ALINA RIRININA (Tempête de neige eto St Pierre)
Nampidirin'i dadarabe | 18 Mar, 2008
Tempête de neige manadala eto St Pierre amin'izao ora anoratako izao (0:04). Naka sary kely aho teo saingy tsy afa-mivoaka any ivelany fa dia teo am-baravaran-kely ihany.
DdRb
ALINA RIRININA (Tempête de neige eto St Pierre)
Tanatin’iny alina sy rivotra mifofo,
Niainako ny irery,
Vovo-dranomandry mifafy tora-jofo,
Mandrakotra an-kery
Ny voahary manontolo…
…Jenjin-korohoro.
Zavon-tsy hita fara mirongatra an-dongy,
Ny aliko haizim-pito !
Tinaratry ny jiro hironjona, hitrongy,
Toa lavitra ny ampitso !
Fa ny eto ritsodritsoka,
Ny masoko efa ditsoka !
Alina mahatahotra mitafy lamba jaky,
Mihantsy, mila kisa,
Manangatra fanahy, avelon’ny efa maty,
Tsy tojo paradisa ?
Ka eto no manampatra
Fa tsy afa-niala sasatra.
Anatin’ity alina sy rivotra manjofo,
Izaho miteny irery…
Ditso-dranomandry sy rivotra mifofo,
Toa feno mistery !
Tsy hita izay banjinina,
Fa alina ririnina !
DadaRabe
St Pierre et Miquelon
17/03/08 23:50
Gravy be mihitsy izany tempete de neige any aminareo izany ry DadaRabe. Sady frizy izany no mandrivodrivotra ? :-)
Nampidirin'i lehilahytsyresy 18 Mar 2008, 06:36Dia atao vonona indray izany ny lapelina hoenti-misoroka an'ireo ranomandry eto antokonam-baravarana.
Ny eto amin-dry LhlTsrs kosa dia smog izao no mamely mafy. Sady tsy mba hoe vokatry ny pollution fa vokatry ny vents de poussière avy any amin' ny kaontinanta any...
Toa tena raharaha be tokoa ry DadaRabe izany tempête de neige izany, raha ny sary nalefanao sy ny tononkalonao no jerena sy vakiana. Raha izany ny any, ny aty hafanàna be no iainana... indraindray toa mavesatra loatra ny hafanàna, nefa raha zohina izany, aleo ihany andro mafana (be)...
Nampidirin'i Ryana 18 Mar 2008, 09:14Mahereza amin'ny ady amin'ny hatsiaka ary ê!
Ryana
Toa tena raharaha be tokoa ry DadaRabe izany tempête de neige izany, raha ny sary nalefanao sy ny tononkalonao no jerena sy vakiana. Raha izany ny any, ny aty hafanàna be no iainana... indraindray toa mavesatra loatra ny hafanàna, nefa raha zohina izany, aleo ihany andro mafana (be)...
Nampidirin'i Ryana 18 Mar 2008, 09:14Mahereza amin'ny ady amin'ny hatsiaka ary ê!
Ryana
Henjana koa izany ririnina any @nareo zany ry dadarabe!
mangitsy mht vao mamaky ilay tononkalo
mahereza hatrany e!
Nampidirin'i news2dago 18 Mar 2008, 09:23tena amin'ny fotoana toa izao mihitsy tokoa no mampiakatra ny aigam-panahy...
Nampidirin'i ikalamako 18 Mar 2008, 10:32Mahereza re ry DdRb fa kely sisa ny morontsiraka andrefana dia ho tratra.
De efa zatra ny hatsiaka mo nareo ry Dadarabe , tsy aleo ve mody aty aminay aloh é! mba sangy ny ahy iny fa mahereza é! de hafiriana ny faharetan'ny la neige any?,A+
Nampidirin'i iaboba 18 Mar 2008, 10:36Mamangy,
misaotra mizara ny zava-misy any lavitra any e !
Tena efa bitika tokoa izany tany izany an !
Fa ity no nihazona ny saiko:
"MITAFY ZAKY" !
Tena efa MALOTO BE toko a
izany ny habakabaka an !
Satria vovon-drano mivaingana
amin'ny hatsiaka be dia fotsy
mangatsakatsaka ka raha toa izy
miloko mena dia misy loto toy
ny Fasika mena, fangaron'ny
setroky ny fiara sy ny avy amin'ny
ozinina samy hafa izay mety tsy eo an-toerana akory
fa any lavitra be any kanefa entin'ny rivotra be !
Mampahery hatrany e !
Eo no hahatsapana fa Soa sy mamy i Madagasikara
Sa ahoana ?
Aza dia miteny irery fa "lasa antitra hono e !"
http://rahelys.unblog.fr
Nampidirin'i Helisoa 18 Mar 2008, 12:11Lahilahytsyresy> Efa mijanonjanona ny rivotra io maraina io. Hay moa any misy vent de poussière. MAnjavonnjavona izany !
Ryana> ie, henjana aloha ny ririnina raha tsy misy chauffage matanjaka é! saingy ny eto dia mafana ihany ny ao an-trano. Ny hafanana koa henjana rehefa mafana an ! tany guyane aho niakatra dia niakatra ny mari-pana indray andro nefa en panne kely ilay clim. LOza !
