Tantaran'i ZAKILININA SY DIDINTSOKINA
Nampidirin'i dadarabe | 19 Mar, 2008
Miarahaba,
HO tohin'ny tantara dia nisy koa ireo namana hafa toa an-dry Zakilinina, Didintsokina, Ketamanga, Lezo, sns.
ZAKILININA SY DIDINTSOKINA
Zakilinina sy Didintsokina:
Ny iray matavy, ny iray bebokona,
Tratra nitsindroka voamadilo,
Voasazy nipetraka tam’tsilo!
Zakilinina mpatsaka rano,
Mody nitokona tao an-trano;
Didintsokina mpitoto vary,
Mody nilaza fa hoe marary;
K’hay tao ambadiky ny garazy,
Nanao sarintsarina mariazy,
Ka dia i Doda no hoe “mompera”
I Dondrona kosa no atao saofera;
I Lezo am’zany no mpikabary,
I Borida kosa no mpaka sary,
Ary dia raikitra tena manja,
Ireto ankizy nifaly avanja.
Fa i Ketamanga nangaringarika,
Ka hay nony farany dia voatarika,
I Tenda kosa namely ambosika,
Ka saika kenda raha tsy natosika.
Zakilinina sy Didintsokina,
Vita ny hariva nialàna vonkina,
Vao namikiviky nankany an-trano…
Voakapoka mafy nahita angano!
DadaRabe
Ste Marguerite
31/03/02 00:30
HO tohin'ny tantara dia nisy koa ireo namana hafa toa an-dry Zakilinina, Didintsokina, Ketamanga, Lezo, sns.
ZAKILININA SY DIDINTSOKINA
Zakilinina sy Didintsokina:
Ny iray matavy, ny iray bebokona,
Tratra nitsindroka voamadilo,
Voasazy nipetraka tam’tsilo!
Zakilinina mpatsaka rano,
Mody nitokona tao an-trano;
Didintsokina mpitoto vary,
Mody nilaza fa hoe marary;
K’hay tao ambadiky ny garazy,
Nanao sarintsarina mariazy,
Ka dia i Doda no hoe “mompera”
I Dondrona kosa no atao saofera;
I Lezo am’zany no mpikabary,
I Borida kosa no mpaka sary,
Ary dia raikitra tena manja,
Ireto ankizy nifaly avanja.
Fa i Ketamanga nangaringarika,
Ka hay nony farany dia voatarika,
I Tenda kosa namely ambosika,
Ka saika kenda raha tsy natosika.
Zakilinina sy Didintsokina,
Vita ny hariva nialàna vonkina,
Vao namikiviky nankany an-trano…
Voakapoka mafy nahita angano!
DadaRabe
Ste Marguerite
31/03/02 00:30

mahery e !!!
Nampidirin'i ikalamako 19 Mar 2008, 22:50Naninona hono i ketamanga no nangaringarika ? Hoe lasan'i zakilinina ny bandy ? tsss, ry ketamanga koh !
Ity izany mitovy amin'ilay hoe : "natao mariazy hono ireto akoho, tao anaty garazy ny randèvou.
Ha ha ha vao tamin'ny alahady aho tany anaty tram naheno ankizy (lahy sy vavy 5-6 taona eo hoe eo): nanontany ilay vavikely hoe: rahoviana aho no mahazo manoroka anao? Dia hoy ilay lahikely: Rehefa mivady isika! Nanao mody fanina fotsiny aho nangalam-pijery azy 'dahy' kely dia niteny irery hoe: Aloha be izany resa-bazaha izany!
Nampidirin'i Lalasoa 19 Mar 2008, 22:54Ikalamako> Ka I Ketamanga koa anie mba nanana progany é! saingy i ZAkilinina haingam-pihetsika !
Lalasoa> Asa raha hahandry an'izany ry zareo ! :-) toran'ny hehy aho amin'ilay hoe nody fanina fotsiny ianao !
Nampidirin'i DadaRabe 19 Mar 2008, 23:58miady rima kosa an :)
5x5 eeee
mampatsiaro an'ity:
jereo eto
;-)
Nampidirin'i simp 20 Mar 2008, 00:05Miosaotra an'i Simp mitondra vazo mifanaraka foana.
INdreo ankizy miara-dia
Nampidirin'i DadaRabe 20 Mar 2008, 03:18...................
Izay tsy nitia taminareo
NO aoka hitoraka azy ireo !
Ankizy roa kely miara-milalao
Nampidirin'i lehilahytsyresy 20 Mar 2008, 05:36Manao kivadivady anaty garazy ao
Mianatra fiainana, mianatra knowhow
Manao tsianjery " marriage vow "
Mbola misy ve izany am'zao fotoana izao ?
:-)
Misaotra e!
Nampidirin'i news2dago 20 Mar 2008, 10:43Jereo koa ao amin'ny sitewebn'i DadaRabe fa misy tsikera hafa
Nampidirin'i Helisoa 20 Mar 2008, 10:51http://www.freewebs.com/dadarabe
Lehilahytsiresy> :-)
News2dago> misaotra é
Helisoa> Manasa antsika rehetra é
Nampidirin'i DadaRabe 20 Mar 2008, 12:37Misaotra dadarabe a :-)
Nampidirin'i Tokinao 20 Mar 2008, 21:44ha ha ha !
mampiatsiaro ny fahazazana izy izany ! mariazy mariazy e ! rakofana voninkazo lolol
Nampidirin'i pissoa 20 Mar 2008, 22:19iii--iiny Zakeliny mama a
Nampidirin'i manana 21 Mar 2008, 02:42Tokinao> Mifampisaotra ô ! :-)
Pissoa> HAy ianao nanao mariazy mariazy ! tantarao ary é!
Manana> MAnja é!
Nampidirin'i DadaRabe 21 Mar 2008, 02:50Mirary Paka finaritra ho anareo rehetra eto e.
Nampidirin'i Pone 21 Mar 2008, 18:19Tsara DdRb a, fa mba nijery izay fihetsik'i Marka fa toa tsy ao. Nihomehy irery aho momba an'io omaly. Lava be io raha tantaraina eto.
Namana> Ilay hoe "izay tsy nitia taminareo..." iny mihitsy no itiavako io hira io r'ise a.
Manao ahoana Pone,
Tsy azoko ilay resakao momba ilay fihetsik'i Marka. Iza ilay Marka ?
Nampidirin'i DadaRabe 21 Mar 2008, 21:01