HENOKO INDRAY !
Nampidirin'i dadarabe | 28 Aog, 2008
HENOKO INDRAY !
Henoko indray ilay fitiavako iny,
Fitiavako fahiny,
Fa tsikinao nandalo iray minitra monja…
Dia indro fa nanonja,
Ilay hiaka ato anaty
Nataoko ho efa maty !
Henoko indray ilay doboky ny foko,
Ilay tanako toloko,
Miandry ilay anao hitantana ny ahy,
Izaho anie tsy sahy !
Fa tamin’ireny mantsy !
Zaza nifampihantsy.
Henoko indray ilay hafanana kely,
Tsy haiko velively !
Nananika ny lohako sy saiko manontolo,
Nofohaziny daholo !
Fa toy ny afo-mololo
Nirehitra nandoro !
Henoko indray kanefa…aoka ho any !
Mandalo fotsiny ihany !
Ny lalantsika akia, efa nisampana ela !
Tsy nisy mba tavela
F’ilay fitiavana iny…
Natelin’ny fahiny !
DadaRabe
27/08/08

Fitia fahazaza, fitia mbola pur,
Nampidirin'i lehilahytsyresy 28 Aog 2008, 10:26Fitiavan'ankizy samy mbola tsy mûr.
Hadino teny ihany au fur et à mesure,
Ny antony ve? satria la vie est dure.
Miarahaba .
Nampidirin'i Tritriva 28 Aog 2008, 11:24Ntsôô! fitiavana tamin'ny mbola zaza , tahakan'ny famohamandry , mifoha ny fitia ...
Toa mba fotsifotsy be ireto zazakely ! asiantsika loko manja ny volo sy tarehy an !
Rahefa mandroso be ny taona dia tsy maintsy miverimberina any taloha .
Manao bilan'ireo fotoana efa lasa .
Mihazakazaka sy mandalo aingana ny andro ...
Lehilahytsyresy> manja be ilay valiny calp clap clap
Tritriva> tsy nahita sary gasy (na hafa) aho ry tritriva. :-)
Nampidirin'i DadaRabe 28 Aog 2008, 13:38Tantara daholo ireny an !
DadaRabe , misaotra fa mampandeha eritreritra daholo ny tononkalonao .
Nampidirin'i Tritriva 28 Aog 2008, 18:34Ary manja ny sarin'ankizy .
Tantara daholo ireny anaovanao tononkalo ?...
fitiavana kely nisisika ...
tsiky malefaka...
mampatsiaro ahy ireo hira ireo.
Fa tsara be ilay sary ry dadaRabe.
Nampidirin'i maintikely 28 Aog 2008, 19:49DadaRabe ve no nanao an'io?
Tritriva> misaotra é! ny tononkalonao koa anie mampandefa eritreritra é! Sa ahoana ?
Maintikely> Tsy mahay manao sary ohatran'io aho Mintikely à snif !
Nampidirin'i DadaRabe 28 Aog 2008, 22:25Torana aho ry DdRb sy LehilahyTsiresy a ! Mahery nareo e ! tsara fa tohizo.
zaho moa tsy mbola afa-mitoraka fa dia nandalo dia nitsidika !
Mahereza jiaby dia mampamangy amin'ny rehetra fa "izy hono hoe tsy manadino !"
Nampidirin'i Tsikisariaka 29 Aog 2008, 13:17Manao ahoana Tsikisariaka, Ela izany !
Nampidirin'i DadaRabe 29 Aog 2008, 15:39Dia miandry anao é!
izahay eto ihany !
Par: Ny mpanoratra
Date: 17 juillet 2008 - 12:12
Andriamanitra ô ,
Fantatry ny saiko...,
Tena antenaiko
Satria ny foko dia hitolona
amin’ ilay olon-tiako ...izay efa vadin’olona .
Fantatry ny saiko
Ary efa diso haiko
‘reo zanany efa maro,
Fa ny ahy iniana atao, ....manaiky aho hifangaro.
Ka indro aho manontany
Hadisoako moa izany ?
Ny fiangaviako am-bavaka
Hitalahoako sy iriko
Dia Aza avelanao hisaraka
fa izy ihany ange no tiako !
..............................
Omeo ahy re ny fony
Tena omeo ahy tanteraka
Dia aoka koa hohadinoiny
Fa izy anie efa niteraka !.
Ataovy lavitra ny sainy
'Zay voadin’ny mariaziny
Fa ny olon-tokana holalainy:
“ Dia izaho, ... izaho hatrany no hotiaviny .
Izay no vavaka asandratro
Nampidirin'i za iany 17 Sep 2008, 16:48Iangaviako anao fatratra
Dia hanao voady aho isan’andro
Fa mba omeo ilay valim-bavaka .
