotany tena hoe eritrereto hoe miteny na mivetso io tonokalo io ho an'ny olon-tianao ianao fa hilatsaka angamba ny ranomasony
    saingy any amin'ny farany misy fampaherezana kely

    mahafinaritra e!

    Nampidirin'i sazykely 12 Sep 2008, 12:58
  7. Miarahaba an'i Sazykely. Efa elaela tokoa izay an ! Tena tsy hitahita !
    ie, somary mampalahelo ilay tononkalo..nefa

    Nampidirin'i DadaRabe 12 Sep 2008, 14:00
  8. dadarabe: tsy henoheno au lieu de tsy hitahita lol

    Nampidirin'i sazykely 14 Sep 2008, 13:40
  9. Nefa anie ry sazykely ny maso no mahita ny soratrao eto amin'ny blaogy é!
    Nefa...ataoko toy ny hoe : "Tsy henoheno" i sazykely ary é !

    Nampidirin'i DadaRabe 14 Sep 2008, 14:25
«Mialoha   1 2