NewsD2dago> rehefa mafana ny ao anaty fo dia manafana ny vatana é!
Ikalamako> ie, iray volana ohatr'izao aho dia hamakivaky an'i tampoketsa, midina maevatanàna, mamakivaky ny alan'i garafantsy sy ny tanimbarin'ny lemak'i Marovoay.
Iaboba> ie, efa ho ho avy (aiza anefa ilay any aminareo ?)
Nampidirin'i DadaRabe 18 Mar 2008, 12:20Mamamia a!!!
Raha tsy nisy tononkalo sy haingam-panahy nadrakotra ny alina mety tsy tongako raha izaho ny maraina!
Mazotoa e,
Nampidirin'i ikalakely 18 Mar 2008, 13:27Helisoa> Tsy maloto ilay izy fa ilay jiro rakotry ny rivo-dranomandry sy ilay trano mena etsy am-pita dia manome loko mena matroka. Ny ranomandry kosa fotsy botsiaka mangatsakatsaka kah !
Miteny irery ! :-) Tsy misy olona azo antsoina intsony afa-tsy ny any Canada angaha na ny any Zamerika. Alina loatra.
Ikalakely> Fa tonganao ihany izany ! :-)
Nampidirin'i DadaRabe 18 Mar 2008, 13:45Mahafinaritra ilay vetsom-po miraraka, fa tahaka ny manatrika ny oram-panalanao koa ity izaho.
Nampidirin'i voniniaina 18 Mar 2008, 14:53"... dia satriko ho ririnina, ...nefa raha tsy eo ianao, mangatsiaka aho, mafana eo ankaikinao, ...", hoy i Rija RAMANANTOANINA. Mankasitraka e !
Voniniaina> Dia miala tsiny izany ry Voniniaina raha toa ka nizara hatsiaka. Soa fa misy hafanana avy amin'ny fo.
Nampidirin'i DadaRabe 18 Mar 2008, 15:15Misaotra é!
Lalina izany toetr'andro any aminareo izany ry dadarabe :)
ohatry ny hoe horonantsary @krismasy ireny ilay sary ;)
mahereza e
Nampidirin'i maintikely 18 Mar 2008, 20:36Maintikely> Horonan-tsary amin'ny krismasy ? ie, rehefa hariva eto dia toy ireny tokoa. Indrindra rehefa rotsaka vaventy ireo neige.
Teto aho talohan'ny krismasy fa feno décoration ny tanàna.
Nampidirin'i DadaRabe 18 Mar 2008, 20:46Mahafinaritra ahy ny mamerina ilay hoe:
Nampidirin'i Lalasoa 18 Mar 2008, 22:42"Fa ny eto ritsodritsoka,
Ny masoko efa ditsoka!"
Mifono zava-dalina ilay tononkalo!
sao d tokony asiana an'ity kely:
...
Ny ririnina misy hafanana
Ny haizina misy hazavana
Na ora-mikija na rivo-mifofo
Ny fitiavan'ny tiana tsy miofo
...
jereo eto
:)
Nampidirin'i simp 18 Mar 2008, 23:00Lalasoa> misaotra amin'ilay zava-dalina é
Simp> efa ela tokoa aho tsy naheno io hira io. NAhita an'i JOsephine teny amin'ny Cora aho tamin'ny décembre teo. Miarala amin'ny ekipany maromaro.
Nampidirin'i DadaRabe 19 Mar 2008, 00:47Ho avy eto Dago ry zareo amin'ny avril fa tsy haiko na tapôlaka no titre. Ny Media consulting no mikarakara io.
"Maizina sady mangatsika
Nampidirin'i tsikisariaka 19 Mar 2008, 07:51Ny amin'ny enina ririnina
Ora firavan'ny mpiasa
...................."
Mamangy,
efa hitanareo ve ilay hafatra momba ireo mpivady malagasy maty tamin'ny hay trano tao Parisy tandroany maraina 3h30 ?
Mba manaova "chaîne" hanontanio ny olona sy ankizy bloggueurs rehetra fantatrareo any Madagasikara e hanao enquêtes sy ampitapita TSARA MAHALALA NY ZAVA-MISY IREO HAVANY no tsara fantatra koa ny adiresy HANDEFASANA AZY IREO any Madagasikara handevenena!
Hijery ny anaran'ireo Razana sy hanontany sao misy havany sy ny toerana handefasana ny razana.
Momba isika malagasy eto ampielezana indray momba io zavatra mampalahelo io dia
tsy tokony hanao tati-rakitra ve hikarakarana ny razana fa tsy hiandry ny vahiny satria pastera ao
amin'ny fiangonana ERF no nandefa ny hafatra ho an'i Pasteur FPMA
Tsy tokony hanao izay mety ve isika hatao izay hahalasa azy ireo hampamendrehana ka TSY AVELATSIKA HO VERY FATY ATY RY ZAREO !
Izay ary fa mifandray eo ihany e!
"http://rahelys.unblog.fr"
Nampidirin'i Helisoa 19 Mar 2008, 11:03Tsikisariaka> hay hihira any ry zareo ! Tsaroako ny nijery tapolakaglady tao antsahamanitra
Helisoa> mampalahelo tokoa io tranga io. Miombon-kalahelo amin'ny fianakaviany.
Nampidirin'i DadaRabe 19 Mar 2008, 12:20