Par: bandy favy
Date: 17 juillet 2008 - 13:05
Ho an'i mpanoratra,
Raha hosarahinao aminy izy
Ka handao 'lay notiaviny
Nofidiany ho renin-janany
Dia tsy mba ampalahelo ve?
Mba alaivo an-tsaina kely
Ny fiainan'olona ho potika
Sy 'reo fo ho rotidrotika
Koa mba saino ihany re!
Ny fitiavan-tena
Mandifotra, mahamenatra
Ny hevitrao miampanga, manaporofo
Noho ity filàna ara-nofo.
Aza antsoinao akory 'lay Mpahary
Nampidirin'i za iany 17 Sep 2008, 16:50Sao tsy mety,
tsy ankasitrahany,
Haratsiana an-karihary!
Par: TOVOKELY
Date: 17 juillet 2008 - 14:51
ry andriamanitra mahery
sady tompo tsara ianao
azafady enoy kely
zao tonombavakay izao
malahelo izany fo
ary zendana tokoa
f'izahay zanakao
toa manao ny tsy fanao
aiza ve ry tompo tsara
enoy anie ity tantara
ny vadinay mba bôgôsy
misy tena sahy mikôty
tsisy henamaso akory
tena manorisory
mila hapiteny ratsy
soa aho mahatanty
fa izao no faniriko
ary tena hiangaviko
tanterao ra sitrakao
zao fangatahako izao
kapoy ataovy mahamay
anaro tsara mba ho fay
mandritra ny androny tontolo
ireo mpangala-badin'olo
itondray rotsakazo
izay mitady aoka hahazo
oak'ianao tsy hisalasala
fa daino raha vao manadala
izay aloha no azo ambara
Nampidirin'i za iany 17 Sep 2008, 16:53fa ianao mahalala tsara
izay tokony hatao
izay sitrakao dia tantarao
Par: lasa vinany
Date: 17 juillet 2008 - 16:38
Vavaka ihany koa !!!!!!
Tompo ô ! raha tena tiany ilay vehivavy
Ka hamaly vavaka azy ianao
Ataovy tsapany 'lay hoe "vady"
Mba ho hajainy toa anao
Fa ny fitiavana mihaitraitra
Tsy hitondra fifaliana
Fa fahoriana 'zay tsy laitra
No hiampy fijaliana
Ranomaso sy tomany
No handriaka isan'alina
Dia ekenao ve izany ?
Sa dia mora hampiharina ?
Ka sahy manandram-bavaka
Hitalahoana any Aminao
Mba ahafahana mitsabaka
Sy hanadala tsotr'izao
Ilay efa anjaran'olona
Nampidirin'i za iany 17 Sep 2008, 16:55Izay tsiriritiny aok'izany
Vonjeo ny ankizy tsy ho sorona
Fa tsy fidin'azy 'reo izany
Par: TOVOKELY
Date: 17 juillet 2008 - 17:31
mamela ny helokay
ô tompo ray tsy toha
fa be reo ditra vitanay
zay mitambesatra ao ampo
toa tsy fantatray intsony
izay tokony hatao
ny filanay no ambony
adinonay ny didinao
ampianaro zahay jesoa
haoka ianao hanavao
ny ao antsainay sy ny ampo
mba homendrika anao
raha mba azonay atao
ny misitrika sy mihery
dia nataonay tsotr'izao
nohon'ity fo feno fery
izahay mijangajanga
mitririritra vadin'olo
ra ny otanay angamba
foana tsy hary izao tontolo
ny vavakay toa manompa
maniratsira tsotr'izao
mampiseo ny maha-panota
heverianay fa tsisy ianao
be tokoa reo fahadisoana
tafahoatra ka mifona
aza raisinao ampo
fa adinoy avokoa
fa ianao izay nahary
Nampidirin'i za iany 17 Sep 2008, 16:56no tsy nandringana anay
matoa zahay lavirary
ka misaotra anao ry ray
Par: lasa vinany
Date: 18 juillet 2008 - 11:18
Raha mpilalao fitia ianao
Nefa vavaka no asandratra
Mba hamelana ny helokao
Hihaino anao ve Andriamanitra ?
Raha noho ilay sitra-po
No nampisaraka mpivady
Mety tsy ho iray na roa
No efa rava vaky tady
Handry foana ve ny saina ?
Raha izay no mety hitranga
Sa ianao efa midaina
ka ny fiainanao no banga
Dia fenoinao any an-kafa
'Lay filibana sy ny janga
Manimba ianao tsy mihafahafa
Vao misy iray manangasanga
Raha mba ny anao no atao izany
Nampidirin'i za iany 17 Sep 2008, 16:57Ahoana no mba hevitrao ?
Ho faly ianao sa hitomany ?
Eritrereto 'zay hatao
Misaotra an'i za iany amin'ny tononkalo maromaro
Nampidirin'i DadaRabe 17 Sep 2008, 19:44