MITANDREMA ISIKA !

Nampidirin'i dadarabe | 17 Aog, 2008


MITANDREMA ISIKA !

Mitandrema isika !
Ny tany diavintsika anie ka feno fikafika,
Feno fitapitaka...
Dia fotaka mandrevo sy loza miparitaka.

Mitandrema indry !
Fa sarotra ny lalana ary be ireo mody tia...
Mandangolago fatratra,
Kanefa dia mamingana, mamarina any an-tatatra.

Mitandrema letsy !
Fa misy ireo mitetika mamorona hevi-petsy
Dia mody tena namana,
Kanefa ny ao an-tsainy : handroba izay an-tanana !

Mitandrema foana !
Fa lasa ireny ora, mandroso ny fotoana...
Aza mitaredretra !
Fa ndrao dia tara loatra ka eo vao manetsetra !

Mitandrema isika !

DadaRabe
La Charité
18/12/06   08:03



30 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "MITANDREMA ISIKA !"

  1. Hay ve ny gidro manana fanahy ?

    Tsy azoko ny hoe : mivarotra ny marina .

    Eny maro no nivarina , ka nanao zava-tsy mety .

    Aleo atsipy lavitra ny hoditr'akondro ka mba tsy hianjera .

    Nampidirin'i mianatra 23 Aog 2008, 00:19
  2. Fanahin-gidro ?
    Eto aho vao mieritreritra hoe ahoana tokoa ny fanahin-dry zareo ?

    ILay mivarotra ny marina dia ilay manakalo ny marina, ny rariny, ny fahamarinana amin'ny vola ka zary ampanginina izy ireny.

    Ny hoditr'akondro
    Ny tafondro
    Sy ny famonoana
    ary ny fandavoana

    aoka ho atsipy any
    ho lavitra ny tany
    ka soa no hanjaka
    sy koa hanorim-paka

    ?????????

    Nampidirin'i DadaRabe 23 Aog 2008, 14:58
  3. Ny tany diavintsika
    Feno tafondro sy basy
    Mitondra fahoriana
    Ankohonana mitomany

    Zara fa misy tsara fanahy
    Mifidy ny soa ho hanjaka
    Hamakafàka sy handresy
    Ny faty sy fanarariana

    Nampidirin'i mianatra 24 Aog 2008, 00:20
  4. MIsy hiran'i Dadah (Mahaleo)
    izay ry Mianatra :

    Ny basy tafondro
    tsentseno hangina
    fitia no avela hikoriana
    .....
    Satria fitia !

    Dadah

    Tohizo fa manja é!

    Nampidirin'i DadaRabe 24 Aog 2008, 16:10
  5. Mbola tsy manana hevitra maro fa :

    Sarotra ny fitiavana
    Zavatra sarobidy
    Tsy azo atao kilalao
    Raha sendra efa manana
    Tazony mafy ao an-sandry

    Fitiavana namana
    Mpifankatia , tia
    Ireo nanome ny aina
    Ny zanaka nirina
    Sa Andriamanitra ?

    Ilay nosy >> Dadah ( Mahaleo )

    Na lavitra aza aho
    Tsy manadino anao
    Fa toy ny reny nitaiza
    Tsy adino n'aiza n'aiza
    Fa nahitako masoandro
    Tiako sy mamiko
    ô ô tadidiko isan'andro
    Tiako ny taniko
    ...

    Nampidirin'i mianatra 24 Aog 2008, 21:55
  6. Tsy fanahy iniana
    Ny resin'ny tiana
    FA mahery ny Fitia

    (tsy tadidiko ny tompon'ny hira)

    Sarotra ny fitiavana
    Ary sarobidy
    ary tsy adidy
    Fa omena ireo havana

    Avy aiza ny fitiavana ?
    Nirotsaka avy an-danitra ?
    Avy amin'Andriamanitra ?
    Avy aiza fa tsy tazana ?

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 25 Aog 2008, 00:10
  7. Manahoana ianao ry mpampianatra .
    Tsy azoko mihitsy ny dikan'ny hoe :
    iniana , efa notadiaviko nefa tsy hita . Misaotra mialoha .

    Nampidirin'i mianatra 25 Aog 2008, 19:34
  8. Iniana = atao tsy kisendrasendra fa tena izay no tiana atao
    (avec attention, exprès).

    Tsy fanahy iniana (fanahiniana) = tsy izay no tena saika atao fa tonga.

    Nampidirin'i DadaRabe 25 Aog 2008, 23:17
  9. Ny saina miahiahy
    Ity fo mitempotempo
    Miandry ny fotoana
    Hiavianao ry zandry

    Fitiavana akama tsotra
    Ts'isy olana amin'izany
    Fa ilaina anie ny namana
    Mifampitàna , mifanampy

    Rahefa misy sorisory
    Na tsy mahita tory
    Ianao no masoandro
    Rahefa matotra ny andro

    Manantena sosok'hevitra
    Anomboina ny vetso
    Tsy dia tonga lafatra
    Enga ahafinaritra

    Dia mirary soa atrany
    Sao tsy afaka mitàfa
    Ny ampitso tsy ho fantatra
    Androany anefa eto ihany

    Nampidirin'i mianatra 26 Aog 2008, 00:31
  10. Ny ampitso anie tsy fantatra
    ny saina miasa fatratra
    Indrainday anie ry namako
    midoboka ao an-tratrako

    Indrindra sorisory
    Tsy ahitana tory
    fa misy izay tsy zaka
    ny saina vakavaka

    Saingy eo ny namana
    manolotra ny tanana
    sy afaka mitafa
    tsy mba mihafahafa

    dia faly koa ny saina
    ka toy io maraina
    mamerovero fatratra
    sy tena tonga lafatra

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 26 Aog 2008, 02:57
«Mialoha   1 2