MITANDREMA ISIKA !
Nampidirin'i dadarabe | 17 Aog, 2008
MITANDREMA ISIKA !
Mitandrema isika !
Ny tany diavintsika anie ka feno fikafika,
Feno fitapitaka...
Dia fotaka mandrevo sy loza miparitaka.
Mitandrema indry !
Fa sarotra ny lalana ary be ireo mody tia...
Mandangolago fatratra,
Kanefa dia mamingana, mamarina any an-tatatra.
Mitandrema letsy !
Fa misy ireo mitetika mamorona hevi-petsy
Dia mody tena namana,
Kanefa ny ao an-tsainy : handroba izay an-tanana !
Mitandrema foana !
Fa lasa ireny ora, mandroso ny fotoana...
Aza mitaredretra !
Fa ndrao dia tara loatra ka eo vao manetsetra !
Mitandrema isika !
DadaRabe
La Charité
18/12/06 08:03
miarahaba dadarabe an
elaela izy izany
marina tokoa fa mila mitandrina, fa indrindra indrindra mitandrina mba hiaina "à fond" ny andro rehetra fa mandalo izao fiainana izao, sy mba tsy hisian'ny nenina any aoriana
mirary soa
Nampidirin'i maintikely 17 Aog 2008, 08:10Tena mila mitandrina tokoa fa ny fahavalo ratsy indrindra tokoa ange dia ireo mody namana ihany.
Ary manahoana ny taiza ao aloha e?
Nampidirin'i Lalasoa 17 Aog 2008, 09:58Miarahaba
Maintikely, Lalasoa> ie ilaina tokoa eny amin'ny fiainana eny ny malina. "Ramalina aza hono mifehy hazo tokana".
Ny taiza dia mihalehibe. Efa haka 5 volana. Vetivety é!
Nampidirin'i DadaRabe 17 Aog 2008, 14:43ento milamina é :-)
Nampidirin'i Kdaombaramita 17 Aog 2008, 20:23Misaotra dadarabe a
Nampidirin'i Tokinao 17 Aog 2008, 20:43Entina milamina é!
Ento mora ny lalao mbola ho el hoy Black Jack's :-)
Nampidirin'i DadaRabe 17 Aog 2008, 21:58eka ouz ry DadaRabe.
Nampidirin'i ikalamako 18 Aog 2008, 02:04Milay fa miverina indray ny tononkalontsika, misaotra e !
Angaha hita ry Ikalamako à!
Nampidirin'i DadaRabe 18 Aog 2008, 03:21Misaotra e!
Nampidirin'i news2dago 18 Aog 2008, 14:03tena malma maina tokoa ny tany ka ny rano natsakaina indray ity no mamono!
Dia mbola asiana black Jacs indray ry news2dago
Mba tandremo kely lesy (2)
‘ty fiainana ity anie ka be fikafika
Mba tandremo kely lesy
Mitolona lery mba ho tafita
Ny fandrika hiaraha-mahita
Zaran’olona aza ialahy midaraboka dia any dia tsy hita
Zandry a ! Ny tany anie ka malama maina
Nampidirin'i DadaRabe 18 Aog 2008, 15:50Tsy ampy lesy ny mitaraina
Mba tanora ve lery sao refa drodroka tsy manana hataina
Zandry a ! Tsy vita tranga lela ny miaina a
Tsy ampy lesy ny mitaraina
Sao ny namana niarahana ela tafita, ialahy tonga saina
Ry zatovo tsara feo,
Nampidirin'i lehilahytsyresy 19 Aog 2008, 20:30mitandrema ry zareo !
sao dia lanin' vitsik'eo
ilay tantely anikeheo...
Lehilahytsyresy>
Nampidirin'i DadaRabe 19 Aog 2008, 21:28NAnkaiza ny tanteliko teto?
Lanin'ny vitsika
Vitsika inona?
Vitsi-kambo..............
Mihodikodina leisy
Nampidirin'i pissoa 19 Aog 2008, 23:42Ity tanintsika ity :)
Ka mahaiza fetsifetsy
Nampidirin'i DadaRabe 20 Aog 2008, 00:24sao ialahy dia mikodia :-)
Ho teneniko vetivety
Sarotra ho ahy ny fahitana
Fomba fanoratana metimety
Apetrako ary , asa raha mety ?
N'aiza , n'aiza
Eto an-tany
Tsy maintsy misy fikafika
Misy manana hevi-petsy
Tsy misy ahazoana ahiahy
Mitandrina sy misava
Miambona hatrizay
Mba tsy ho latsaka ao an-davaka
Tonga eto aho moramora
Nampidirin'i mianatra 20 Aog 2008, 22:35Manantona anareo mahay
Mpamorona tononkalo betsaka
Fifalian'ny saina sy fanahy
Mianatra>
"N'aiza , n'aiza
Eto an-tany
Tsy maintsy misy fikafika
Misy manana hevi-petsy "
Misaotra ami'ilay tononkalo
MArina mihitsy no lazainao. Tsy maintsy fetsifetsy ihany koa é!
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2008, 16:01Dia mitandrina ihany koa amin'ny fahafetsifetsen'ny sasany.
Sa ahoana ?
Izay fetsifetsy mety manana
Fiheritreretana milay
Ahitana izay azo atao
Andosirana ny fikafika
Misy koa ireo mahay manambaka
Raha mety ahazoany tombon-tsoa
Indrindra ao amin'ny raharahany
Fiasana, fivarotana, am-pividiana
Amin'ny fiainana andavan'andro
Nampidirin'i mianatra 21 Aog 2008, 18:57Sarotra ny ahafantarana ny olona
Tena matotra, miseho ho namana é!
Izany ve ry mpampianatra ?
Mianatra>
Be ny fetsy sy maranitra
hila hanakatra ny lanitra
ary tena nandrandraina
Ka nitondra ny maraina
Misy fetsifetsy lava
sady mailamaila-bava
Dia milaza izao sy izao
Kay nataony izay natao
Misy kosa mody bado
Kay samborina tsy azo
fa malama toy ny trondro
mampianjera toa akondro
Ka dia mailo foana hatrany
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2008, 19:25Fombany ihany io eto an-tany
Izay no izao tontolo izao
SA ahoana hoy ianao ?
Eny misy ireny mitady
Tsy mahafantatra fa
Ny lanitra, tsy eny ambony akory
Fa ao anatin'ny fanahy
Ny tsirairay, samy manana
Izay fahitany ny marina
Mino sa tsy mino fa
Tena misy Azy ao anatintsika ao
Izay manaiky an'izany
Hitandrina ny namana
Fa tsy anao fetsifetsy
Sy hitondra fanjombonana
Any manaraka indray ary
Nampidirin'i mianatra 21 Aog 2008, 21:59DaDaRaBe ô!
Misaotra
Betsaka
Mianatra,
Ie, ny fanahy no olona
Izy no mivonona
hiady hisedra mafy
na mangidy, na tsy tanty
Raha noana anefa 'ty kibo
na isika na ny gidro
dia mivezy ny fanahy
Ka manjary miahiahy
Misy anefa ireo izay sahy
manadala ny fanahy
ka mivarotra ny marina
ary maro no nivarina
tsy dia ho be resaka aho
fa diniho re izay atao
fa malama anie ny tany
Ianao mahafantatra izany
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 22 Aog 2008, 00:50