TONGA SOA I MALALA
Nampidirin'i dadarabe | 4 Apr, 2008Miarahaba,
Tsy afaka nitsidika blaogy tato ho ato é! tsy izany fa tonga soa ao an-tranonay tamin'ny herinandro lasa teo i Malala RABE. Zazavavy kely izy.
Jehovah Andriamanitra anie hitahy azy aminy fiainany rehetra !
Izay aloha fa hiverina eo ihany !
DadaRabe

Antsay e !
Tonga soa i Malala :)
Dia arahabaina ny Rainimalala sy Reninimalala hi hi.
Nampidirin'i pissoa 04 Apr 2008, 13:49Faly miarahaba anareo nahazo fara sy dimby. Dia ho feno fahasoavan'Andriamanitra hatrany ny fiainanareo mianakavy, ka ho tafita amin'ny ambony indrindra i Malala Rabe ho anisan'ireo reharehan'ny malagasy.
Bisoux BDB !
Kdômbitah.
Nampidirin'i kdaombaramita 04 Apr 2008, 13:52Oh! Arahabaina nahazo fara izany e! Hitako no tsy hitako ko!
Nampidirin'i Lalasoa 04 Apr 2008, 13:57Nomen'Andriamanitra ny Fara razoky a! Maroroha taiza :-)
Nampidirin'i tsiky 04 Apr 2008, 14:35Tonga soa i Malala !
Nampidirin'i jogany 04 Apr 2008, 14:42Arahabaina nahazo fara !
Pleins de papillons!
Arahabaina e!
Nampidirin'i DotMG 04 Apr 2008, 15:07Ary izaho raha vao mahita hoe tonga soa iha @ ity RSS ity dia tsy mamaky, fa tamin'ity aho mba sendra namaky an.
Fa dia tonga malala indray ve vao tsy mampiady rima?
Nampidirin'i DotMG 04 Apr 2008, 15:07arabaina nahazo mpantsaka eee :)
mirary soa,
Nampidirin'i simp 04 Apr 2008, 15:33sa mpamoha robinet @ zao taonjato faha 21 zao :P
Nampidirin'i simp 04 Apr 2008, 15:34nomen'Andriamanitra fara izany dadarabe mianakavy e!
ie dia mirary soa tokoa e!
Nampidirin'i news2dago 04 Apr 2008, 16:32izahay zao vao miandriandry koa
Arahabaina izany fa lasa Dada²Rabe :-) Nahazo dimby sy fara!
Nampidirin'i lap 04 Apr 2008, 17:17Mirary soa hatrany ho an'ny vahiny e.
Dia mirary fahazotoana ho an'ny Raiaman-dReny amin'izao faly sahirana izao.
Arahabaina e,
Tonga soa akia malala a, dia efa asio blaogy e!
Nampidirin'i ikalakely 04 Apr 2008, 17:44Waaaooooo! Arabaina r'ise a! Telo izany izao? Tsara be!!! Sady nahay nifidy ny anarany koa ianareo : Malala! Milay be! Tongavà taiza ry zareo a!
Nampidirin'i Pone 04 Apr 2008, 18:38MALALA, TONGA SOA ! BIENVENUE à MALALA !
Un cartoon de HelySoa1
Arahabaina izany i Malala kely fa tonga soa ao an-tranon'i DadaRabe.
Nampidirin'i lehilahytsyresy 04 Apr 2008, 21:37Enga anie hitombo fahasoavana hatrany hatrany e.
arahabaina i dadarabe sy i nenirabe (?) nahazo fara sy dimby.
Nampidirin'i maintikely 04 Apr 2008, 22:48Ho tahian'ilay Nahary :D
Maroroa taiza :)
Arahabaina nahazo fara sy dimby dadarabe a! Dia mirary fahasalamana tanteraka ho azy, sy ny ray aman-dreniny.
Araka ny teninao ... Andriamanitra anie hitahy azy amin'ny fiainany rehetra ! Amen
Nampidirin'i Tokinao 04 Apr 2008, 22:55Dia misaotra betsaka antsika rehetra é!
Izaho moa dia tsy mbola nahita azy mivantatna fa sary sy skype ihany. raha afaka 10 andro aho vao mahita azy.
Mahafinaritra daholo é!
Tsara be ilay cartoon ry Helisoa
Mbola hanoratra ho anareo eo ambany hono i malala
Andriamanitry ny fiadanana homba anareo mandrakariva
DdRb
Nampidirin'i DadaRabe 05 Apr 2008, 00:31ouin ouin ouin ouin ouin ouin
Nampidirin'i Malala Rabe 05 Apr 2008, 00:33(teny gasy => misaotra)
tara be ikalamako fa sahirana kely nandritra ny roa andro dia tsy naharaka vaovao blaogy.
Nampidirin'i ikalamako 05 Apr 2008, 12:53Fa tsy tara kosa ny fiarahabana ny ray sy renin'i Malala nahazo saribakoly be ! Miarahaba an'i Hasina koa nahazo zandrivavikely hiadiana matetika ao an-trano indray e !(hanaovana la loi des plus grands et des plus forts).
Maroroa taiza dia mamy betsaka ho an'ilay poupette.