AVIA ETO ANILAKO !
Nampidirin'i dadarabe | 31 Aog, 2008
AVIA ETO ANILAKO !
Ry tiako,
Eny mety ho henjana ny fiainantsika akia !
Misy ny tsy rariny, misy ny tsy tia,
Ny lalana diavina tsy mora foana koa,
Ireny faniriana dia maro no tsy to !
Tsy mora koa angamba ny miara-dalana amiko !
Fiakarana, fidinana, tsy lapa ny anie akaniko !
Fa ny hanina anio aza tadiavintsika androany…
Ireny zava-tiana, toa nofinofy hatrany !
Indraindray akia tomany no kalo mba hiraina,
Niatrehina ireo ora sy andro vao maraina,
Fa maro ireo mafaitra, vangongo ireny ngidy…
Toa tongatonga ho azy, mandratra tsy safidy !
Kanefa eo ianao, mijoro, tsy mirona,
Mifampitantana amiko, miandry izay midona,
Vonona hiatrika ny ampitso fanantena,
Mifofotra, mikikitra, mitraka, tsy mivena !
Tsy ny orana mirotsaka no hahakivy antsika !
Tsy ny rotsa-panala, na ny andro mangatsiaka !
Kanefa aza tsiny, raha mafy akia ny androany !
Avia eto anilako… ry tiako indrindra izany !
DadaRabe
29/08/08 21 :41
aoka re marina ry DadaRabe fa santimanka re ity ! Tehaka ihany no tena haiko aloha...
Nampidirin'i ikalamako 31 Aog 2008, 15:34merci aloha fa tena mety miasa amiko ity ;-)
Nampidirin'i simp 31 Aog 2008, 16:01simp : miasa @ elah ???? 8-)
Nampidirin'i ikalamako 31 Aog 2008, 16:47Rehefa mikatra ny feeling anie ry Ikalamako dia miakatra koa ny santimaka é
Ampiasao ary ry simp à
Nampidirin'i DadaRabe 31 Aog 2008, 18:08Sahirana be aho fa tsy nahita ny dikan'ireto fitenenana ireto :
Nampidirin'i Tritriva 31 Aog 2008, 22:18mikikitra - vangongo - mivena - mikatra .
Mba omeo fanampiana aho DadaRaBe ô!
***********************************
Io no tena zava-dehibe voalohany , fanirian'ny ankabeazan'ny olombelona : Hanana olon-tiana sy tia , ho eo anilany lalan-dava . Na mahasambatra na henjana ny fiainana dia eo ihany Izy ...
Tsy misy mahafaka manarotsaka na manala ny fitia , atrehina atrany ny mangidy ...
Sambatra ianao fa manana Azy .
Sambatra aho fa manana ny Ahy .
Mirary soa ho antsika rehetra .
ntsonale e
Nampidirin'i maintikely 31 Aog 2008, 23:58mafatifaty be ilay tononkalo :)
Tritriva,
Mikikitra = mifofotra, miezaka, miady mafy
vangongo (fototeny)--> Mivangongo = mitambatambatra, miangona
mivena = mivembena (verin-droa) = fanina, tsy mijoro tsara, sahala amin'ny mamo
mitraka (fa tsy mikatra) = miakatra ny loha, miarina, mifoha, mijoro
Mintikely> misaotra é!
Nampidirin'i DadaRabe 01 Sep 2008, 00:17Misaotra ...
Nampidirin'i Tritriva 01 Sep 2008, 07:38Tsy maintsy mifofotra sy mitraka , rehefa my vangongo ny mangidy .
Ny fahasambarana tsy mila lapa , fa trano bongo monja dia efa akany soa.
Sa ahoana ?
eto no ahitana taratra fa ny fitiavana tena izy dia mahari-pery.
Nampidirin'i Ntsio 01 Sep 2008, 09:42Hita ao ny fahasambarana na dia eo ary ny fahasahiranana sy ny sakana2 isan-karazany manao izay hahalavo ny fitiavan'olon-droa @fomba rehetra.
Tsara be ilay tononkalo ka!
Tritriva> ie, izay ilay trano bongo misy ronono.
Ntsio> mahari-pery ny tena fitiavana. Misaotra é
Nampidirin'i DadaRabe 01 Sep 2008, 13:16Avia eto anilako ry DadaRabe
Nampidirin'i lehilahytsyresy 01 Sep 2008, 13:58Mba atorohy ahy ny lalan-kaleh
Raha toa ka mety, dia mba ividiano billet
Fa rehefa manana aho, hosoloiko ny an'ise
:-)
lehilahytsyresy>
Ilay ho eo anilan'ise
angamba mety ho sarotra be
Ny hiara-mitady ny lalan-kaleha
Dia mahafaly ny mandre
Satria ny namana 'ise
Nampidirin'i DadaRabe 01 Sep 2008, 14:27dia mifanampy foana anie
Kanefa ho aiza no haleha ?
Ka hividianana billet ?
Mahafinaritra tokoa, saotsa e,dia arahiko ianao ry DadaRabe @ ilay hoe aiza no haleha sy hividianana billet?dia hoy aho mamaly anao hoe tongava re aty amiko fa dia satriko tokoa ary ho raisiko an-tana-droa, :)
Nampidirin'i Malala13 01 Sep 2008, 15:14Marina mihitsy fa ao anaty ny mangidy no tena hahitana ny mamy hono e
malala13>
Dia aleo hiraka daholo izany koh !
dia hiaraka handeha sy hividy billet.
Nampidirin'i DadaRabe 01 Sep 2008, 17:07Nefa ho any amin'i Malala izany ry lehilahytsyresy an !
Izy rahateo vonona hampiantrano
I lehilahytsyresy sisa andrasana ô !
Nampidirin'i DadaRabe 01 Sep 2008, 17:08ireto nounoursa be anakiroa tena manaingo tsara ilay tononkalo!
Nampidirin'i news2dago 02 Sep 2008, 11:47kanto e! tehaka mirefotra be elabe
news2dago> :-)
Nampidirin'i DadaRabe 02 Sep 2008, 12:43Samy tsara daholo na eo anilan' i DadaRabe na eo anilan'i Malala13 e. Samy namana mahafinaritra daholo ireo.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 04 Sep 2008, 02:18Ho avy handroso tokoa i LhlTsRs fa misaotra indrindra e.
Dia miandry ary ry lehilahitsyresy. Mbola tsaroako ihany ireny fiarahana mitendry gitara manariva andro ireny.
Nampidirin'i DadaRabe 04 Sep 2008, 13:41Tsarà é!
Misaotra Dadarabe fa tena izay ny iainan'ny mpivady a !
Nampidirin'i Rasoa malagasy 05 Sep 2008, 14:21(Kdaombaramita)