SAMBATRA !
Nampidirin'i dadarabe | 27 Aog, 2008
SAMBATRA !
Sambatra ny fiainako fa manana anao,
Tsy miova, tsy mandao…
Na andro lohataona, na alina ririnina,
Ianao azoko iankinana,
Hitantana ny dia,
Ety an-tany ety !
Sambatra ny aiko fa eo akaikinao,
Tsy hisy hankalao,
Fa efa safononoka sy heni-pifaliana
Sy feno fitokiana…
Satry foana aho ho eo,
Ny foko tsy ho leo !
Sambatra ny saiko mihaino foana anao,
Ny teny maminao…
Ireny no sakafo iainako isan’andro,
Mamono ny masoandro,
Ianao foana hatrany…
Omaly, ampitso, androany !
DadaRabe
05/06/08 21 :10
Miarahaba an'i DadaRaBe fa sambatra
Izy mahalala fa :
Eo andro misy ny mafy
No tena mila azy
Aheno ny feony
Hamofona ny hanitra avy aminy
Ny fidobodoboin'ny fony
Izany no mampandeha ny sorisory
Sy mampiverina ny fifaliana
Eo anilany hiany no miverina
Ahitana fahasambarana
Izy irery no tiana
Izy no tena tia
Miara-dia , mifankatia
Eto amin'ity tany ity
N'oublie pas que :
Le plus bel amour ne va pas loin si on le regarde courir .
Mais plutôt il faut le porter à bras comme un enfant chéri .
Emile Chartier
Nampidirin'i tritriva 27 Aog 2008, 08:32Ilay henim-pifaliana angamba tokony ho heni-pifaliana raha toa ka hoe henika fifaliana no tiana hotenenina. Mba tsetsatsetsa tsy aritra iny fa indraindray mantsy samy fiteny ny misy n sy ny tsy misy n, nefa samy hafa ny dikany. Ohatra, anarana hoe Hanitsoa na Hanintsoa, ilay tsy misy n midika hoe hanitra soa, fa ilay misy kosa midika hoe hanina soa.
Nampidirin'i DotMG 27 Aog 2008, 08:59Tritriva, DotMG
Misy fahasambarana
iainana isan'andro
mitondra fiadanana
sy taratra masoandro
DotMG> ie, efa novaiko.
Nampidirin'i DadaRabe 27 Aog 2008, 12:43Misaotra é!
clap clap clap
Nampidirin'i ikalamako 27 Aog 2008, 13:59mba tsetsatsetsa tsy aritr'ikalamako raha tsy dia hoe kiriezy loatra : fa aiza DadaRabe izao ? mahafinaritra manko fa tonga ihany lahy ny tononkalonao mandravaka ny blaogintsika.
Manao ahoana Ikalamako à
Nampidirin'i DadaRabe 27 Aog 2008, 15:25ie, somary teritery kely tokoa ny fotoanako teo dia izao indray vao tafaverina.
Misaotra fa dia mifampizara tononkalo sy vaovao eto isika é
DdRb
Msôtra mizara Dadarabe a!
Nampidirin'i Tokinao 28 Aog 2008, 00:36Tokinao> eh ! isika rehetra no mifampizara é!
Nampidirin'i DadaRabe 28 Aog 2008, 01:17