Miarahaba (Mitondra sary vitsivitsy)
Nampidirin'i dadarabe | 13 Aog, 2008Miarahaba ny rehetra,
Tsy dia misy vaovao fa dia faly miarahaba antsika rehetra.
Misy sary vitsivitsy ireto :
Izay indray aloha
DadaRabe
Rabe Andriamanarivo Paoly
Tononkalo sy fiainana
Miarahaba ny rehetra,
Tsy dia misy vaovao fa dia faly miarahaba antsika rehetra.
Misy sary vitsivitsy ireto :
Izay indray aloha
DadaRabe
Rabe Andriamanarivo Paoly
Misaotra an' i DadaRabe tamin' ireo vaovao sy ireo sary e.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 13 Aog 2008, 03:52Mirary fahazotoana lalandava.
"Hiaraka handresy" ... amin' i lehilahytsyresy :-)
tsisy poezia akory ! :-(
Nampidirin'i ikalamako 13 Aog 2008, 04:00Dia enjehina tokoa izao connexion-nareo izao kah !
Aoka re marina ry DadaRabe lay manasa ilay tsy mahalavi-dalana (tonga dia tsaroako ilay hoe "mahantra ve ny Malagasy, lol)
Dia mba mitsiditsidiha matetika amin'izay re Ramose fa efa ela tsy nitononkalo i pissoa, ry tsikisariaka nanepoka, tssss
Dia mahavità be amin'ny adidy sahanina e, moramora amin'ny mosakiky fa manjary mitelin-drora tsy fidiny agnay.
Veloma mandra-piblaogy indray ô !
Mijery ilay tahiry aho dia aprily 2 no eo dia avy hatrany dia aogositra 1!
Nampidirin'i harilova 13 Aog 2008, 07:26Dia mba nitondran' Dadarabe Motsakiky va re anay sa dia hampilendalendaina ihany e!
Dia faly miarahaba an'i Dadarabe ihany koa i Harilova e
Miarahaba daholo é!
Tsara ihany aloha fa tsy efenina ilay mosakikin'i Bord é!
Fa amin'ny andro fakan-drivotra dia hipoka olona mihitsy eo ny hariva.
Lehilahytsyresy> SAdy tsy resy no mandresy an!
Ikalamako, Harilova> Nadao ary hikirimbarimba eny amin'nyh BOrd é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 13 Aog 2008, 12:37Tsy nikôzy DadaRabe hoe nandalo raha tsy izany dia mba nifankahita tao St-Denis.
Nampidirin'i Kdaombaramita 13 Aog 2008, 14:19Kdaomaramita> Raha mba fantatro hoe tany nareo dia mba nifankahita.
Nampidirin'i DadaRabe 13 Aog 2008, 14:33Izaho aza dia nirenireny fotsiny tao.
Amin'ny manaraka é!
Marina izany an !
Misaotra amin'ny sary DadaRabe a. Farafaharatsiny izahay mba mitelin-drora amin'ny mosakiky lol.
Tonga soa eto amin'ny blaogy indray e :-)
Nampidirin'i pissoa 13 Aog 2008, 23:12Faly miarahaba indray Dadarabe a!
Nampidirin'i tokinao 13 Aog 2008, 23:40Mia misaotra amin'ny sary e :).
Pissoa> Lainga aloha lainga fa misy mosakiky tsara ao é! indrindra ilay lambiansy.
Tokinao> misaotra é!
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 14 Aog 2008, 01:17Hono ho aho fa mba manitikitika ny saiko izy ity aza raha nahavoa anareo : rehefa mandalo any Dago dia manesokesoka ity sakafo "amoron-dàlana" (mosakiky, mofogasy, ramanonaka, mofo baolina, sns) rehetra ity ka ny tohiny dia akesokesoka koa ny fanafody kibo. Ny tena te-hihinana foana, ny kibo marary arytsy izaho irery no tratran'io. Tadidiko tsara fa reveillon de fin d'année t@ izay, sakafo izao, sady tsara voatra fa dia ny niafarany dia tsy nihinana mihitsy fa nipetrapetraka teo ambody varavaran'ny toilette ! Ha ha ha ! Mahagaga ahy ity manjary tsy mahatanty sakafo eto an-toerana ity nefa fahiny io no niainana.
Nampidirin'i Kdaombaramita 14 Aog 2008, 09:01Kdaombaramita> zaho aloha mbola tsy tratran'ireny é (mosakiky, ramanonaka, sns) ! ny nahatratra ahy da ny charcuterie eny ami'ny mpivarotra. Ny rano @ paompy koa no tsy misotro mihitsy aho fa efa narary kibo.
NA izany na tsy izany dia aleo fna mitandrina.
Nampidirin'i DadaRabe 14 Aog 2008, 12:47Tonga soa eee
Nampidirin'i simp 14 Aog 2008, 23:39manja dia manja tokoa ny sary :)
Simp> eto indray é!
Nampidirin'i DadaRabe 15 Aog 2008, 00:17Tonga soa dadarabe!
Nampidirin'i news2dago 16 Aog 2008, 08:31tena misy voan-dalana marina
Miarahaba an'i News2dago.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 16 Aog 2008, 13:24faly miarahaba ny rehetra indray ô!
Nampidirin'i Malala13 25 Aog 2008, 18:28Tongasoa razoky a, tena mampilendalenda ireto masikita e, mba tsarovy ny akama rehefa iny harivariva iny nareo eny @ bord e,misaotra @ sary ô, mahafinaritra tokoa,
Vita indray ity ny vankasy.
mazoto hatrany doly!
Malala 13,
Tao St Denis fa lavitra loatra ny any aminareo dia tao dia nijanona.
:-(
ie, mahafinaritra eny amin'ny bord sy ny maskita manitra.
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 25 Aog 2008, 23:23